Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Borkina Fasô : Fanafody amidy eny an'arabe

QuophyBlogeur no mitatitra mikasika ny loza vokatr'ireo fanafody amidy eny an'arabe any Borkina Fasô :

Malgré une Centrale d’achat des médicaments essentiels génériques et des consommables médicaux (Cameg) qui fait du Burkina Faso «Le leader de l’Afrique de l’Ouest dans le domaine du médicament essentiel générique en termes de volume, d’accessibilité géographique et financière», ce pays traîne paradoxalement, comme un boulet, la plaie d’une omniprésence du médicament de la rue.

Malgré l’adoption d’une stratégie nationale de lutte contre le phénomène, sans compter les campagnes de l’Ordre national des pharmaciens pour tirer annuellement la sonnette d’alarme, les «médicaments de la mort» ont toujours pignon sur rue

Entre les dispositions institutionnelles parfois ostentatoires et la réalité de la lutte contre le fléau des médicaments de la rue, le fossé est grand. Et pourtant, les enjeux sanitaire et économique sont énormes. Les produits contrefaits et nocifs qui envahissent nos marchés provoquent des drames importants qui sont généralement vécus dans le silence par les victimes. A ce sujet, l’impuissance des pouvoirs publics fait froid dans le dos […]

«les médicaments contrefaits ne représentant pas de valeur marchande, les douaniers ne sont pas motivés à les saisir systématiquement». Autrement dit, un garde-côte burkinabè ne gagnerait rien à mettre la main sur un trafiquant de médicaments parce que cette marchandise ne pourra pas être vendue aux enchères et ne lui rapportera rien du tout […]

Le laxisme des autorités publiques ouvre déjà la voie à une médecine chinoise très agressive qui va non seulement à l’assaut des populations, mais inondent les villes et les campagnes de médicaments sans la moindre autorisation de mise sur le marché pourtant imposée par le ministère de la Santé aux pharmaciens. En plus, les notices sont en langue chinoise, privant les consommateurs du droit fondamental d’avoir accès aux informations relatives au produit […]

Le trafic des médicaments de la rue s’est imposé au Burkina et dans beaucoup de pays africains comme un business qui ronge – au propre comme au figuré – entre 25 à 60% des parts de marché du médicament et désorganise ainsi le système sanitaire et pharmaceutique.

“Na dia mipetraka aza ny foibe iombonana Cameg izay azo ividianana ireo fanafody mora vidy sy kirakira fitsaboana fampiasa samihafa izay mahatonga an’ Borkina Fasô ho « loha-laharana amin'ireo firenena any Afrika Andrefana raha ny lafiny mikasika ny fanafody mora vidy [médicament générique ] na amin'ny habetsahany izany na amin'ny fahamorana amin'ny fikarohana izy ireny na amin'ny lafiny hamoran'izay vidiny », koa mahagaga ny mbola irefarefan'ity firenena ity amin'ny mbola fahitàna ireny fanafody amidy eny an'arabe ireny.”
Na dia misy aza ny fametrahana amin'ny fomba ofisialy ny ady amin'izany toe-draharaha izany manerana ny firenena, sy ny fanentanana ataon'ny vondron'ireo Farmasiana isan-taona, dia mbola hita eny an-dalambe foana ireo « fanafody mahafaty ».”
Indraindray dia goavana ny hantsana manelanelana ny fepetra raisina amin'ny fomba ofisialy sy ny andavan'andron'ny ady amin'ireny fanafody amidy eny an'arabe ireny. Anefa dia tena vola be mihitsy no kirakirain'izany harinkarena izany. Ireo sarintsarina fanafody sandoka izay mameno ny arabentsika dia miteraka loza mihitsy izay matetika sedrain'ireo izay voa ao anatin'ny fahanginana. Ary dia mampantahotra mihitsy ny tsy fahatanterahan'ny fitondrana amin'ny fiadiana amin'ireny.”
« tsy misy vidiny ireo fanafody sandoka ireo, hany ka tsy mazoto ireo mpiasan'ny douane ny higeja azy ireny isak'izay mahatratra ». Izany hoe raha ambara tsotra, tsy misy tombontsoa hoan'ireo mpiasan'ny douane any Borkina Fasô ny misambotra mpanondrana / mpanafatra fanafody an-tsokosoko satria ireo fanafody sandoka izay voageja amin'izany dia tsy ho azo atao lavanty akora ary tsy loharanom-bola […].”
Ny gaboraraky ny fitondrana dia efa namokatra midanadana sahady ny fidiran'ireo fanafody Shinoa, izay sady manapariaka fanafody tsy nazahoana alàlana ara-dàlana avy amin'ny fanjakana, amin'ny vahoaka sy any amin'ireo tànana sy ambanivohitra. Na dia misy aza ny làlana mifehy ny Fahasalamana sy ny Farmasiana. Sady amin'izay koa ny taratasy fanazavana ireny fanafody Shinoa ireny dia amin'ny teny Shinoa, izay mametra ny fahafahan'ny zon'ireo mpanjifa ny hahafantatra bebe kokoa mikasika izay zavatra ampiasainy […].”
Ny varotra fanafody anelakelan-trano izay tena mipariaka mihitsy any Borkina Fasô sy any amin'ny firenena maro any Afrika, dia teha harinkarena izay mikiky mihitsy satria mahatratra taha 25 % ka hatramin'ny 60%-n'ny varotra fanafody izy ireny ka dia manimba ny rafitra mipetraka mikasika ny fivarotana fanafody amin'ny fomba ara-dàlana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.