Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Gresy: Monomonona manoloana ny tetikasa fananganana fefy sy ny fandroahana mpifindra monina

Ny harivan'ny andro niandrasana ny taona vaovao dia niteraka fanehoan-kevitra kahery vaika  ny fanambarana nataon'ny ministra Grika ho Fiarovana ny olom-pirenena, Christos Papoutsis, mikasika ny tsy fsisian'ny indrafo ao anatin'ny politikan'ny governemantany amin'ny resaka fifindra-monina:

Η ελληνική κοινωνία έχει ξεπεράσει τα όριά της όσον αφορά στη δυνατότητα υποδοχής παράνομων μεταναστών. Θέλω να ξεκαθαρίσω ότι στη χώρα μας θα παραμείνουν μόνο εκείνοι οι μετανάστες που έχουν δικαίωμα διεθνούς προστασίας ή δικαίωμα ασύλου. Όλοι οι υπόλοιποι [..] θα φύγουν από την Ελλάδα, είτε με εθελοντικό επαναπατρισμό είτε με υποχρεωτική απέλαση.

Nahatratra ny fetra farany fandraisany ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ny fiarahamonina Grika.  Te-hanazava aho eto fa ireo mpifindra monina manana taratasy fiarovana iraisam-pirenena ihany no afaka miditra eto amin'ny firenenay. Ny ankoatra izay dia handao an'i Gresy, na izany fodiana an-tsitram-po na fandroahana avy amin'ny taratasy.

Ireo tetikasa naroso ho fampihenana ny fifindrà-monina, isan'izany ny fananganana fefy 12.5 km eo amin'ny sisintany iraisan'i Evros sy Torkia, famerenana ireo toby miaramila taloha ary fanofàna fonja mitsinkafona mba handresen-dahatra sy hitànana ireo mpangataka fialonkalofana, dia tsy nampivaky loha loatra ny Komisiona Eropeana, nefa nahatonga fitsikerana avy amin'ny vahoaka, ireo ankolafy mpanohitra sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona. Nohamaivanina ireo fepetra ireo, araka ny tatitry ny media.

Ireo fanehoan-kevitra tanaty bilaogy

Apostolos Tsompanopoulos dia mahatsiaro ny vohitry ny nofy sy poety Grika iray malaza, izay nifindra monina:

αυτόματα μου ήρθαν στο μυαλό δύο πράγματα: το τείχος της Μεγάπολης-1, που χώριζε την πόλη από την καταραμένη Γη και τα Τείχη του Κ.Π.Καβάφη. Σκέφτηκα ότι και οι παππούδες μου, εκείνο τον καιρό που ήρθαν στην Ελλάδα, «παράνομοι μετανάστες» ήταν τότε[..] Στη συνέχεια σκέφτηκα ότι όσοι ζουν δίπλα στο ποτάμι, δε θα το βλέπουν πια.

Aνεπαισθήτως μ’ έκλεισαν από τον κόσμον έξω.

Δε μ’ αρέσει ο κόσμος που έφτιαξα, παππού.

Nampahatsiaro zavatra roa ahy izany: ny rindrin'ny Mega-City One, izay nanasaraka izany amin'ny Cursed Earth (Tany voahozona), sy ny rindrin'ny C. P. Cavafy. Nieritreritra aho fa “mpifindra monina tsy ara-dalàna” ireo raibe sy renibeko, rehefa tonga teto Gresy izy ireo [..] Avy eo dia nieritreritra aho fa ireo izay miaina manamorona ny renirano dia tsy afaka hahita azy io intsony.

Nandroaka ahy ivelan'izao tontolo izao izy ireo, tsy nisy fiantrana.

Tsy tiako ilay tontolo noforoniko, ry dadabe.

Fotis Vassileiou mitsikera ny governemanta amin'ny fanisiana rindrina ny firenena amin'ny politika mampijalinyy:

το πιο αποφασιστικό μέτρο εναντίον της παράνομης μετανάστευσης είναι η πολιτική που εφαρμόζει η κυβέρνησή σας. Ποιος μετανάστης παράνομος ή νόμιμος θα θέλει να έρθει σε μια χώρα που η πολίτες της συστηματικά φτωχοποιούνται [..] που κυριαρχεί η βία και η τρομοκρατία κάθε είδους -ιδεολογική, κρατική, αντεξουσιαστική, παρακρατική, ενημερωτική;

Ny fepetra tena mety hanoherana ny fifindra-monina tsy ara-dalàna dia ny politika novolavolain'ny governemantanao. Mpifindra monina iza, na ara-dalàna na tsia, no te-hipetraka any amina firenena izay ampahantraina tsotra izao ny ny mponina [..], izay misy herisetra sy fampitahorana isan-karazany raiki-tampisaka: ideolojika, fombàna fanjakana, fanoheram-panjakàna, ivelan'ny fanjakàna, sy ny media?

