Ny 6 aprily, mpiasa ao amin'ny sampana polisin'ny Repoblikan'i Mozambika – Hery Vonjy Taitra ( Force d'Intervention Rapide) – no nampiasa herisetra mba handrava ny fihetsiketseham-panorenana nataon'ireo mpiasa amina orinasa momba ny Fiarovana olo-tsotra Group Four Security (G4S).
Toa hita fa ny G4S dia nampidina ny karaman'ireo mpiasany, ary mitaraina izy ireo ankehitriny noho ny faharatsian'ny toe-draharaha nanomboka ny volana jona 2010. Tamin'ny fihetsiketsehana, nitaky ny karamany izay efa nahenan'ny mpampiasany tsy ara-drariny ireo mpiasa, ary koa nitaky ny tambim-pialan-tsasatra sy ora fanampiny iasana .

Sary mipoitra voalohany amin'ny horonantsary mampiseho ny firotsahan'ny FIR an-tsehatra feno herisetra, afaka jerena ao amin'ny Youtube navoakan'i verdadetruth.
Ao amin'ny Facebook, nanambara ilay mpahay lalàna Hbro Chipas fa tsy ara-dalàna ny fihetsikehana ataon'ireo mpiasa, satria tsy nanaja ny sori-dalana “voalazan'ny lalàna”. M. Chipas nandinika ny toe-draharaha, izay nilaza fa misy “fahitana roa” [amin'ny teny portiogey] manoloana ny zava-misy :
a da violência gratuita protagonizada pelos agentes da FIR, e a outra, os estragos perpetrados pelos seguranças
Tamin'ny resadresaka tao amin'ny Facebookn'ny gazety @Verdade, nanamafy ny fahitan'i Chipas ilay mpaka-sary Hugo Costa.
Uns acham que “fazer greve” significa que têm o direito de agir como selvagens e vandalizarem tudo o que encontram pela frente destruindo propriedade privada e agredindo quem não tem nada a ver com o que reivindicam; e os outros acham que “intervenção policial” significa ter luz verde para demonstrações de violência gratuita e abuso de autoridade gozando de plena imunidade!!
Tsy misy ifandraisany amin'ireo “fahitana roa ireo”, tsikaritr'i Chipas ny fihetsika feno herisetra ataon'ireo polisy amin'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nanampy izy hoe:
espero que as autoridades competentes nao fiquem impávidas e serenas perante essa situação deveras chocante. Aquele senhor nao constituía nenhum perigo futuro nem iminente, não fornecendo qualquer tipo de resistência.
Tao amin'ny horonantsarin'ny TVM, hita ny famaizana arahina herisetra ataon'ireo Hery Vonjy Taitra izay namono ny mpiambina ny G4S nefa efa tsy mihetsika sy nampidirina tao anatin'ny fiaran'ireo polisy.
Nampiseho fihetseham-po feno hakiviana ny horonantsary tao amin'ny valan-tserasera, ary indrindra tamin'ny Facebook izay Mozambikana marobe sy vahiny no nampiseho ny alahelony manoloana ny herisetra toy izao.
Tononina ny fanambaran'ny [pdf] Liga Moçambicana de Direitos Humanos (LDH) [Fikambanana miaro ny Zon'olombelona] – izay mitaky ny anaovana fanadihadina ho an'izay tompon'andraikitra tamin'ny loza sy ny fandroahana ny lehiben'ny Hery Vonjy Taitra, ny jeneraly Binda – nanoratra ilay psykology Linette Olofsson hoe:
inaceitável num Estado de Direito! Faz-me lembrar dos tempos da ditadura em Moçambique, 1975-1994 onde não se respeitava os Direitos Humanos; (ainda hoje são violados com se vê) O comandante da FIR deve ser demitido imediatamente. Segundo a LDH, este mesmo Comandante fez estragos na Província de Nampula. O nosso Estado ainda é dominado por militaristas camuflados de democratas! São horríveis estas cenas.

