Nafana ny andro Alatsinainy 14 martsa tao Côte d'Ivoire ary koa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tontolon'ny Twitter. Any Abidjan, taorian'ny herisetra tao amin'ny faritra Abobo tamin'ity herinandro ity, taitra tamin'ny torimasony ny Ivoarinina noho ny tifitra kalachnikov sy fitaovampiadina lehibe tao amin'ny faritra Yopougon, mandatehezan'i Laurent Gbagbo, filoha teo aloha [araka ny filazan'ny mpanoratra]. Nanomboka ny fifandonana tao amin'ny faritr'i Andokoi izay misy ny trano fonenan'ny Général de Corps d'Armée Philippe Mangou , Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika (CEMA) notendren'i Laurent Gbagbo. Nahatonga adihevitra lehibe momba ny Jeneraly izany toe-javatra izany. Tao anatin'ny andro vitsivitsy, nitombo ny resabe tany Abidjan momba an'i Philippe Mangou ao anatin'ny krizy. Ny hafa milaza azy nitsoaka nankao amin'ny 43ème BIMA, ny hafa milaza fa ao amin'ny masoivohon'i Canada ao Abidjan.
Nanamafy izany ny tranonkala ConnectionIvoirienne raha nanambara ny Twitter hoe:
Côte d’Ivoire, i Mangou sady tsy nandeha niasa any amin'ny toby no tsy ao amin'ny Etamazaoro, mimenomenona ny miaramila: Taorian'ny fanamarihana…http://bit.ly/dOlT2q
Amin'ireo toby roa ireo, betsaka ny vaovao tsy marina, ny lainga, ny tetika maizimaizina sy ny fanondranondranana ao amin'ny#civ2010 indrindra ny momba an'i Mangou
#civ2010 Mangou ao amin'ny RFI amin'ny enina sasany (Loharano iTélé)
#civ2010 tsy misy fanadihandina momban'i Mangou ao amin'ny vaovaon'ny RFI amin'ny enina sasany. Vaovao diso?
RFI tamin'ny hariva: tsy nisy filazana ny fanadihadina momba nyJeneraly Mangou. Fanairana tsy izy/ i-télé? #civ2010
@toussaintalain Asehoy izao i Mangou eo amin'ny LMPTV anao , hampangina anay izany ! #civ2010
JA2618: “Ny Jeneraly, mampanao jery atrika anao izy, ny minitra manaraka, ahongany ianao” soniavin'i Laurent Gbagbo #civ2010