Hong Kong : Koropaka fa tsy ampy ny vovo-dronono ho an-jazakely

Nanomboka ny volana desambra 2010, niatrika ny tsy fahampian'ny ronono vovony ho an-jazakely i Hong Kong noho ireo mpividy avy any Shina  mividy rononon-jaza betsaka ao Hong Kong ary manangona izany mba hampiasaina rehefa tsy miasa amin'ny Taombaovao Shinoa.

Nangataka fanadihadina avy amin'ny governemanta ny ray aman-dreny hongkongais, nanolo-kevitra izy ireo amin'ny fametrahana haba amin'ny fanondranana ronono vovony mba hanakanana ireo mpanao trafika izay mitatitra ny ronono hovarotany any ivelan'ny sisintany.

Both Hong Kong and Chinese parents want safe baby milk formula powder. Image by Flickr user k.Akagami.

Ny ray aman-dreny rehetra ao na Hong Kong na ao Shina kaontinantaly, maniry ronono vovony madio ho an-jazakely. Sarin'i Flickr k.Akagami.

Fanafintohinana sy trafika

Efa nanomboka tamin'ny  raharaha momba ny ronono voapozina tamin'ny mélanine[amin'ny teny anglisy]tamin'ny taona 2008 ny antony lehibe nahatonga ny tsy fahampian'ny ronono vovony. Nanomboka hatreo, nipoitra matetika tao Shina ny raharaha manodidina ny fiarovana ny ronono.

Ohatra vao haingana ny nahitana  taha-pitomboan'ny tsiri-panentana (hormone) ao anaty rononon-jazakely [amin'ny teny frantsay] tamin'ny taona 2010 ary ny raharaha tamin'ny volana febroary taona 2011 momba ny  fifindran'ny akora-dronono amin'ny taharo shimika mampisy homamiadana ampiasaina amin'ny fitsaboana hoditra [amin'ny teny anglisy].

Mba hiarovana ny zaza amin'ny ronono voapozina, dia mividy ronono vovony vita avy any ivelany amin'ny fomba rehetra azo atao  ireo Shinoa saranga antonony ao  Shina kaontinantaly. Misy ireo misafidy handeha ho an'i Hong Kong mihitsy mba hividy vokatra avy amin'ny ronono ho an-jazakely.

Manararaotra izany ireo mpanao trafika mba hitadiavany tombony ka mikarakara mafy ny fandefasana ireo ronono vovony eny ampitan'ny sisintany amin'ny alalan'ny “mpandeha matihanina” mba hivarotra izany indray. Nitatitra ireo haino aman-jery fa ireo mpividy ronono ao Shina kaontinantaly dia mandoa 50HKD [4,6 euros] fanampiny isaky ny ronono amin'ny boaty iray.

Fihetsem-pon'ireo ray aman-dreny hongkongey

Manoloana ny tsy fahampian'ny rononon-jaza, nanao fanangonan-tsonia ireo ray aman-dreny efa tezitra ao Hong Kong ary niantso mba hampiharina amin'ny volana janoary 2011 ny fampidirana haba amin'ny fivoahan'ny ronono vovony ho an-jazakely. fionali3721 [amin'nyteny shinoa] no mpanentana momba ny fanangonan-tsonia ao amin'ny takelaka fiadian-kevitra Baby Kingdom [ny fanjakan'ny zazakely]:

自發BK.member聯合要求政府開徵奶粉離境稅,希望引起有關人仕關注。支持者請入來留言。註明(我支持。)

每名香港離境往中國大陸人仕,只可携帶壹罐,必須已經打開食用過之任何品牌嬰幼兒奶粉 。否則嚴格徵收10倍罰則。相信有效打擊水貨分子危害香港穩定。同時嚴厲打擊現時猖狂的走私者。因為他們正在加速令到我們香港之物價提高。造成我們正在香港生活的市民百上加斤。

以群眾力量,換取BABY權益。

Nanery ny governemanta koa ireo mpikambana ao amin'ny takelaka fiadian-kevitra BK mba hametraka haba amin'ny fivoahan'ny ronono vovony any ivelany. Te hanaitra ireo mponina ihany koa izahay amin'io olàna io. Ireo olona izay te-hanohana anay, mamelà hafatra, azafady, ary asio teny hoe “manohana aho”.