"Ny polisy no atahoran-ny olona kokoa noho ny mpamono olona", tatitra nataon-ny Amnesty International "Afaka mamono – Mangataka zavatra amin-ireo polisy ao Mozambika" (2008) .pdf
Ao Mozambique, tsy misy zava-baovao ireo herisetra vitan'ny polisy izay nandrasana ny fametrahana ny filaminana ara-dalàna, araka ny voamarin'ny tatitra navoakan'ny Amnesty International tamin'ny taona 2008 – Zo hamono olona. Herintaona taty aoriana, tamin'ny 2009, tatitra hafa an'ny Amnesty – “Tsy mino ny fitsarana intsony aho” (Já não acredito na Justiça [amin'ny teny portiogey sy teny anglisy])- nilazalaza ny amin'ireo karazana “tranga famonoan'olona vitan'ny polisy tao Mozambika”.
Toe-draharaha mitovy ny nahazo ireo mpiasa tao amin'ny G4S koa no niseho tamin'ny volana aprily 2009, raha nitifitra ireo mpanao fihetsikitsehana tao amin'ny tranobe ireo polisy [amin'ny teny portiogey].
Toy izany koa tamin'ny fikomiam-bahoaka ny 1 sy 2 septembra 2010 (jereo ny lahatsoratra de Global Voices) nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehena ny polisy, namono olona 11, araka ny tatitra [amin'ny teny portiogey] nataon'ny Foiben'ny Fitsinjovana ny Vahoaka (Intégrité Publique).
Ofélia Macie, mpianatra, nilaza hoe:
Estes polícias pensam que podem fazer o que quiserem e nada é feito por eles…eu pessoalmente ja vi 2 polícias em Tete agora em fevereiro batendo em dois miudos dos seus 12 e 13 anos de idade so porque não tinham BI, aí sairam chapadas, murros, pontapés e ate bateram-lhes com a própria AKM, quando viram que os miudos ja estavam a sangrar levaram-nos para a 1ª Esquadra… eu pergunto eles estao para proteger, fazer justiça? ou para pôr terror a população?? E estes da FIR são os piores selvagens!!
Nandritra ny firotsahan'ny polisy manohitra ireo mpiasan'ny G4S, mpanohitra 24 no notanana ary notazonina am-ponja tao amin'ny distrika faha-18 ny polisy. Vaovao tsy voamarina no nanambara fa mpiasa tao amin'ny G4S no namoy ny ainy noho ny herisetra niaretany nandritra ny firotsahan'ny polisy. Amin'izao fotoana izao, ireo mpiasan'ny FIR rehetra dia mbola hita mirehareha eny hatrany.
Mahakasika ny fahafatesan'ilay mpiambina ny orinasa, niantso fanentanana tao amin'ny Facebook i Inusso Mario Jojo Mutambe
toda G4S a nível nacional deveria fazer uma marcha contre la FIR
Naneho ny fahatezerany i Celso Miguel mpahay serasera sy varotra
até quando teremos de viver com essas impunidades??? uma vida se foi, uma mulher ficou viúva, crianças ficaram sem pai, o país perdeu um cidadão… esses polícias se esquecem que os impostos que aquele indivíduo descontava, todo santo mês, servia também para pagar o salário dele??? nunca soube! sinceramente, quem se responsabiliza????? QUEM????… é revoltante ver uma coisa destas acontecer no nosso país!!!! Quem nos devia defender é quem nos mata!!!!
Araka an'i Ivone Gonçalves, misy “sakantsakana marobe” amin'ny fampiharana ny zon'ny olombelona ao Mozambika. Tsy manantena na inona na inona raha resaka fitsarana, hoy izy nalahelo :
Infelizmente o Ministro do Interior nada vai fazer para punir os agressores e como sempre vão ficar impunes porque não existe justiça no nosso País. A justiça só funciona para o ladrão de galinha!
Ho fehin'izany, Boa Matule niantso ny firaisankina hanoherana ny fampitahorana :
Isto é resultado de uma força politizada e cujo único objectivo é intimidar as pessoas! Mas a verdade é que nós somos maiores que eles! Unidos podemos revolutionar Moz [Moçambique].