Singapore: Hahazo Andro Iray Fialan-tsasatra Nefa Handraisan-karama Ihany Ireo Mpiasa An-trano
Manomboka amin'ny taona ho avy, tsy maintsy hanome andro iray isan-kerinandro tsy hiasana ho an'ireo mpanampiny avy any ivelany ireo mpampiasa Singaporeana, na mandoa tambin-karama raha mampiasa azy ireo amin'izany andro izany.
Nambaran'ny Minisi-panjakana Misahana ny Asa, Tan Chuan-Jin, tany amin'ny Parlemanta ny 8 Marsta 2012 io fepetra vaovao io, ary nanintona ny fihetseham-po maro avy amin'ny olona amin'ny lafiny roa (mpomba sy mpanohitra).
Tamin'ny 2008, avy amin'ireo fikambanana tsy miankina (NGOs) tahaka ny TWC2, HOME ary Unifem Singapore izay manampy ireo Mpiasa Mpifindra monina, no natomboka ilay fampielezan-kevitra mikasika ny andro iray fialan-tsasatra isan-kerinandro ho an'ireo mpiasa an-trano– izay maro avy amin'izy ireo no avy amina firenena tsy mandroso na faran'izay mahantra tahaka an'i Myanmar, Filipina ary Indonesia.
- Avy ao amin'ny pejy Facebookin'ny TWC2
Manoratra ao amin'ny publichouse.sg i Andrew Loh fa zo fototra ho an'ireo mpiasa any aminà firenena maro manerana izao tontolo izao ny andro iray fialan-tsasatra isan-kerinandro:
Ho an'ny olona tsotra, mahatalanjona sy tena mahamenatra ny mahita fa ilaina ny manohana izany fotokevitra izany – lamina napetraka any amin'ireo firenena eran-tany ny andro iray fialan-tsasatra ho an'ny mpiasa. Singapore, kosa anefa indrisy, isan'ireo maningana amin'izany.
Nanoratra lahatsoratra tao amin'ny publichouse.sg ihany koa i Joses Kuan, ary mitehaka an'i Tan Chuan-Jin amin'ireo fihetsiny:
Tamin'ny fotoana nirotsahako an-tsitrapo tao amin'ny TWC2 ao Singapore, tsy nahita mpikambana ao amin'ny governemanta aho , ary indrindra tsy nahita minisitra na iray aza, tena nampirotsaka an-tsehatra ireo ONG manampy ireo mpiasa mpifindra monina sy miezaka hitondra fiovana. Nefa na izany aza, i BG Tan, nankany amin'ilay tetikasa Cuff Road an'ny TWC2, ho an'ireo mpiasa nafindra toerana, naratra ary noararaotina, nanentana ireo Singaporeana tsotra amin'ny fisian'ireo “orinasam-pampodiana” (entina ilazàna ireo jiolahimboto mpandika lalàna) manafintohina, anivon'ireo hetsika mahaleotena hafa. Ity hetsika hanaovan-dalàna mikasika ny andro iray fialan-tsasatra ity kosa anefa dia tsy sarintsarina fepetra fotsiny ihany ary tokony ho tehafana i BG Tan noho ny asany sy ny fitarihany.
Na eo aza izany, nampitandrina ihany koa izy “tsy hientanentana mialoha loatra” :
Mahatonga fanontaniana maro izay tsy mbola voavaly ity hetsika vaovao ity. Ahoana ny fomba hampiharana ity lalàna ity? Iza no hanara-maso ireo mpampiasa ary hanome toky fa hanaraka izany izy ireo? Ahoana ny mikasika ireo famaizana raha misy ny fandikan-dalàna? Raha resaka hatsarana, inona no mahasamihafa an'io lalàna io amin'ilay “fifanekena lasitra” izay efa voapetraka amin'izao fotoana izao (manome tombony an'ireo mpampiasa izany satria dia afaka “mividy andro fialan-tsasatra” an-tsokosoko izy)? Ahoana ny momba fangataham-pahefana na ny fifanekena mpampiasa-mpiasa anaty tontolo vaovao izay matetika manome tombony ny mpampiasa; ary voahitsakitsak'ireo olana amin'ny trosa, findramam-bola tsy maintsy averina sy ny fitànana ny pasipaoro.
