Ny Alahady alina teo, ireo mpampahalala vaovao Frantsay dia samy nanambàra ny fahafatesan'i Omar Bongo filohan'i Gabon, izay nandany 41 tamin'ny 73 taona niainany teo amin'ny fitondràna. Ny gazety Frantsay Le Point nitatitra fa hoe nahazo vaovao momba ny fahafatesany ry zareo, vokatry ny homamiadana, tany aminà toeram-pitsaboana tsy miankina iray any Barselôna, avy amin'ny “loharano tena akaiky tokoa amin'ireo manodidina ny filoha”. Ny AFP, etsy andanin'izay, dia nitatitra loharanom-baovao iray avy amin'ny governemanta Frantsay. Saingy fotoana fohy taty aoriana dia niteny ny Praiminisitra Jean Eyeghe Ndong araka ny Fahitalavitra Gabone fa hoe “tena zendana tokoa” izy namaky ireo tatitra.
Vantany vao nampidirina tany amin'ny clinique Quirón any Barselôna i Omar Bongo tany amin'ny fiandohan'ny volana Mey, fanamarihana iray napetrak'i Akin tao amin'ny the African Loft no efa naminany ny fahafatesany lavitry ny vahoakany:
Ny tena zava-mahamenatra goavana indrindra tamin'ny fitondrany nandritry ny 42 taona dia i Gabon tsy mba nanana akory toeram-pitsaboana afaka hitsabo, na izy tenany, na ny vadiny.
Mba karazana fitondrana inona koa izany tsy afaka manome tombontsoa azo tsapain-tànana ho an'ny vahoakany izany, nefa ny mpitondra lasa mikopak'elatra mankany ivelany vantany vao misy olana ara-pahasalamana kely monja?
Io zava-mahamenatra io dia saiky ny mpitondra afrikana rehetra no tondroina ho mampihatra azy, tsy fahaizana manatsara foto-drafitrasa, ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fanomezana ainga vao.
Rahoviana isika rehetra no afaka hitaky fanazavana marina amin'ireo mpitondra rehetra nanao fitantanana tsy mahomby ?
[…] Ny lesona ara-moraly tsoahana amin'ity tantara ity dia tsy Afrikana mihitsy raha ny tranga misy no jerena, ny mpanjaka dia tsy mahazo miamboho ao an-dapany otronin'ireo vahoakany izay “nanompo” azy fa any amin'ny efitranon'ny toeram-pitsaboana tsy hay faritana any, ary otronin'ny vahiny.
Ny mpanjaka iray nandika ny fitsipiky ny fahamarinana sy ny fandehanana amin'ny fahitsiana dia ho faty any an-tany lavitra any, ao anaty henatra ary hampakàran'ny maro sentom-pitoniana lalina – Ipitsiho tany [‘ndeha mahazo any]! Ho azy rehetra mihitsy.
Rodrigue Kopgli mpitoraka blaogy Tôgôle, ao amin'ny Jeunesse Unie pour la Démocratie en Afrique [Fr], dia miantso an'i Bongo ho “iray amin'ireo voaybe sisa tavela tamin'ny Françafrique“:
Ami de tous les gouvernements français depuis De Gaulle, Albert-Bernard Bongo devenu El Hadj Omar Bongo puis Ondimba (le peuple lui réclame du changement démocratique, il lui offre des changements de nom personnel), n’a jamais cessé d’être l’Agent des Services secrets français qu’il était à sa prise du pouvoir. Fort de sa longévité et de la fortune amassée au sommet du Gabon, Le Hadj s’octroie le luxe de financer des campagnes électorales en France notamment celle de François Mitterrand comme l’a écrit Pierre Péan dans « Affaires africaines ». Il laisse aussi un gigantesque parc mobilier et immobilier en France et des comptes bancaires secrets qui bien évidemment font et feront le bonheur des paradis fiscaux qui les hébergent. Le peuple gabonais pendant ce temps manque de tout. Avec un tel bilan, la terre ne lui sera pas légère du tout. Et les Africains qu’il prétendait cyniquement représenter ne se mettront pas en deuil, non plus.
