Tanora Espaniola Mitsoa-ponenana : “Tsy Niala Izahay Fa Noroahina!”

Iray amin'ireo vokadratsy mahatsiravina nateraky ny krizy ny tsy fananan'asan'ny tanora ao Espaina, izay tafakatra 55,6%. Manoloana io isa mampitebiteby io, niantso ny amin'ny tokony handraisana fepetra maika ny Vondrona Eoropeana tamin'ny taon-dasa. Taorian'ny 15 volana niasana tao amin'ny governemanta, nanolotra Drafitra ho an'ny Tanora Tsy An'asa [es] ihany ny Antokom-bahoaka (kaonty Twitter @empleo_joven), izay nanome antoka fa tsy maintsy ho voavaha ny krizy ao amin'ny firenena. Niresaka momba ny “laingo maitso” izy ireo izay mariky ny famerenana ny toekarena amin'ny laoniny. Na dia izany aza, samihafa ny fihetseham-pon'ny olona ary tsy mitsaha-mitombo ny fahoriana [es] hatramin'ny nanovana ny lalàna mifehy ny asa. Nampitandrina ny Sendikàn'ny mpiasa Espaniola fa raha tsy ampiarahana amin'ny fepetran'ny fampandrosoana ny drafitra, dia tsy hisy vokatra tsara ho azo.

Tamin'ny taona 2012, niakatra 302.623 [es] ny isan'ireo tanora Espaniola (eo amin'ny 15 sy 29 taona) monina any ivelany, tsy tanisaina intsony ireo tanora izay tsy nisoratra anarana tamin'ny ambasady. Maro ireo nandeha nitady ravinahitra tany ivelany noho ny antony ara-toekarena, ny tsy fananan'asa sy ny faharatsian'ny fepetra momba ny asa ao Espaina. Nanangana hetsika fanentanana mitondra ny anarana hoe No nos vamos, nos echan (Tsy niala izahay fa noroahina) ny hetsika Juventudes sin Futuro (Tanora Tsy Manana Hoavy), nampiasaina tamin'ny tenifahatra tao amin'ny Twitter izany teny izany noho ny olana momba ny asa ankehitriny. Nindramina tamin'ny fitenin'i Marina de Corral, sekreteran'ny fifindramonina sy ny fifindramponenana izany anarana na fiantso izany, izay nilaza momba ireo fialàna faobe ho “saina tia andrakandrana (sahisahy) Eo amin'ireo Tanora” [es] Ahitana sokajy isan-karazany ny bilaogy momba ny hetsika, ny sokajy iray ohatra natokana amin'ny fametrahana an-tsarintany ireo tanora mandeha mitady hoavy tsaratsara kokoa any ivelany, ary ahitana ireo izay mbola tsy nahita izay tadiaviny. Toy izao manaraka izao ny fanazavana ao amin'ny bilaogy:

Portada El Diagonal.

El Diagonal Homepage.

Si bien es cierto que la media europea de paro juvenil (un 22,5%) es muy inferior a la española, encontrar trabajo no está garantizado. Y más allá de Europa, l@s jóvenes españoles están empezando a optar por otros destinos como Latinoamérica y Asia. Generalmente, los trabajos que realizan l@s jóvenes en el extranjero también se encuentran caracterizados por la precariedad, con jornadas laborales muy largas y sueldos muy bajos que no aseguran una vida digna, y menos un futuro.

 

Raha marina tokoa fa latsaka ambany be noho ny ao Espaina amin'ny tahan'ny tsy fananan'asa ao Eoropa izay (22,5%), tsy azo antoka ny fahitana asa any ivelany. Ankoatra an'i Eoropa, manomboka misafidy mankany amin'ny firenen-kafa tahaka an'i Amerika Latina sy Azia ireo tanora Espaniola. Amin'ny ankapobeny, tsy azo antoka sy ratsy ihany koa ny asa hitan'izy ireo any ivelany, ora iasana maharitra ela sy karama ambany be izay tsy ampy hivelomana araka ny tokony izy akory, ary indrindra tsy hanome hoavy mamiratra.

