Thailandy: firoborobon'ny Pub Peab sy ny Planking

Tamin'ny voalohany, nisy aloha ny planking na lalao matory mitsongoloka izay nanana ny fotoana nampalaza azy vetivety tany Thailandy. Olomalaza, mpanao fihetsiketsehana, sy mpanao politika dia samy namoaka ny sariny mi-planking avokoa. Nisy ny pejy Facebook Bangkok Planking Community najoro ahafahan'ny olo-tsotra mametraka ny sariny manao planking any amin'ny toerana tsy mahazatra.

Ao amin'ny pejy Facebook printsesy OftheMoon YathAkira

Saingy niteraka resabe an-tserasera ny fisiana sarin'olona iray manao fiakanjona moanina namoaka sary mihohoka ihany koa. Misy aza ny fanomezana vola ho an'izay afaka mampahalala io olona io.

Ao amin'ny pejy yfrog an'ny CrimeWatchCH

Nanambara ihany koa ny Ivotoerana Manaramaso ny Kolontsaina fa ‘mahadikidiky’ ny fakana sary planking miboridana. Mitsipaka izany filazana izany i Saksith Saiyasombut

Well, well – “inappropriate”, again! Of course such a thing is not meant to be ‘constructive’, it’s a nonsensical gag just for laughs or ‘for the lolz’, as the kids today might say it.

Instead of just keeping quiet and wait until it fades out (and today’s internet memes die out fast), the self-proclaimed cultural heralds make a huge fuss about it. How about this for the next time, be a good role-model and not make a knee-jerk rant about protecting whatever you think is appropriate. Just ‘go with the lulz’ for once!

Eny ary, eny ary – “mahadikidiky”, indray! Mazava loatra fa tsy “mampiorina” ny zavatra tahaka itony, resaka kivazivazy natao hihomehezana na ‘ho amin'ny tpt’, tahaka izay mety ilazan'ny ankizy azy.

Raha tokony hangina sy hiandry ny fahalazoany (sady vetivety dia malazo rahateo ny lamaody amin'ny aterineto), dia mierongerona momba azy ity ny mpitono-tena ho mpiandry ny kolontsaina. Amin'ny manaraka, raha mba manome ohatra tsara ianareo fa tsy mieritreritra mikobakobana amin'ny fiarovana izay heverinareo ho mety. Mbà ‘mi-tpt’ tsindraindray

Saingy nisy nahasarona vetivety tamin'ny alalana firoboroboana hafa ny planking: Pub Peab. Lazaina hoe planking amin'ny fomba Thai izay fipetrahana amin'ny endriny mandohalika.

Mihoatra ny 200.339 ny mpitia ny pejy Facebook-ny. Manana kaonty twitter ihany koa.

Na ny mpitondra fanjakana aza dia manohana ny firoborobon'ny ‘Pub Peab’ noho ny fanasongadinany ny kolontsaina Thai.

Ao amin'ny pejy Facebook NuAe Pichaya

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.