Ny namana Ethan Zuckerman no manontany tena sy mizara izay fiheviny mikasika izay raharaha any Darforo, nahoana isika no mila mifantoka tsara [mianatra] ? :
One of the questions I’ve wanted an answer to for some time is how the community focused on Darfur has managed to attract so much attention to their cause. While the situation in Darfur is dramatic and dire, there are a number of other situations on the African continent that demand attention and, generally, receive a small fraction of the attention paid to Darfur. Medicines Sans Frontieres publishes an annual list of stories they feel are underreported, including situations in Somalia, eastern DRC and the Central African Republic.
My interest in this question about Darfur isn’t because I want to wag a finger at the Darfur movement, but because I hope other movements can learn from it […]
One of the core arguments I’ve been making about media attention and the developing world is that it’s difficult to expect people in the developed world to choose to read about stories in the developing world unless someone makes the case that a particular story has relevance for that individual. It’s hard to discover these stories unless either someone in authority (a newspaper editor, a television anchor) leads you to the story, or unless your peer group leads you to it…
“Isan'ireo fanontaniana izay tiako itadiavana valiny hatramin'izay fotoana elaela izay ny hahalala izay fomba nampiasain'ireo vondron'olona vitsy mpanara-maso ny vaovao any Darforo, mba hisarihana ny mason'ny maro an'isa amin'ity raharaha iray manokana ity. Iaraha-miaiky fa sady voina goavana sy fahavoazana lehibe ity izay mitranga any Darforo ankehitriny ity, saingy mbola maro ireo toe-draharaha hafa mitranga anivon'ny kôntinanta Afrikana izay mitaky ny fanarahantsika maso ary tsy latsa-danja amin'ity raharaha iray ity, anefa tsy mahazo raha tsy ampahany bitika monja raha oharina amin'izay atao any Darforo. Isan-taona tokoa no anapariahan'ny fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG]
Médecins Sans Frontières [MSF | Mpitsabo tsy mahalala elanelan-tany] ireo
lisitr'ireo voina lehibe 10 vitsy mpitatitra indrindra, isan'ireo izay voatonona ao anatin'ireny izay mitranga any Sômalia, sy ny Faritra Atsinanan'i Kôngô RDK ary ny Repoblika Ivon'i Afrika. ”
Tsy ny hanao “tondro-molotra” ireo mpivoy ny fanaraha-maso izao toe-draharaha any Darforo izao nohon'ny fahombiazany akory no antony mahasarika ahy amin'ity raharaha iray ity, fa ny mba hisarika kosa ny mason'ireo vondron'olona mpivoy raharaha hafa, haka tsoakevitra sy handray lesona avy amin'ny traikefa manokan'ity raharaha iray ity […]”
Isan'ireo tsoakevitra izay arosoko mikasika ny fanarahan'ireo fantsona fampahalalam-baovao [tandrefana] ireo firenena andalam-pandrosoana ny hoe : sarotra amin'ny olona miaina any amin'ireo tontolon'ny firenena mandroso ny mifantina sy mifidy hamaky tantara iray izay mitranga any amin'ny tontolo andalam-pandrosoana, raha tsy misy olona mampihariharihary izay antony maha-zava-dehibe izany tantara izany amin'izy mpamaky. Ary sarotra koa ny hikatsahana ireny tantara ireny raha tsy olona itokisana (mpanao gazety an-taratasy na fahitalavitra) no misarika ny masonao amin'izany tantara izany, na koa raha tsy ny vondrona mpivoy misy anao no mandray andraikitra manatanteraka izany fampahalalana izany…”