Lahatsary: Mampiroborobo Ny Fitomboan'Ireo Horonantsary Fanadihadiana Ny Krizy Ao Gresy

Ny Fetibe Thessaloniki faha-15 ho an'ny Fanadihadiana – tanterahina ny 15 ka hatramin'ny 24 Martsa 2013 – dia ahitàna horonantsary dimy miresaka momba ny krizy Grika [el], tahaka ny tamin'ny herintaona lasa [el]. Raha mbola manohy miasa eo ambanin'ny trosa miavosa sy ny olan'ny fitsitsiana mafy amin'ny famoaham-bola ny Fetibe sy i Gresy iray manontolo, dia samy mihamifantoka amin'ny asan'izy ireo amin'ny fanehoana ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiaraha-monina avokoa ny mpamokatra horonantsary foronina sy fanadihadiana.

Amin'ity taona ity, manasongadina ondry izay nendahan'ireo sary mirarak'ompana avy aminà fiarahamonina iray anaty krizy ny peta-rindrina sy ny fampahafantarana fohy an'ity Fetibe ity:

Ny roa amin'ireo horonantsary fanadihadiana halefa amin'ity taona ity, ny Greedy Profit an'i Yannis Karypidis, sy ny Harena Miafin'i Cassandra, an'i Yorgos Avgeropoulos, dia mifantoka amin'ny fifandirana manodidina ny fitrandrahana volamena any amin'ny alan'i Skouries any Chalkidiki, sy ny fiantraikan'izany eo amin'ireo vondrom-piaraha-monina miaina ao an-toerana. Niara-niasa ny Karypidis sy ny Avgeropoulos tany aloha hamokatra tantara iray momba ilay fandikan-dalàna voalohany indrindra nahomby teo amin'ny famakiana ny fahirano ara-tsambo nanodidina an'i Gaza, izay nahazo mari-pankasitrahana.

Ny “Holocaust of memory” – Fandevonana ny tsiaro, an'i Stelios Kouloglou dia mifantoka amin'ny zava-miafina manodidina ny fipongaran'ny fironam-pisainana Nazi ao aminà firenena iray, toa an'i Gresy, izay nijaly tokoa teo am-pelatànan'ireo Nazi nandritra ny Ady Lehibe II.

Tsy ireo horonantsary mikasika ny krizy rehetra no mahavery fanantenana. Ny “Hardships and Beauties” dia mitantara ny tantaran'ny Grika iray mpiandry omby amin'ny vanim-potoana maoderina, ny filozôfa iray miainga amin'ny fandinihana ny zava-misy ary ny tompon'ny iray amin'ireo toeram-piompiana lehibe indrindra any Atsimo Andrefan'i Gresy, izay ny diany namakivaky ny afovoan'i Gresy dia zary lasa fitsidihana manan-tantara ao anaty firenena izay tsy ho toy ny taloha intsony mihitsy:

Living in Interesting Times dia manaraka ny fiainan'olona efatra mahafinaritra miaina anatin'i Athenes maizina ampototry ny mazava. Miatrika ny zava-misy mafy ateraky ny krizy izy ireo; tsy maintsy miady ho an'ny anjarany; tsy maintsy mizatra ny hadalana

Indostria asa-tànana nateraky ny Aterineto?

Na anatiny, na ivelan'ny fantsona fanampariahana io fetibe io, mitombo be ny fanaovana horonantsary fanadihadiana momba ny krizy mahazo an'i Gresy, manamarika izany ireo kamera tsara kalitao amin'ny vidiny mora izay hita eny rehetra eny, sy ireo tanora mpamorona sy mpanao gazety mahafehy tsara ny aterineto – izay maro amin'izy ireo no niverina avy nandranto fianarana tany ivelany – mampiasa ny talentany, mitantara ny alahelon'ny firenen'ny sy ny vahoakany .

Nanomboka niaraka tamin'ny Debtocracy sy ny Catastroika io hetsika io, lahatsary fanadihadiana roa navoaka tanaty aterineto, ambany lisansa Creative Commons, notohanana tamin'ny alalan'ny fangatahana tohana ara-bola, novokarn'ireo mpanao gazety Aris Hadjistefanou sy Katerina Kitidi, izay niezaka ny hanao sarisary ny fiovàna ara-tantaran'ny kapitalisma ho lasa “otrikaretina”-n’ny trosa mihinana manafika ireo fiaraha-monina sy firenena ankehitriny.