Tokony omena alalana hitondra ronono vovony iray boaty fotsiny ireo olona tsirairay mandao an'i [Hong Kong] ho any Shina kaontinantaly, ary tokony efa voatomboka ny boaty. Raha tsy izany, tokony mandoa lamandy avo folo heny [ny sandan'ny ronono vovony]. Mino izahay fa izany fepetra izany dia mety hahakivy ireo mpanao trafika ary hampiverina amin'ny laoniny indray ny famatsiana ny ronono vovony ao Hong Kong. Niteraka  fiakaram-bidin-javatra ireo mpanao trafika (ny vidin'ny rononon-jaza) ao Hong Kong, mbola miampy ny andraikitra fanampiny amin'ny fandaniana isan'andro ny mponina ao Hong Kong.

Manan-jo hiaro ny zon'ny ZAZAKELY ny vahoaka.

Etsy andaniny, mahatsiaro tsy manana hery sy malahelo ireo ray aman-dreny ao Hongkong manoloana ny tsy fahampian'ny ronono, etsy ankilany, mahatsapa fiaraha-miory amin”ireo mitovy miny ao Shina kaontinantaly koa izy ireo izay voa mafy amin'ny tsy fandraisan'andraikitry ny governemanta. XsQsMe ao amin'ny serasera fiadian-kevitra Review33 nitsikera :

“我們很同情中國的父母,
但是也擔心由此影響到我們的正常生活。真的很痛

有個咁嘅政權,我都好心痛。千憶攪奧運又得,千憶攪神七神八又得,假蛋、sophone又造到,養多幾隻乳牛生產牛奶就唔得,由得自己國家嘅BB自生自滅,所以第三世界永遠都係第三世界!

Miray fo amin'ireo ray aman-dreny ao an-tanibe [kaontinantaly] izahay, nefa koa miahiahy ihany sao misy fiantraikany amin'ny fiainanay izany. Safidy roa mahasanganehana izany.

Mampalahelo izay tsy izy ny miaina eo ambanin'izany rafitra politika izany: mandany vola amina miliara ho an'ny lalao olaimpika sy ny tetikasa [sinoa nasionaly] ho an'ny habakabaka, mamokatra akora tsy izy ,  atody namboarina tamin'ny SoPhone (nifototra tamin'ny iPhone) , nefa tsy nahomby ny fiompiana omby mba [ hamokatra] ronono ka mamela ny zanany hijaly. Ny firenena an-dalam-pandrosoana dia hijanona foana ho firenena an-dalam-pandrosoana !

Valintenin'ireo ray aman-dreny ao Shina kaontinantaly

Fantatra fa ny ronono dia vokatra ilain'ny zazakely isan'andro, manohy mizara vaovao sy paikady amin'ny fomba hividianana ronono madio ho an'ny zaza ny ray aman-dreny ao Shina kaontinantaly . Green tea Chestnut Cake ao Guangzhou Moms dia nampandre ireo mpamaky gazety amin'ny fametrahana ny anjara fividianana ronono ao Hong Kong sy Macau:

今日的报纸新闻都在说啦,香港澳门限购奶粉了,不过说开征奶粉税应该就是不可能的事情,大家还是可以去买奶粉的,不过大家要注意哪里能买多少罐啊!

听说明治在广州这边也断货了,美赞臣跟美素也有一些断货,不过说是下周美素所有阶段的都会有货啦

Nitatitra ny fahalalam-baovao androany fa eo am-pametrahana ny fetra amin'ny fividianana ronono vovony i Hong Kong sy i Macau! Tsy safidy mahomby ny haba alaina amin'ny ronono vovony. Mbola afaka mividy ronono vovony isika eny amin'ny ampitantsisintany, fa tokony hitandrina fotsiny amin'ny habetsahany !

Nahare aho fa ny marika Meiji dia efa tsy misy intsony koa eto amin'ny fokontany, voafetra ny famatsiana [ireo marika] Meadjohnson sy Friso, soa ihany fa hanana tahiry vaovao i Friso amin'ny herinandro ho avy.

Manambara ny ahiahiny i Wenxi Mom :

我们真可怜, 拿着血汗钱想给孩子买点安全的东西还买不到

Indrisy, tsy afaka mampiasa ny vola azonay izahay mba hividianana vokatra madio sy mahasalama ho an'ny ankizy.

Nampanantena ny hampitombina ny famatsiana ny ronono vovony ho an-jazakely ny  governemanta ao Hong Kong, fa mihamafy ny fifamaliana eo amin'ny ray aman-dreny ao Shina kaontinantaly sy ao Hong Kong.

Ny herinandro lasa, tamin'ny 9 martsa 2011, olona dimy -telo avy any Shina kontinantaly ary roa avy any Hong Kong – no  voasambotra noho ny ady momba ny ronono vovony ao Hong Kong .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.