Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

18 Jona 2011

Tantara tamin'ny 18 Jona 2011

Malawi: Miserasera ao amin'ny Facebook ny mpitondra fiara mba ahitana solika ho vidiana.

Mampiasa Facebook ny mpitondra fiara ao Malawi mba hifampizara vaovao momba ny vidin-tsolika sy ny tahirin-tsolika  eny amin'ny tobi-dasantsy mba ahafahany mividy sy mameno ny fitoeran-tsolika amin'ny fiara. Maherin'ny 180 ireo mpikambana ao amin'ny Facebook no mifampizara vaovao, antsoina hoe Malawi Fuel Watch ny fikambanana: Mbola mitohy ny tsy fisian'ny solika...

Moldavia: +1 Vote Fampielezan-kevitra Miroborobo Alohan'ny Fifidianana Ben'ny Tanàna

Hiatrika ny fampiharana demokrasia hafa indray ny renivohitr'i Moldavia, Chisinau amin'ny Alahady 19 jona, ka ho hita eo ny lany amin'ny fihodinana farany amin'ny fifidianana ben'ny tanàna ao an-toerana na ny liberaly na ny komonista . Naparitaky ny vondrona bilaogera ny fampielezan-kevitra an-tserasera 1 Vote mba hanentanana ireo tanora handeha hifidy, tsy misy ifandraisana amin'ny...

Ejypta : Famakafakana ny vitan'ny Twitter eny an-kianja

Raha toa ka misy ny sehatra iray nahatonga ny Revolisiona ejipsiana  “ho fanokafana ny maso” eo amin'ny resaka valantserasera, dia tokony ho ny nahatonga ireo Ejypsiana an'arivony niditra ny tranokalan'ny siokantsera Twitter. Tao anatin'ny telo volana mahery izay dia nandroso dia nandroso ny tontolon'ny Twitter ejipsiana, tsy amin'ny habetsahany ihany fa amin'ny votoatin-kevitra...

Singapora : Fanentanana “Vonjeo ny tontolon'ny feso mampalahelo”

Feso dimy amby roapolo no nosamborina amin'ny maha dia azy ireo ka nogadraina ao amina toeram-pilalaovana sy fikarakaram-batana iray. Nanao hetsika fanangona-tsonia ny mpisera sy ny mpitia biby hamela malalaka ireo biby ireo.