Ejypta : Famakafakana ny vitan'ny Twitter eny an-kianja

Raha toa ka misy ny sehatra iray nahatonga ny Revolisiona ejipsiana  “ho fanokafana ny maso” eo amin'ny resaka valantserasera, dia tokony ho ny nahatonga ireo Ejypsiana an'arivony niditra ny tranokalan'ny siokantsera Twitter.

Tao anatin'ny telo volana mahery izay dia nandroso dia nandroso ny tontolon'ny Twitter ejipsiana, tsy amin'ny habetsahany ihany fa amin'ny votoatin-kevitra sy ny fiovaovan-kevitra ihany koa; ny fiandohan'ilay fikambanana tsotra tsy nisehoseho teo aloha, nanjary nivelatra haingana  dia haingana ho kianjan'ny sosialy sy politika mampientanentana, izay iresahana ny rehetra tsy misy fadifady na sakantsakana mihitsy

Avy amin'iray amin'ireo bilaogera sy mpitsiokantsera malaza ao Ejipta, Alaa Abd El Fattah [teny arabo] (@alaa) ny aingam-panahy amin'izany adihevitra izany mba hitondrana ny tsara indrindra amin'ireo tontolo roa ireo: Twitter sy ny kianjan'i Tahrir.

Tweet Nadwa no vokatr'izany, karazana seminera mitovy amin'ny famoriam-bahoaka, nofaritan'i Abd El Fattah tao amin'ny lahatsoratra bilaogy mitondra ny lohateny hoe “Ny mitovy no tafaraka”.

Natao tao amin'ny Foiben'ny Fanohanana ny Fandrosoana ao Kairo, faritra mpanankarena ao amin'ny distrikan'i Dolki  ny fivoriana ny 12 jona 2011. Ny lohahevitra tamin'ny adihevitra voalohany dia: ny islamista.

Efa niteraka resabe sahady tao amin'ny Twitter  ny adihevitra mikasika ny islamista, ny amin'ny fomba fahitana azy ireo eo anivon'ny fiarahamonina ejypsiana sy ny fomba fahitan'izy ireo ny sivily sy ny demokraty taorian'ny revolisiona Ejipsiana. Rariny araka izany raha nanapa-kevitra nanasa islamista vitsivitsy fanta-daza ao amin'ny Twitter i Abd El Fattah mba hampy kokoa ny adihevitra.

Anisan'ny mpandray anjara i Ibrahim Houdaiby, mpiaramiasa mpanoratra ao amin'ny Guardian no sady zafindohalik'i Hassan Houdaiby, Jeneraly Mpitantana faharoa an'ireo Mpirahalahy Miozolomana , tao koa ny mpanao gazety Abdel Moneim Mahmoud sy i Ahmed Samir, mpikambana taloha tao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana ny voalohany raha toa ka mbola mpikambana mavitrika ao ilay faharoa hatramin'izao.

Nandritra ny adiny telo mahery, niady hevitra momba ny  fifandraisany amin'ny Mpirahalahy Miozolomana, sy ny vina ara-toekarena an'i Ejypta avy amin'ny fomba fijery islamista ankoatra ny lohahevitra somary manahirankirana momba ny fahafahan'ny olo-tsotra raha ny Mpirahalahy Miozolomana no mitondra an'i Ejipta.

Araka ny fanao mahazatra amin'ny adihevitra atao ao amin'ny Twitter, dia manana 140 segondra avy ireo mpandray fitenenana hamaly ny fanontaniana tsirairay (mampahatsiahy ny tarehintsoratra 140 isaky ny hafatra alefa amin'ny Twitter) ary mba iàlana amin'ny fitehafana ireo mpandray fitenenana, dia manofahofan-tanana fotsiny ny mpandray anjara ho solon'ny RT.  Nohafanaina tamin'ny alalan'ny fijerena fahitalavitra lehibe mampiseho ny pejin'ny Twitter napetraka ho an'ny “Tweet Nadwa” izay ahitana ny sary sy horonantsary farany mandritra ny fivoriana koa ny efitrano izay feno hipoka.

Marobe ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny mpandray anjara mikasika ny fivoriana tahaka an'i Hussein Adel Fahmy mpampiasa tweet izay nilaza hoe :

#tweetnadwa zava-baovao ary fisantarana tena tsara. Ny hevitro dia tsy tokony hanohitra ny rafitra momba ny soram-piankohonana ny foto-kevitry ny islamika ao Ejypta.

 

Alaa Abd El Fattah at the Tweet Nadwa. Picture by Dr Mostafa Hussein.

Alaa Abd El Fattah ao min'ny Tweet Nadwa. Sary avy amin'ny Dr Mostafa Hussein.

Nidera ny fahaizan'i Abdel Fattah  ho toy ny mpandrindra ny fivoriana i Dr Moustafa Hussein ary namoaka sarin'ny Nadwa.

Fandraisana anjara lehibe tamin'ny #tweetnadwa @alaa, hery lehibe ho an'ny vondrona izany http://twitpic.com/5arcqj

Ary ilay mpampiasa Tweet  Mai Zeiny namehy fa :

#tweetnadwa fahombiazana lehibe, niverina ny aingam-panahy tahrir. Fahasamihafan'ny mpandray anjara, adihevitra mahafinaritra! Misaotra @alaa @manal sy ny rehetra

Abdel Fattah nanamafy fa mbola hisy ny fihodinana faharoa amin'ny adihevitra atao mitovy amin'ny Twitter :

Nahafinaritra ny #tweetnadwa misaotra ny mpiara-miasa rehetra, tsy manana aterineto aho amin'izao fotoana izao fa amin'ny manaraka miadihevitra

Mialoha ny hiverenana ao anatin'ny tontolon'ny eritreritra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.