Raha miteny amin'olona ianao fa mipetraka any amin'ny helodrano Arabika , dia zavatra roa no tonga ao an-tsain'izy ireo – ny solika sy ireo rameva. Noora Nasrallah, izay mi-tweet amin'ny solon'anarana PurpleNano, milazalaza ny fifanenany tamina rameva tany UAE ao amin'ireo tweets mitohitohy anio.
Ao amin'ny tweet-ny voalohany, dia miteny izy:
Haha najanon'ireo polisy teo amin'ny araben'ny Emirates mankany #RAK daholo izahay satria nisy rameva nandeha nanaraka ny arabe 😀
Ny tweet manaraka dia mitondra vaovao hafa maro mikaika ity rameva hory sy ngamba mety very ity:
Rameva mampalahelo!! Feno tahotra izy mihazakazaka manaraka ny arabe :S
Ary farany dia niditra an-tsehatra ny polisy tsy hahalany ny andro:
Haha tafampita soa aman-tsara ny arabe ilay rameva. “Bravo” ny polisy! http://tweetphoto.com/24014216
Ao amin'ny Tweetpic, PurpleNano dia mandefa ity sary manaraka ity:
Tsara fiafarana tsara ho an'ny rameva iray, raha ny hevitro.
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...