Efa diso fantatry ny rehetra fa iainana andavanandro ny fifanavahana ny lahy sy ny vavy – fa mba manaoahaoana kosa ny aty an-tserasera? Moa afaka ampiarahana amin'ny vondron-drohy iray ve ny anaran-dahy sy ny anaram-bavy? Nivanivany tamin'ilay hevitra ny mpamaham-bolongana Saodiana iray.
Entropy.MAX, mpamaham-bolongana vehivavy no nandoko ny sary:
حدثنا بعض شيوخ المدونين و المدونات السعوديين منهم و السعوديات عن تحريم الاختلاط في صفحات الانترنت بين روابط مواقع المدونين ومواقع المدونات، وضرورة وجود حاجز ساتر يفصل بينهم للبعد عن الشبهات و درءا لما قد يجره الخلط على صدر صفحات المدونات من مفسدات. فالشيطان يجري في الساحات وقد يوقع في قلوب العذارى أو العانسات، أو لا سمح الله المتزوجات الافتتان بأسماء المدونين، خاصة المستقيمين،فيحصل ما لا يحمد عقباه من المنكرات. عليه فقد قام بعض الإخوة مشكورين بفصل الروابط ووضعها في موقعين منفصلين لا يوصل بينهما نهر ولا بحرين، حماية لأخلاق المدونين و صيانة لشرف بنات المسلمين. إلا أنه لايزال بعض المدونين واللذين نشك في إصابة قلوبهم والعياذ بالله بمرض الليبرالية اللعين، لا يزالون يخلطون المواقع في قائمة واحدة غير آبهين بما قد يجره هذا الفعل من الويلات على مجتمع المدونين والمدونات، غير مبالين بخصوصية السعوديين ولا بطبيعة مجتمع المتنطعين، و بعد ذلك يطلعون علينا مستغربين من رغبتنا في وضع ضوابط للتدوين!!
Maro amin'ireo ela nihetezana lava volo, ary misy tafiditra amin'izany ny vehivavy, ao amin'ny tontolom-bolongana Saodiana no miangavy mba ho avahana tsara ny vondron-drohim-bolongan-dehilahy sy ny vondron-drohim-bolongan'ny vehivavy Saodiana. Mitaky mihitsy izy ireo ny hisian'ny sakana amin'izay rehetra mety hanimba (handratra) sy hampivily lalana (voa ratsy). Misy eo amin'ny serasera i Satana ka mety hisy virijiny, vehivavy tokatena na vehivavy manambady aza tafasisika any antsefatsefan'ny anaran-dahy any ary indrindra ahiana ho anaran'olo-marina aza izany.Tsy ho azo visavisaina ny mety ho fiantraikan'izay. Izany no mahatonga ny ankamaroan'ny mpamaham-bolongana manavaka tsara ny vondron-drohy ka mametraka azy ireny amin'ny bolongana samihafa, ary tsy azo asiana fifandraisana (rohy) amin'izy ireo, izany no natao mba hiarovana ny toe-tsain'ny mpamaham-bolongana sy hitandroana ny fahadiovan'ny tovovavy Miozolomana. Nefa misy ihany, mpamaham-bolongana vitsivitsy, tratran'ny aretim-pisainana liberaly, mampifangaro ho vondrona miaraka ny rohin'ny an-dahy sy ny am-bavy. Ireo no tsy mba mieritreritra akory ny fiantraikan'izay ataony amin'ny tontolom-bolongan-dahy sy ny tontolom-bolongam-bavy ary tsy mahalala ny sata manokana mampiavaka ny Tontolom-bolongana Saodiana. Avy eo aty aoriana dia gaga izy ireo rehefa takianay ny (fanajana) ny fitsipika ifampifehezana rehefa mamaham-bolongana!!