Tamin'ny herintaona, vondrona iray nahitàna tanora 14 mpaka sary no nanangana niaraka nThe Prism, tantara iray mampangitakitaka, maro loko, ary navoaka ho horonantsary tamim-pahaizana, mirakitra tantaranà multimedia 27, izay novokarin'izy ireo ho horonantsary maharitra 63 minitra antsoina hoe Krisis.

Tamin'ity taona ity, nipoitra ireo tetikasa maro fanadihadiana mahaleotena ao anaty aterineto mba hameno ny banga navelan'ny fihenan'ny fandrakofan'ny media mahazatra ny fiantraikan'ny krizy eo amin'ny fiaraha-monina Grika.

Ny “Debt Management” dia lahatsary fanadihadiana amin'ny teny Anglisy, maharitra 42 minitra, avy amina vondrona mpanakanto sy siantifika monina any Thessaloniki ary miara-miasa amin'ny fananganana lahatsary fanadihadiana misy isafidianana, izay etsy andaniny, mandalina ity “sarin'ady eo amin'ny finiavan'ny olona hitahiry ny soatoavina itambaram-be, ny fepetra maha-olona, ny zo ary ny filàna ity, manoloana ny tontolo ara-bola Orwelliana etsy ankilany”:

The City at a Time of Crisis [..] dia tetikasa fikarohana izay mikatsaka ny hamaritra sy hikaroka ireo fiantraikan'ny krizy ara-bola misy amin'izao fotoana izao any amin'ireo kianjam-bahoaka an-tanàn-dehibe any Athenes, Gresy. Ahitàna fandalinana mampivondrona ho iray, ifandrombonanà taranja maro mikasika ny fivoaran'ireo hevitra andraisana ny atao hoe ‘vahoaka’, ary ireo kianjam-bahoaka no ifotoran'izany fanadihadiana izany, izay miitatra anatin'ireo faritra mifandray amin'ny ‘tombotsoam-bahoaka’, ‘fiarovam-bahoaka’, ‘fandrindram-bahoaka’ sy ny ‘fananam-bahoaka’

Ny Into the Fire [..] dia lahatsary fanadihadiana mijery ny toerana misy ireo mpitsoa-ponenana sy ireo mpifindra monina any Gresy, manoloana ireo fepetra fitsitsiana henjana amin'ny famoaham-bola sy ny fitomboan'ny fanavakavaham-bolon-koditra. Niresaka tamin'ireo mpitsoa-ponenana, mpangataka fialokalofana, mpifindra monina ary ireo tsy manana taratasy any Gresy izahay, hiezaka sy hahazo an-tsaina ny toerana misy ny fizotran'ny fangatahana fialokalofana any amin'ity firenena any amin'ny sisintanin'i Eoropa ity sy ny endriky fiainana anaty tahotra ny ho voatafika foana – noho ny lokon'ny hoditra tsy mitovy.

Ny Portraits of Greece in Crisis dia tetikasa iray am-perinasa momba ireo tantara multimedia, momba ny vahoaka sy ireo rafitra izay namelàn'ny krizy fiantraikany goavana. Izany dia ezaka fanakaikezana ny krizy Grika, araka ny anehoana azy amin'ny endrika rehetra.

Mpanakanto 2 mitety an'i Gresy iray manontolo no mikendry ny hanasongadina ireo tantara manokan'ny vahoaka ao amin'io tany io, sy hifantoka amin'ny fahafenoan'ny fijoroana vavolombelon'ny olona. io tetikasa Caravan io dia hamambatra ireo sary kely efamira, ireo fitantaràna sy ireo fanadihadiana, mba hanasongadinana fomba fiainana iray hafa ankoatra ny iray izay hasandratry ny media, ary hampisy mazava amin'ny tany izay manohy mamorona, manonofy, ary milaza fa “Misy Tontolo Iray Hafa Eto”!

http://vimeo.com/61030488

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.