Ity dia lahatsoratra ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Yemen 2011.
Marobe ny olona no tohina nahita fa ilay loharanom-baovao malaza sy mba nitokisany, Reuters, dia manaràma an'i Mohammed Sudam, mpandika teny manokan'ny Filoha Ali Abdullah Saleh, sady sekreterany hatramin'ny 2009, ho toy ny solotenany mivantana sy iraka manokany ao Yemen.
Ireo Yemenita mpandefa siokantsera dia samy tezitra tamin'ity zavatra hitany ity, nametra-panontaniana amin'ny fahamendrehan'ny Reuters sady milaza fa io no manazava ny tatitra diso sy tsy mitombina momba an'i Yemen izay naparitak'ilay masoivohom-baovao, satria niankina betsaka tamin'ny famoahana tatitra nataon'ny Reuters ireny mpamoaka vaovao ireny ary tsy nanao afa-tsy ny nitanisa izay voalazany. Maro ny Yemenita no velom-panontaniana mikasika ny fandrakofam-baovao ataon'ilay masoivoho, nefa rehefa nahita ity zavatra nivoaka tsy ela ity vao nahalala ny antony.
@NajlaMo milaza hoe:
@NajlaMo: Mohammed Suddam: Sekretera & mpandika tenin'i #Saleh miasa ihany koa ho toy ny mpitatitra vaovao ho an'ny @Reuters! #ShameonReuters! (Henatra ho an'ny Reuters) Aza mba mino an'izany! !
Mangata-panazavàna i @crazyyafai:
Tianay ny hanazavan'ny #Reuters ny antony nanakaraman-dry zareo olona izay niasa tao an-dapan'ny mpanao jadona & ary matoky azy ho loharanon'ny tatitra. #ShameOnReuters @AJStream
Ary i Dima Khatib, Arabo mpanao gazety, dia nitondra fanamarihana hoe:
@Dima_Khatib: Fomba ahoana no haha-loharano azo antoka ny mpandika tenin'ny filoha ho anà masoivoho iraisam-pirenena tahaka ny @Reuters ? Raha marina, dia zava-mahamenatra loatra!
Ary tahaka ny nataon'ilay mpanolotra fandaharana avy any Emirat, @SultanAlQassemi, izay nangata-panazavàna ihany koa tamin'ny Reuters Gulf :
Raha ny fahitàna azy dia manaràma ny mpandika teny manokan'ny Filoha Saleh ao Yemen mba ho solontenany ilay @Reuters izay najaina fatratra . Afaka mitondra fanamarihana ny @ReutersGulf
@Dory_Eryani dia manome loharano avy amin'ny Arabo izay manamafy izany fanambaràna izany:
@blakehounshell @SultanAlQassemi @Reuters tsy izany fotsiny fa sekreterany koa izy hatramin'ny 2009 marebpress.net/news_details.p…
Ary dia toy izay koa no nataon'ilay mpanao gazety, Gregg Carlstrom @glcarlstrom, izay nanome rohy iray amin'ny teny Anglisy:
@blakehounshell @SultanAlQassemi Yep. Mohammad Sudam: j.mp/sk2Hmk
Mba hanehoan'izy ireo ny fahatafintohinany tamin'ity vaovao nivoaka ity, dia teo ambanin'ny tenifototra #ShameonReuters ireo mpampiasa Twitter no nandefa ny fanehoan-keviny.
Ilay Yemenita, Marwan Almuraisy, dia niarahaba ny Reuters io maraina io tamin'ity siokantsera manaraka ity:
@almuraisy: Miarahaba ny @Reuters 🙂 Dia heverinareo ve fa nitsahatra tsy nandefa siokantsera intsony mikasika ny #ShameOnReuters ny #Yemen(ita) ? Tsy mbola.
Ary izy ihany koa @almuraisy no nanambara ny famoronana ny pejy Facebook #ShameonReuters, izay noforonin'i @TahaAbdoh:
#ShameOnReuters ankehitriny dia pejy Facebook iray ao amin'ny facebook.com/#!/pages/Shame… cc : ——-> @Reuters #Yemen
Ireo bilaogera Yemenita @NajlaMo sy @Doryaleryani dia samy nanoratra lahatsoratra amin'ny teny Anglisy sy Arabo ho famasohana ny Reuters.
@NajlaMo nibitsika hoe:
te-hahafantatra hoe nahoana isika no tsy afaka hino intsony ny @Reuters? http://arabiyamuslimah.blogspot.com/2011/11/reuters-can-no-longer-be-trusted.html #shameonReuters #yemen #supportyemen #yf
Azo vakiana eto ny lahatsorany.
Ary i @Dory_Eryani manontany tena hoe (amin'ny teny Arabo):
ولما تكون رويترز في جيب الحكومة..نكلم احنا مين يا شعب بلادي المسكين ؟
Nanoratra lahatsoratra amin'ny teny Arabo ao amin'ny bilaoginy ihany koa izy eto, anehoany ny fahatafintohinany momba ny zava-misy, sy ny fahadisoam-panantenany amin'ny fandrakofana vaovao ao Yemen.
Dory manontany hoe:
Naverin'ireo mpampiasa Twitter ireo tatitra fahiny nataon'ny Reuters momba an'i Yemen mba hitsingolohana izay tsy mety sy mitongilana.
Ny tatitry ny Reuters mikasika ny zava-doza nitranga tao Taiz tamin'ny Zoma dia nanoritra fa “Raha kely indrindra dia olona 17 no maty tao anaty fifandonana mahery vaika tao amin'ny tanàna Yemenita ao Taiz tamin'ny Zoma.” Nilaza ireo mpampiaza Twitter fa io dia mifangarika tanteraka amin'izay hitan'ny mason'izao tontolo izao tany anaty lahatsary tao amin'ny YouTube izay nampiseho ny daroka baomba nataon'ny tafika avy amin'ny mpitondra tany amin'ireo faritra toeram-ponenana sy ny Kianjan'ny Fahalalahana nandritra ny fotoana fivavahana isaky ny Zoma, nahafatesana vehivavy, lehilahy sy ankizy maro..
@crazyyafai dia nivanàka nandefa siokantsera hoe :
#Reuters miteny hoe fifandonana, raha izao tontolo izao mahita fa famonoana no nisy tao #Taiz, Nahoana? Satria ny mpanao tatitra ho azy ireo dia miasa ho an'i #Saleh. #ShameOnReuters @Reuters
@Dima_Khatib nanontany am-pahatsorana ny Reuters :
Fomba ahoana no haha-loharano azo antoka ny mpandika tenin'ny filoha ho anà masoivoho iraisam-pirenena tahaka ny @Reuters ? Raha marina, dia zava-mahamenatra loatra! !
Ary i @samwaddah dia nandefa siokantsera nahatsikaiky:
Mba manam-bintana ilay mpanome tatitra ho an'ny Reuters ao #Yemen fa mandray karama in-2! Avy amin'i #Saleh amin'ny fandisoana ny vaovao & ary iray hafa avy amin'ny Reuters noho ny famoahana izany! #ShameOnReuters.
Ity dia lahatsoratra ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Yemen 2011.