Noharabain'ny mponina any Alzeria ny hetsika fanoherana nataon'ny vahoaka tany Tonizia nandravana ny fanjakan'i Zine El Abidine Ben Ali [EN] izay nanjaka tokana nandritra ny 23 taona. Any amin'ny resadresaka rehetra, ny bilaogy sy ny facebook, dia tsy hitan'ny vahoaka any Alzeria intsony izay hilazana ny herim-pon'ny vahoaka Toniziana izay nanohitra tao amin'ny fireneny ka nahatonga ny “filohany” handositra.
Ilay mpitoraka bilaogy R.Z, ao amin'ny bilaogy Mots de Tête [FR] no niarahaba manokana ny vahoaka Toniziana [FR] tamin'ny hetsika lehibe nataony. Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohanteny hoe “Menaka sa fahafahana? Naneho ny safidiny ny Toniziana… “ (lohanteny fihantsiana mifandraika amin'ny fivoaran'ny korontana any Alzeria, izay nahavitan'ny fanjakana nampihena ny fitakian'ny tanora amin'ny hoe fiakaran'ny vidin'ny menaka sy ny siramamy), R.Z nanoratra:
Qui peut rester insensible à ce qui vient de se produire en Tunisie ? Le peuple tunisien, par sa mobilisation pacifique et sa détermination arrache sa liberté. Mieux encore, à contraindre le dictateur Ben Ali à quitter le pouvoir. Pis encore et humiliant pour lui : à fuir son pays penaud. Honni et vomi, le tyran sort par la petite trappe de l'Histoire. Il aurait pu se retirer autrement, «dignement». Cependant sa soif inextinguible du pouvoir, l'en a empêché. Manifestement, la dignité n'est pas l'apanage des dictateurs.
Araka ity mpitoraka bilaogy ity ihany:
Manana ny antony tsy ananan'ny mpitondra ny vahoaka natao tsinontsinona. Hetaheta ho amin'ny fahafahana, ny lalana, izy no nahafantatra ny zavatra rehetra. ny lalana no nahalala fa eny no niatombohan'ny faran'ny mpanao ampihimamba. Eny fa na dia ny mpanohana azy matanjaka indrindra aza, izay tsy iza fa i Sarkozy, tsy nahavonjy azy. Nahafantatra ihany i Ben Ali, fa efa tara loatra. Efa vita ny lamesa.
Si l’information du départ définitif du président tunisien, Ben Ali, venait à se confirmer, ce serait une grande étape de franchie pour l’instauration d’un véritable État démocratique en Tunisie. Même si tout reste à faire, il faut se réjouir de cet élan d’espoir né après des années de musellement et de répression.
Feheziny amin'ity fanontaniana ity:
Le départ précipité de Zine El Abidine Ben Ali fera-t-il des émules du côté d’ElMouradia (siège de la présidence de la République algérienne) ? En d'autres termes, notre tour viendra-t-il un jour ?
Nisy fiantraikany tamin'i ElMouradia (lapam-panjakan'ny filoha Alzeriana) ve ny fandehanan'i Ben Ali tampoka? Raha tsorina, ho avy koa ve ny antsika indray andro any?
Maneho hevitra momba ny fandosiran'ny filoha andrarezina Toniziana [FR], ny mpitoraka bilaogy Alzeriana iray ao amin'ny resadresaka fa tahaka ny “voalavo” i Ben Ali fa tsy tahaka ny filoham-pirenena.
En préférant quitter le navire en pleine bourrasque, l'ex-président Ben Ali s'est donné (pour la postérité des poubelles de l'histoire) l'image d'un rat que celle d'un vrai commandant assumant ses responsabilités à savoir mener à bon port son navire avant de le quitter.
Ampiany hoe:
Honteux destin pour un voleur , un criminel …..parmi tant d'autres de ses collèges
arabes et Africains.
Henatra indrindra ho toy ny mpangalatra, mpamono olona… anankiray amin'ireo Arabo sy Afrikana mbola mitovy aminy.
Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohanteny hoe “Tunisie-Algerie: zavatra mitovy” [EN] navoakany tao amin'ny bilaoginy [FR], ilay mpanoratra Alzeriana Makhlouf Bouaich, miaraka amin'ny fanantenana kely, no mahita fitoviana amin'ireo hetsika roa izay niseho tany Tonizia sy izay niainan'i Alzeria ny ampitson'ny korontana nisiana ra mandriaka tamin'ny oktobra 1988.
Nous assisterons à un ‘retour à la légalité’ (en Tunisie), à un ‘retour au calme’, à des arrestations de hauts dignitaires, à des rendements de comptes, les islamistes qui (re) viendront au premier plan…Tout cela donnera, à coup sûr, un peu de répit au régime pour se reconstituer. Enfin, une certaine décennie à l’algérienne bis.