Amin'ny filazàna ny zavatra efa nolalovan'i Tôgô, Kopgli dia miahiahy fa tsy hanova zavatra firy ny fahafatesan'i Bongo:
La mort de Bongo n’apportera rien de salutaire au peuple gabonais, car les héritiers Ali et Pascaline Bongo sont déjà positionnés et portés par Bolloré – ami personnel de Sarkozy – et de Christophe de Margerie de TotalFinaElf et de bien d’autres vampires pour capter le pouvoir, comme ce fut le cas du Togo où les fils du défunt Gnassingbe ont été portés au pouvoir sous le double poids du viol et des violences.
Théophile Kouamouo mpitoraka blaogy Ivoariana [Fr], izay miresaka koa an'i Tôgô, dia miresaka am-pahamalinana koa ny mety hitranga aorian'ny fahafatesan'i Bongo sady manontany tena momba ny hoavin'ny Françafrique:
Maintenant que le “patriarche” n'est plus, l'on entre dans l'ère des incertitudes et des questionnements. Le schéma constitutionnel – remise du pouvoir à la présidente du Sénat puis élections – sera-t-il respecté ? Va-t-on vers un schéma de bataille fratricide à la togolaise […]? L'armée gabonaise, totalement invisible, entrera-t-elle en scène ?
Puis profondément, quel est le bilan d'Omar Bongo Ondimba ? Après sa mort, la Françafrique, dont il était le pilier, s'affaiblira-t-elle ? Pour ma part, je pense que oui – mais peut-être que je m'avance trop. Ce système-là était trop centré sur un certain nombre d'hommes, de petits secrets, de règles de départ qui n'existent plus, pour perdurer éternellement.[…]
La Françafrique s'affaiblira, mais la démocratie avancera-t-elle ? L'Afrique se retrouvera bientôt face à son destin et aux contradictions de son Histoire. Personne ne l'aidera à en démêler les noeuds. Mais observons d'abord ce qui se passera dans les prochains jours au Gabon.
Lalindalina kokoa noho izay, inona no azo amehezana ny zava-bitan'i Omar Bongo Odinma? Aorian'ny fahafatesany, hihena hery ve ny Françafrique, izay izy no tena andriny? Amiko manokana, izay no hiseho – saingy mety ho lasa aloha ihany aho. Ity rafitra ity mantsy lasa mihodidina aminà olona vitsivitsy monja, tsiambaratelo kely madinidinika, aminà fitsipika arahana raha hiala ny sehatra izay efa tsy misy intsony, ka hoe haharitra mandrakizay. […]
Hihena ny herin'ny Françafrique, nefa hatanjaka ve ny demokrasia? Hiatrika samirery ny hoaviny i Afrika atsy ho atsy ary koa ireo fifanoherana misy ao amin'ny tantarany. Tsy hisy olona hanampy azy hamaha ireo fatotra. Saingy ‘ndeha aloha handrasantsika izay hiseho atsy Gabon ato anatin'ny andro vitsy ho avy.
Emmanuel Bellart avy any Cameroon [Fr] no naneho ny fahafaham-pony:
Dieu merci, car un autre est parti, l'afrique commence à respirer petit à petit, il ne fallait plus que ça pour que l'afrique puisse finalement ouvrir les yeux, monsieur omar bongo qui a mit 41 ans au pouvoir, ce qui est iraisonnable nous a montré combien ces vieux de la france voulaient vraiment detruire l'afrique, c'est claire que personne ne doit souhaiter la mort d'un être humain, mais d'un côté, c'est un soulagement pour le peuple gabonais, sauf qu'il y'avait une chose que monsieur bongo devait faire, c'est organiser le pouvoir et non de le preparer pour ses enfants […]
adieu le doyen, laissons le pouvoir au peuple et non à une personne, quand tu t'accapare du pouvoir , tu meurs et on t'oublit
Veloma mandrakizay ry loholona [mpanao didy jadona], avelao ny fahefana ho an'ny vahoaka fa tsy ho an'olon-tokana, rehefa manao ampihi-mamba ny fahefana ianao ary maty dia ho adinonay.
Ao amin'ny vavahadim-baovao Gaboneco [Fr], mpamaky iray, Ogwer, Gabône no nametraka fanamarihana mangataka fifidianana demokratika:
Je suis un citoyen gabonais et j'exige des élections dans le strict respect de la constitution de La République!!!! et je dis non à ceux qui appelle la france à se mêler de la politique gabonaise notamment BEN MOUMBAMBA qu'on ne connait pas et qui pourrait être un pion de cette france! Les gabonais doivent s'unir et rester vigilants!