Jóvenes en condiciones precarias. Foto tomada con permiso de la web gritopolítico.es

Tanora tsy manan'asa. Nahazoan-dalana ny sary, gritopolítico.es

Amin'ny fanindriana ireo teboka maro ao amin'ny sarintany es], afa-mamaky ireo tantara sy zava-niainan'ireo tanora nandeha nitady izay mahasoa tany ivelany isika:

Nahita asa mandritra ny fe-potoana tsy voafaritra, asa injenieran'ny lalana sy ny tatatra ary Seranana tao Aotrisy i Marcos, 26 taona. Nanazava ny antony nandaozany an'i Espaina izy:

Tras casi un año buscando, recibiendo negativas (los pocos que contestaan) y perdiendo el tiempo, decidí transformar la desesperación en nuevos retos.

Rehefa sasatra nitady asa nandritra ny herintaona, fandraisana taratasy tsy voaray hiasa ( avy amin'ireo vitsy namaly ny taratasiko fitadiavan'asa) eo koa ny fandaniam-potoana, nanapa-kevitra ny hanova ny fahadisoam-panantenana ho fanamby vaovao aho.

Misy ireo hafa tsy mba nanam-bintana. Anisan'izany i Alex, tsy manan'asa nifindra monina ao Romania, izay naniry ny hiverina an-tanindrazana avy eo noho ny tsy fahitany asa hatrany

Llevaba viviendo en España desde los 14 años y este año después de hartarme de pedir para comer, migre a Rumanía donde tenía familia. Esto te destruye mentalmente ya que mi vida se construyó en España donde tenía amistades, conocidos y todo mi mundo. Ahora me quedan los recuerdos de lo que un día tuve.

Nonina tao Espaina aho nanomboka ny faha-14 taonako ary tamin'ity taona ity, rehefa leo ny mangata-bola hividianana sakafo, nifindra monina ao Romania izay misy ireo fianakaviako aho. Manimba ny saiko tanteraka izany satria tao Espaina no nanorenako ny fiainako izay misy ireo namako, olo-pantatro sy ny fiainako rehetra. Ankehitriny, fahatsiarovana sisa.

Raquel, 25 taona, izay mpampianatra tao Espaina teo aloha, no nanjary niafy tamin'ny asa tsy misy fifanekena (asa an-trano) ao Ireland:

Después de acabar la carrera de Magisterio y un Máster empecé a trabajar como maestra en España. Con el tiempo empezaron los recortes en educación…y luego se acabó el trabajo para los más jóvenes. Después de malvivir con trabajos temporales (cuando los había) durante un año decidí que era hora de hacer las maletas e ir a buscar nuevos objetivos. Aquí estoy ahora, en contacto con la “educación” y mejorando mi inglés… Más de lo que podía pedir en mi tierra!

Taorian'ny fahavitan'ny fianarako, izay nahazoako diplaoma “master’ momba ny fampianarana, nanomboka niasa aho, mpampianatra tao Espaina no asako. Tamin'ny fotoana nampihenana ny tetibolan'ny fampianarana … vita hatreo ny asa ho an'ireo tanora. Rehefa mbola niasa vonjimaika (rehefa misy asa) tamin'izany nandritra ny herintaona anefa, nanapa-kevitra ny hiala aho ary hibanjina tanjona vaovao. Eto aho ankehitriny, ao anatin'ny “fampianarana” ary manatsara ny fahaizako teny anglisy… Zavatra tsy mba azoko tany amin'ny fireneko!

Maro ireo maniry ny hiverina any amin'ny firenena niaviany saingy fantany tsara fa amin'izao fotoana izao, tsy afaka ny hanome azy ireo izay ilainy, toy ny asa sy ny hoavy mamiratra, i Espaina, fa fiankinan-doha goavana amin'ny fianakaviana sy fepetra ratsy momba ny asa , raha mahita asa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.