Bilaogy Mampifandray An'i Afganistana Sy Pakistana: ‘Fifankahazoan'ny Mpifanolo-bodirindrina’
Tsy afaka manova ny mpifanolo-bodirindrina amintsika isika fa tsy maintsy manova ny fihetsika sy ny fifandraisantsika amin'ny mpifanolo-bodirindrina amintsika. Io no lohahevitra fototra amin'ny tetikasa voafintina anaty fehezanteny roa nataon'ny Fondation ara-politika iray avy any Alemana, Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) tany Pakistana sy Afghanistan. Mitondra ny lohahevitra hoe Af-Pak fandaharan'asa fifanakalozana eo amin'ny mpanao gazety : ‘ Fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina’ io fandaharan'asa io.
Amin'io fandaharan'asa fanomezana vatsim-pianarana io, indroa niatrika fihaonambe ireo mpanao gazety 22 avy any Afghanistan sy Pakistana, ny iray tany Islamabad ary ny faharoa tany Kabola. Ireo tanora mpanao gazety no mamorona lafy roa amin'ny Tsipik'i Durand amin'ny andaniny sy ankilany, nanomboka nanao bilaogy taorian'ny fivoriana natao voalohany tany Bara Gali, havoana akaikin'i Islamabad. Ny sokajy fampahafantarana an'io bilaogy mitondra ny lohateny hoe Fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina dia miteny hoe:
Ezaka iray iarahanay rehetra mba hifandraisana tsy tapaka sy hahafantarana bebe kokoa ny mpifanolo-bodirindrina aminay ity bilaogy ity…Hiaraka manentsina ny banga izahay rehetra ary ho amboarinay ny sakana rehetra izay mampifanalavitra anay.

Mpanao gazety 22 avy any Pakistana sy Afganistana tamin'ny ‘Fandaharan'asa fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina’. Sary avy amin'ny mpamorona.
Beenish Mohsin, solontena diplomatika ao amin'ny fantson-tseraseram-baovao ARY, dia mizara izay antenainy avy amin'io atrik'asa io.
Ny fehezanteny voalohany tamin'io atrikasa io dia ” Herinandro fandravana ny fitsaratsaram-poana” ka nahitan'ireo mpandray anjara maro fahombiazana. Nizara ny traikefany Ayesha Hasan, mpanao gazety avy amin'ny Express Tribune, Pakistan:
Izahay mpanao gazety avy amin'ny lafiny efatra amin'ireo firenena roa, dia nody niaraka taminà sary mahafinaritra, fijery vaovao, fahatsiarovana tsy hay kosehina ary ny lehibe indrindra amin'ireny : namana vaovao. Nanana tantara manokana hotantaraina ny tsirairay, fomba manokana mampiavaka ny fiainany sy fanazavana mahasarika ary fandraisan-javatra ny rehetra, fa ny sasany dia namela fahatsiarovana ao an-tsaiko.
Nahagaga ny traikefan'ilay mpanao gazety Afgana Faisal Moonzejar. Dradrainy ny ahiahiny nikasika ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Pakistana :
Reraky ny dia lavitra tamin'ny fiaramanidina ireo namako Afgana ka dia niala sasatra. Fa izaho kosa niresaka tamin'ireo Pakistane namako. Nanasa ahy hiaraka aminy ry zareo handeha hanao ‘zahavoary an-tongotra – randonnée’. Tamin'ny voalohany tsy nahataitra ahy io resaka io, fa rehefa hitako ny hafanàna sy ny fifandraisana amin'ny maha-mpinamana, izay nampahatsiahy ahy ny fitsangatsanganana fahiny niaraka tamin'ny namako tany an-tsekoly, dia nekeko tsy nisalasalàna ilay fangatahana.
Manoratra izay zavatra tsy ampy taminy sy ireo Afgana namany mpanao gazety i Faisal Moonzejar, ao amin'ny lahatsoratra iray hafa ‘tsy misy olona azontsika omena tsiny’ :
“Tsapako fa tsy Pakistana no olana. Ny fototry ny olana dia ny fanamelohanay mandrakariva an'i Pakistana amin'ny krizy anatiny aty aminay- ny resaka ara-poko. Fony zaza aho, nolazaina tamiko fa ny Shiite (Ahle Tashee) no ‘maloto indrindra’ ary dia noraràna izahay tsy ho any an-tranon-dry zareo na hisotro ny rano avy any aminy na hihinana izay avy any aminy ary ny minàmana aminy ihany koa.”
Miara-miasa amin'ny fanadihadiana, amin'ny fidirana lalina amin'ireo tantara momba ny fahamaizinan'ny vaovao avy amin'ireo firenena roa tonta ireo ny mpandray anjara avy amin'ny andaniny sy ny ankilany.
Anatin'ny iray tamin'ireo tatitra, mamintina mpanao gazety :
Mitohy miatrika fanamby ireo mpanao gazety avy any Afganistana sy Pakistana hatramin'izao. Ny hany làlan-tokana hivoahana dia ny famelàn'ny governemantan'ny firenena tsirairay ny fifanakalozam-baovao sy ny fandefasan'ny fahitalavitra any aminy avy ho afaka hihoatra ny sisin-taniny.
Nanandrana nitrandraka ny tantaran'ny fiaraha-miasa sy ny fifamatorana ara-barotra izay mety hitera-bokatsoa ho an'ny mponina ao amin'ny firenena roa tonta ry zareo. Mpivory anankiray no nahita fa Dobai vaovao ho an'ny Pakistane i Kabola.
Ny asan'i Sher Badshah dia nandrisika ny rahalahiny Sardar Badshah ho any Afganistana hitady asa. Mandray karama 500 dolara amerikana amin'ny maha-mpahandro azy izy amin'izao fotoana izao.
Variana tamin'ny fahitana ireo vehivavy parlemantera, mpikatroka mafàna fo ara-tsosialy sy diplomaty any Kabola i Ayesha Hasan. Manoratra izy hoe :
Tsy mampaninona ny hasarotan'ny fandresena ny fomba amam-panao tranainin'ny Afgana, manomboka miseho tsikelikely eo amin'ny sehatra politika ny vehivavy. Famantarana iray amin'izany ny fahanginan'ny Talibana amin'ny fisian'ny vehivavy ao amin'ny fitantanan'ny Mpanolo-tsaina Avo ho an'ny Fandriampahalemana izay voatendry hitarika fanelanelanana miaraka amin-dry zareo.
Nanoratra tamin'izay bilaogy izay aho:
Ataon-dry zareo izay hahalalan'izao tontolo izao ny fifandraisana Af-Pak miaraka amin'ny hevi-baovao entiny. Vonona hanao fanamby ry zareo hanohitra ireo fitantaràna am-polo taona voapetraka mikasika ireo mpifanolo-bodirindrina aminy – ireo fitantaràna tsy hita amin'ny sehatra ho an'ny daholobe. Tena faly aho eo am-panoratana ity fa tsy hoe mpifanolo-bodirindrina intsony ireo mpanao gazety ireo, mifampiantso amin-kafaliana hoe namana izy ireo izao. Iraka tontosa soa!
Raha sitrakao vakio ny tatitra nataonay tany aloha mikasika ny fandaharan'asa mitovy amin'ity.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...