Moldavia: Liga Islamica sy ny Fandeferana ara-Pinoana (misy fetra)
Ny Liga Islamica dia voasoratra tamin'ny fomba ofisialy tany am-piandohan'ity lohataona ity tao Moldavia [en], rehefa nisedra fandàvana nandritra ny taona maro. [Amin'ny teny Romana daholo ny rohy raha tsy misy fanamarihana manokana]
Ny vondrom-piarahamonina Silamo ao Moldavia dia vitsivitsy ihany, heverina ho eo amin'ny 17.000 eo ho eo ao anatinà olona efa ho 4 tapitrisa. Manodidina ny 95 isan-jaton'ny vahoaka Moldavy dia Kristiana Ortodoksa avokoa ary, araka ny fanisàna farany (May 2011), 82 isan-jatony amin'ny mponina no matoky tanteraka ny fiangonana (fampitahàna: ny tafika – 50 %; ny manampahefana ao an-toerana – 47%; ny governemanta – 23%).
Ny Fiangonana ortodoksa ao Moldavia dia niangavy ny governemanta hanaisotra io fanapahan-keviny io ary hamerina handinika ny lalàna mifehy ny resaka finoana (Legea cultelor), hakàna mialoha koa ny hevitry ny vahoaka. Samihafa be ihany ny fanehoan-kevitra, avy amin'ireo mpanao politika izay milaza fa ny fanoratana ho ara-dalàna ny Ligy dia “fitenenan-dratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fivavahana” ary “mety hitondra fahavoazana ho an'ny fiarahamonina,” ho an'ireo pretra manondro azy io ho “fikorosian'ny fivavahana ofisialy” ary “henatra ho an'ireo mpino ortodoksa ao Moldavia“, ho an'ireo mpino nanao hetsi-panoherana nitondra lakolosy sy hazofijaliana nitandrozotra namakivaky ny afovoan-tananan'i Chişinău, renivohitra Moldavy, naneho ny tsy hafalian-dry zareo (ato ny sary ), nifarana tamin'ny fanomezan-toky ny amin'ny hijereny akaiky ilay olana avy amin'ny praiministra.
Nicu Popescu, bilaogera, dia tonga amin'ny fanomezana tohankevitra hanoherana ny “filazana diso be” izay naely tao anatin'ity fifamalian-dresaka ity.
Tohankevitra diso 1: “Mba misy fiangonana firy moa any Arabia Saodita koa nahoana isika no tsy tsy maintsy hanome alalana ny maoske aty Moldavia”
Hoy izy:
Tsy tiako mihitsy hianatra an'i Arabia Saodita na amin'ny lafiny inona na lafiny inona i Moldavia. Ny tadiaviko dia ny mba hahafahan'ny vehivavy eto Moldavia mamily fiara, mivoaka ny trano, ary ny fanjakana tsy hifangaro amin'ny fiangonana. Izay olona rehetra te-haka tahaka an'i Arabia Saodita dia olona tsy mikatsaka velively izay tsara ho an'ity firenena ity.
Ireo vondrom-piarahamonina Kristianina ao Siria sy Ejipta no nataony ho ohatra, izay eo amin'ny 10% eo amin'ny mponina any no Kristianina ary miasa tsy misy sakana ny fiangonana:
Mampalahelko fa tafakatra avo ny tsy fahaiza-mandefitra ara-pinoana ananan'ny vahoaka Moldavy mitaha amin'ny manampahefana Siriana sy Ejiptiana – fanjakana tsy refesi-mandidy, izay tato anatin'ny volana vitsy dia namono ny vahoakany ihany, saingy andanin'izay dia mankato ihany koa ny finoana kristianina ary niaro ny fiangonana tamin'ny vanimpotoana samihafa nanoloana ireo fanafihan'ireo Silamo mahery fihetsika.
Tohankevitra diso 2: “Tsy mifanaraka amin'ny tantara sy ny fomban-drazana eto amin'ity firenena ity mihitsy ny fivavahana Silamo, ary ny ankamaroan'ny Kristiana dia manohitra ny fankatoavana azy io (?)”