Nanomboka nipoitra ireo fitarainana sy fitsikerana avy amin'ireo mpampiasa izay manohitra ity andro iray fialan-tsasatra ity. Misy maromaro amin'izy ireo nanoratra tao amin'ny sehatra fiadian-kevitry ny Straits Times, manonona antony maro samihafa mahatonga azy ireo tsy ho faly, noho ny famoretana amboniny mihatra amin'ireo Singaporeana mpampiasa sy ireo olana ara-tsosialy mitombo.
Nanolo-kevitra ihany koa i Thng Tien Guan fa mety hanimba ny orinasan'ny fizahantany ao Singapore ihany koa io andro iray fialan-tsasatr'ireo mpiasa isan-kerinandro io:
Maro ireo mpiasa an-trano no mivangongo any amin'ny Orchard Road rehefa tsy miasa izy ireo, ary misy vitsivitsy amin'ireny tena be kotaba. Inona no mety ho vokatr'izany amin'ny fizahantany?
Mandiso fanantenana io fanapahan-kevitra tampotampoky ny governemanta hanome andro iray fialan-tsasatra ho an'ireo mpiasa an-trano io, izay mampisy olana iray goavana eo amin'ireo fianakaviana.
Voatsikera mafy tao amin'ny Twitter ny fanoheran'ireo mpampiasa sasany an'ity andro iray fialan-tsasatra ity:
@Giles_iPresume: Ny fandrakofana eran-tany an'ilay faneken'i Singapore ny andro iray fialan-tsasatra ho an'ireo mpiasa an-trano dia mahamenatra, nefa aza miteny izany any anatin'ireo pejy natokana ho an'ny mpamaky ny Straits Times
@woonhian: Mampalahelo izany. Halan'ireo Singaporeana ny iantsoana azy ireo ho alika, nefa tian'izy ireo ny manao izany amin'ny hafa.
@kj_nash: @kixes Tsy ananako fitserana ireo mpampiasa izay ho tapaka fahazarana noho ny tsy maintsy handraisana ny mpiasa an-trano ho tahaka ny olona tsotra.
Nisy ireo nilaza fa manome efitra malalaka ho an'ny fanararaotana io safidy hanolo vola ny andro iray fialan-tsasatra ho an'ny mpiasa io, ary nilaza fa ny $15 – ilay sandam-bola natolotra – dia kely loatra.
@BeccaDBus: @kixes @STcom Ny sandan'ny andro fialan-tsasatra iray dia mira ireo andro rehetra niasanao hahazoana izany. Noho izany, tokony eo ho eo amin'ny $100 eo izany
@leyandrea: AHOANA NO NAHASAHIANAREO MILAZA FA TAMBY ARA-DALANA NY $15 RT @STcom:
#Maids tokony hahazo eo amin'ny $15 izy ireo isaky ny miasa amin'ny andro fialan-tsasatra
Nilaza i Eddy Blaxell fa mety hisy hatrany ny tsy fahazoana fisondrotan'ny karaman'ireo mpiasa an-trano:
Nilza ny lahatsoratra iray fa tokony hahazo 15% mihoatra ireo mpiasa an-trano, satria maro amin'ireo mpiasa an-trano no mikarama isam-bolana ary tokony haloa ambonin'ny karamany isam-bolana izany tambin-karama izany.
Nefa tsy mihatra amin'ireo fifanekena efa misy izany fiovana izany. Mihatra amin'ireo mpiasa manana famelana hiasa izay havoaka ny 1 Janoary 2013 izany. Ary tsy mbola voafaritra ny ho karaman'ireo mpiasa ireo amin'izany. Tsy misy ny sakantsakana ho an'ny mpampiasa iray izay te hanakarama mpiasa an-trano mifototra amin'ny fifanekena mitovy amin'izay. Ahenany 15% ny karaman'ilay mpiasa an-trano isam-bolana ary averiny ho toy ny tambin-karama izany. Mora loatra.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...