Tamin'ny hetsika isan'ny voalohany indrindra tamin'izy itony teto amin'ny firenena mba hanamarihana ny 17 May, Andro Manerantany Hiadiana Amin'ny Fanilikilihana, dia nosakanan'ny andianà Kristiana Ortodoksa ireo Olona Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana LGBT Zeorziana raha nilahatra tao afovoan-tananan'i Tbilisi renivohitra Zeorziana.
Ireo pretra mitarika ny fikambanan'ny Raiamandreny Ortodoksa, na Union of Orthodox Parents (UOP) dia nangataka ny hanakanana ireo mpanao diabe, tamin'ny filazana fa mety hitarika any amin'ny fahasimban'ny ara-moralin'ireo tanora taranaka fara sy dimby io ao anatin'ny firenena iray izay Kristiana no betsaka.
Ireo LGBT mafàna fo dia namaly tamin'ny fiangaviana azy ireo tsy hibahan-dàlana mba hitohizan'ny diabeny, saingy rehefa tsy nahomby ny ezaka nataon'ireo pretra sy ny UOP mba handresena lahatra ny polisy teo akaiky teo hampiato ilay diabe, dia teraka ny fifampikasihan-tànana.
@gabo_ge: პოლიციამ იდენტობის სამი აქტივისტი დააკავა მათ შორის ლევან გერიანიძე
@temuchin22: მმკ ხალხს სცემს და ნაცემი ხალხი მიჰყავთ განყოფილებაში. მიმიფურთხებია ასეთი სამართალდამცავი ორგანოსთვის! მოვითხოვ მმკელების დაპატიმრებას!
@lishtotah: Ny maha-mafàna fo LGBT efa voafetra hatrany amin'ny “fanaovana ny diaben'ny rehareha voalohany indrindra” dia tsy hanao afa-tsy ny hanampy solika handrehitra ny #fanilikilihana #homophobia ao #Tbilisi :pelaka eto:
@JohnHesslewood: Raha toa ny tohan-kevitra fototra avy aminao dia hoe ‘fomba ahoana no ahafahana miaro foto-kevitra toy izany ety an-dalambe’ , averiko aminao ny fanontaniana mitovy amin'izany, ry krisitiana #tbilisi
Araho ity rohy ity raha hijery sary bebe kokoa.
Niampanga ilay fifandonana ny ankabeazan'ny pejy Facebook, izay nanova ny sary tao amin'ny mombamomba azy ho fanohanana ireo mafàna fo.