Sary noforomporononaa

Vetivety ny nivoahan'ny sary namboamboarina mikasika ity tetikasa famefena ity. Ny mpanao gazety an-tsary mahaleotena Craig Wherlock dia namoaka taharon'afisy fizahan-tany malaza, mampatahotra:

Jereo ireo harena miafin'ny firenenay #teixos -an'i Craig Wherlock

Architect nvenia dia maminavina ny hevitr'ireo mpifindra monina rehefa tonga izy ireo,

#teixos -an'i @nvenia

… raha ny teratany Evros, alex_walex koa dia nanao sarin'ity fefy ity avy eny amin'ny habakabaka:

Sary mampiseho ny fahitàna avy eny amin'ny habakabaka ny #teixos -an'i alex_walex

malahelo ny tontolo taza-maso izay ho very amin'izany i Eliza Kalesi:

Ny renirano Evros… #teixos -an'i Eliza Kalesi

Ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter

Misy ireo fimonomononana noho ilay tetikasan'ny governemanta ao amin'ny Twitter: ny tenifototra #teixos no tonga dia voafidy – izay midika hoe “rindrina” fa tsy fefy amin'ny teny Grika – nalaina avy amin'ilay hira malazan'i Pink Floyd, “The Wall”. Maro ireo mpampiasa Twitter no nanao kilalaon-teny mifandraika amin'ity hira ity, tahaka ny Cavafy:

evb_SKG: Τα τείχη τα γκρεμίζεις περιμένοντας τους Pink Floyd RT @elenirou Τα Τείχη τα χτίζεις Περιμένοντας τους Βαρβάρους; #teixos #kk

Manàngan-drindrina hiandrasana ireo Olon-dia va ianao?
Mandrava rindrina ianao hiandrasana ny Pink Floyd

Ny mpiandraikitra amin'ny fanomezam-baovao ho an'ny daholobe ao amin'ny UNHCR Grika , Ketty Kehayoylou dia nampiasa ny Twitter mba hitsikeràny amin'ny fomba ofisialy:

Tetikasa hametrahana rindrina ao amin'ny sisintanin'ny Gr/Tur #UNHCR: ny fanaraha-maso ny sisintany dia tokony ho fiarovana ireo mpialokaloka. Tsy dia mamaha ny tena olana loatra ny fanangànana rindrina.

Anestis dia mifantoka amin'ny resaka tontolo iainana:

Εκτός απο τα προφανή, το τείχος/φράχτης, τι προβλήματα θα προκαλέσει στην τοπική πανίδα; #teixos

Ankoatra ny zavatra miharihary, inona ireo olana mety hateraky ny rindrina/fefy eo amin'ny lafin'ny tontolo iainan'ny biby eo amin'ilay toerana?

Mampitandrina an'ilay ministra i Thanos Koukoulis:

Τα τείχη είναι ανώφελα γιατί έτσι και αλλιώς πέφτουν, είτε από τους αποφασισμένους είτε από τους απελπισμένους #teixos (fyi @Ch_Papoutsis)

Tsy dia misy ilàna azy ny rindrina satria hirodana ihany izy ireo, na izany ho an'ireo kiriana na ho an'ireo mamoy fo

Nanao teny tsy loa-body tamin'ny tononkalon'i Cavafy ihany koa i Spyros VJ,

Τα πραγματικά τείχη έχουν χτίστεί επιμελώς στα μυαλά, τα μάτια και τα αυτιά μας. #teixos

Ny rindrina tena izy dia efa voapetraka tsara ao an-dohantsika, ao anaty masontsika sy ao an-tsofintsika.

Krotkie dia maneso:

γιατί μας πειράζει το #teixos ; είναι απαραίτητο για την επιστροφή στο μεσαίωνα που συντελείται εδώ και μερικά χρόνια.

Nahoana no manelingelina antsika ny rindrina? Ilaina izany ho fiverenana any amin'ny andro fahagola izay efa nokasaina aman-taona maro izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.