Nanala azy ny mpisiokantsera tamin'ny fampiasana ny tenifototra #AntonynahataraaniSaleh teo am-piandrasana ny kabarin'ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh, izay nanaraka ny tatitra fa naratra tao amin'ny Lapam-panjakana izay nisy nanafika maraina tao Sanaa.
Efa nilalao tenifototra mitovitovy aminy ny mpisiokantsera raha nahemotra ny kabarin'ny filoha Ejipsiana Hosni Mubarak – #AntonynahataraaniMubarak
Nanoratra i Ibn Adem:
#AntonynahataraaniSaleh mbola eo am-pikarakarana ny tarehiny naratra ny mpanakanto mpanolokolo ny tarehiny.
Naneso i Marwa_G_H:
Ny Qat dia zavamahadomelina mpanaitaitra, izay olona maro any Yemen, indrindra ny any Avaratra no miankina aminy. Ny fanadihadiana natao no naneho fa any Yemen, 80 isanjaton'ny lehilahy sy 45 isanjaton'ny vehivavy no fantatra fa mpampiasa qat, izay mitsakotsako azy isan'andro mandritra ny fotoana maharitra amin'ny fiainany.
Any amin'ny siokantsera hafa no marihany:
#ReasonsSalehIsLate he's dead…. waiting for the duplicate to arrive #Yemen
#Antony nahataraaniSaleh dia maty izy…. miandry ny mitovy aminy ho tonga #Yemen
@Logicker dia nanatsonga ny fomba fihevitra ka niteny hoe:
#ReasonsSalehIsLate emulating #Mubarak, in real life and in terms of Twitter hashtags 😉
Ary nampiany:
#ReasonsSalehIsLate playing hard-to-get like most other #Arab dictators.