Tsy iombonako hevitra izany. Inoako fa tokony hanaja ny vitsy an'isa ara-pinoana i Moldavia, tafiditra anatin'izany ny Silamo; ary ny fanjakana tsy Kristiana toa an'i Siria na Sina dia tokony hanaja ny zon'ireo Kristiana vitsy an'isa.
Tohankevitra diso 3: “Silamo sy Fampihorohoroana”
Aoka isika tsy hivazivazy. Tena misy olona mihevitra ve fa ny mpifikitra fatratra amin'ny fivavahana Silamo dia mila fanoratana ara-panjakana mba hahafahany manao asa fampihorohoroana? Sahala amin'ny hoe nanandrana ny hanoratra ara-panjakana ny trano fivavahany tany Etazonia ery i Bin Laden talohan'ny 11 Septambra. Vendrana.
Ary ny fifandraisan'ny finoana sy ny asa fampihorohoroana/tsy fandeferana dia tena zava-tsarotra. Ny any Afovoany Atsinanana dia faritra sarotra tokoa izay ahitàna ny vondrom-piarahamonina rehetra izay samy nanao zava-doza avokoa– Silamo, Jiosy, Kristiana.
Tohankevitra diso 4: “Stefan cel Mare [en] sy ireo razambentsika dia niady nanohitra ny Silamo/Tiorka, ary tsy ho isika ankehitriny no hamela azy ireo hanao izay haha-ara-dalàna ny finoan-dry zareo”
Tsy dia mitombina loatra ilay tohankevitra ara-tantara. Ary raha niady tamin'i Rosia i Moldavia, dia ho nandràra ny fiangonana Rosiana koa ve isika ?”
Popescu mamintina hoe:
Mila miady amin'ireo hevitra voizin'ny finoana hafa ny fiangonana ao Moldavia hanaporofoany fa izy no mendrika, akaiky indrindra ny vahoaka, manana pretra manam-pahaizana, nahita fianarana kokoa sy lavitry ny kolikoly, sns., ary tsy amin'ny fanaovana tsindry be fahatany amin'ny fanjakana Moldavy, izay tokony hitoetra ho tsy miandany amin'ny resaka finoana.
Bilaogera iray hafa, i Vlad Cubreacov, no mitondra ho ao anatin'ny fifanakalozan-dresaka ny hevitra hoe ny fanosehana ny Silamo ho ivelan'ny lalàna dia mitondra mankany amin'ny fifanenjanana ara-pinoana eto amin'ny firenena, nefa koa mety hitarika any amin'ny fifanolanana amin'ireo mpiara-miasa avy any ivelany:
Efa fantatra amin'ny ankapobeny fa ny firenena toa an'i Israely, ny Federasiona Rosiana, Armenia na Azerbaidjan dia mora tohina amin'ny fomba fitondràna an'ireo vitsy an'isa avy any aminy tonga any amin'ny firenen-kafa. Azontsika eritreretina fa ny fanafoanana ny fanoratana araka ny lalàna ny Ligy Islamika ao Moldavia dia hiteraka olana eo amin'ny fifandraisan'i Chisinau sy Baku na Mosko.
Cubreacov mamintina:
Resy lahatra izahay fa ny vondrom-piarahamonina Silamo iray voafehy anaty faritry ny lalàna sy ampidirina ho ao anaty fiaraha-monina dia tsara kokoa raha ampitahaina amin'ny iray hafa atosika ho any ivelany hanao ny ataony fotsiny any, lasibatra marefo ho an'ireo Silamo mahery fihetsika.
Tsy arak'i Vlada Ciobanu :
Nahoana no feno Moldavy maro any ivelany, ary fiangonana sy pretra Ortodoksa maro afaka manao ny asany manerana izao tontolo izao, inona no ilàntsika manao diabe hilanja sary sy hazofijaliana ka tsy hamela ny olona hafa hisitraka ny fahalalahany.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...