Tantara tamin'ny sy

Shina: Ny voasakana sy ny tsy voasakana

  07 Aogositra 2008

Maro ny vohikala, tahaka ny Radio free Asia (radio afaho i Azia), no lasa azo tsidihina mandritra ity lalao olaimpika ity, na izany aza hoy i Liu Xiaoyuan dia mbola maro ny bolongana voasakana tsy ho azo tsidihina hatrany. Nofantenana hovahana fatotra noho ny fanerena politika ireo vohikala azo tsidihina fa ny...

Shina: Lisitry ny vohikala tsy nosakanana amin'ny lalao olaimpika

  02 Aogositra 2008

Life 2.0 mamaham-bolongana Isaac Mao no nanangona ny lisitry [zh] ny vohikala vaovao tsy nosakanana hatramin'ny herinandro teo hanarahana ny lalao olaimpika andro mafana 2008. Maro moa no wmanontany tena hoe mandra-pahoviana izy ireo no tsy hosakanana; Mao kosa nanoratra hoe: ‘faingàna ary misoratana anarana amin'ireny ô!’

Shina: Tambajotra Viritoaly idifiana sivana

  01 Aogositra 2008

Tamin'ny alalan'ny PandaPassportn'i Rick Martin tao amin'ny Facebook milaza Tambajotra Viritoaly: “Ho an'ny rehetra any Shina, ity no  fanararaotra hijerenao izay tianao hojerena (ialana amin'ny sivana manjaka any).  Mametraka rindrambaiko (riindrankajy) vetivety monja dia vonona ny rehetra…andramo dia ho hitanao.

Shina: Ento miaraka aminao ny router wifi-nao

  29 Jolay 2008

Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto  ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'ny Mandaben'i Shina aho, fa mandifotr'olona ihany koa (manempotra) ny saram-pampiasana azy!”

Vakiboky: “La Chinafrique”

  21 Jolay 2008

Théophile Kouamouo [amin'ny teny Frantsay] no mamitimpintina (tsindrio eto) lavalava ao amin'ny bolongany  ny boky mitondra ny lohateny hoe La Chinafrique: Pékin à la conquête du continent noir (na Shinafrika : Beinjing te-hambambo ny kaontinanta Mainty) nosoratan'i Serge Michel sy Michel Beuret, Boky miresaka ny  ataon'ny Shinoa eto Afrika. Hoy...

Shina: Zon'ny mpamorona mandritra ny lalao Olaimpika

  18 Jolay 2008

Toy ny rano atapoka sosoa indroa misesy ny filazalazana entina iarovana ny zon'ny mpamorona, tsy misy mpamaham-bolongana mahazo mametraka sary na mandefa lahatsary mikasika ny lalao olaimpika amin'ny bolongany. Ankoatra izany, maro ihany koa ny fepetra noraisina hiarovana ny mpanohana ny lalao Olaimpika, hosakanana mandritra ny fanatontosana ny lalao olaimpika...

Shina: Dokambarotra Olaimpika

  17 Jolay 2008

Adrienne Wong avy ao amin'ny Shanghaiist no nanamarika fa ny doka fanoheran'ny Amnesty International ny lalao Olaimpika  any Shina sy ny dokambarotry Adidas mandritra ny Lalao Olaimpika dia nolokoiin'ny orinasa iray ihany izay tsy iza fa ny (TBWA).

Shina: Iza no tokony isaorana?

Asehon'ny CCTV (izay marihina fa mandeha amin'ny TVM rehefa vita ny fandaharana tontosain'ny tvm amin'ny alina ka mandra-panombohan'ny fandaharana amin'ny maraina indray)amin'izao tontolo izao ny lahatsary ahitana ny fisaoran'ny traboina izay nataon'ny governemanta. Guo yu hua, mpahay momba ny olombelona kosa milaza fa ny governemanta no tokony hisaotra ny vahoaka...