MOOC Marobe
Na aiza na aiza jerintsika dia toa misy filazana hafa momba ny fianarana mahafinaritra ny MOOC. Ity misy fantina vitsivitsy mety tiantsika halaina…
E-learning and Digital Cultures (Fianarana sy Kolontsaina Dizitaly) atolotry ny Anjerimanontolon'ny Edinburgh, avy amin'ny alalan'ny Coursera:
Hampiseho ny fifandraisan'ireo kolontsaina dizitaly sy ny kolontsain'ny fianarana io fampianarana io, ary ny dikan'izany eo amin'ny fomba hitondrantsika ny fampianarana ao anaty aterineto. Tsy miresaka momba ny fomba “fanaovana” e-learning ity fampianarana ity; fa kosa fanasana hijery ireo fomba fanao ara-panabeazana ato anaty aterineto amin'ny alalanà fijery iray manokana- ny an'ny kolontsaina dizitaly sy malaza en amin vahoaka.
Nokendrena ho an'ireo mpanabe, mpianatra ny fikirakirana teknolojia, ary ireo olona liana manokana amin'ny fanabeazana ka te-handalina ny fahatakarany ny lanjan'ny fampianarana sy ny fianarana anatin'ny vanim-potoana dizitaly ny E-learning sy ny Kolontsaina Dizitaly. Mikasika ny fomba hihaonan'ny kolontsaina dizitaly sy ny fianarana ireo kolontsain'ny fianarana ao anaty aterineto io fampianarana io, ary ny fomba nanefena ny hevitsika momba ny fanabeazana ao anaty aterineto tamin'ny alalan'ny “fitantarana”, na tantara lehibe, mikasika ny fifandraisan'ny olona sy ny teknolojia.
Video Games and Learning (Kilalao An-tsary sy Fianarana) avy amin'ny Anjerimanontolon'i Wisconsin, avy amin'ny alalan'ny Coursera
Iray amin'ireo fotokevitra nalaky nalaza indrindra teo amin'ny media, ny fanabeazana ary ny teknolojia ny “vidéo games / kilalao an-tsary”. Milaza ny fikarohana manerana ireo sehatra samy hafa tahaka ny siansa, ny fampianarana miteny sy manoratra, ny tantara, ny fikarakarana ny ho an'ny maso, ny fandaharana sy ny siansan'ny informatika fa tsy natao hialaàna voly fotsiny ny kilalao an-tsary – mety ho tsara ho an'ny fanahinao ihany koa. Hiresaka mikasika ny fikarohana farany eo amin'ireo karazana fisainana sy fianarana ao anatin'ireo kilalao an-tsary sy ny kolontsainan'ireto farany io fampianarana io, ny tombontsoa sy ny lafiratsin'ny filalaovana kilalao an-tsary dizitaly, ny fihenjanana misy eo amin'ny kolontsainan'ny tanora sy ny fanabeazana nentin-drazana, ary ny fampivoarana vaovao kasaina hameno io hantsana mihalalina io.
Internet History, Technology, and Security (Ny Tantaran'ny Aterineto, ny Teknolojia ary ny Fiarovana) avy amin'ny anjerimanontolon'i Michigan, avy amin'ny alalan'ny Coursera
Mitohy mitombo ny fiantraikan'ny teknolojia sy ireo tambajotra eo fiainantsika, ny kolontsaina ary ny fiarahamonina. Ny tena marina dia azonao alaina na aiza na aiza ity fampianarana ity saingy mitaky fotodrafitrasa teknôlôjika izay novolavolaina, narafitra ary natsangana tanatin'ireo enimpolo taona lasa . Mba hiasana anatinà tontolo mifantoka amin'ny fampahalalana ny vaovao, mila mahatakatra ny fiasan'ny teknolojian'ny tambajotra isika. Hanokatra ny Aterineto aminao ary hampiseho anao ny fomba nipoirany, ny namorona azy sy ny fomba fiasany io fampianarana io. Eny antsefatsefan-dàlana eny isika dia hahita ireo mpanavao izay nampivoatra ny Aterineto sy ireo teknolojia ao anatiny izay ampiasaintsika amin'izao fotoana.
Introduction to Infographics and Data Visualization (Fampahafantarana ny Infografia sy ny Fijerena Angona) avy amin'ny Ivontoeran'ny Knight ho an'ny Fanaovan-gazety any Amerika
Mihodina indray ity fampianarana be mpidera ity, izay mifantoka amin'y fomba fiasàna miaraka amin'ny sary mba hifandraisana sy handinihana angona. Miaraka amin'ny famakiana, fampianarana amin'ny alalan'ny lahatsary sy ireo torohevitra misy ao anatiny, hahazo fahaizana ampy tsara entina hanombohana ny famokarana sary manaitra, tsotra ary saika eo no ho eo ireo mpandray anjara.
The Future Of Storytelling (Ny Hoavin'ny Fitantarana) avy ao amin'ny iversity.org
Liana amin'ny fandehan'ireo endri-javatra foronin'ny saina amin'izao fotoana izao ve ianao? Mba tianao ho fantatra ve hoe ahoana no fomba nitantarana ireo tantara? Te hanadihady, hahatakatra, handrafitra ary hamorona tantara sy arira ve ianao? Hianatra ny fototry ny fitantarana ireo mpianatra, tahaka ny fifandraisan'ny “deba”/mpandray anjara fototra, ny mpitantara/ vanim-potoana tantaraina (sns), sy hanopy maso ireo tetikasan'ny media amin'izao fotoana, handinika ny fomba nandrafetana azy ireo sy nahalavorary izany mifototra amin'ireo lalana fototra voaresaka tetsy ambony, ary koa hiresaka ny fomba hanovan'ireo fitaovana vaovao ao anaty aterineto ny fomba hitantarana ireo tantara sy ny fandinihana izany (raha toa ka).
Public Privacy: Cyber Security and Human Rights (Ny Tsiambaratelom-bahoaka: Fiarovana ao anaty Aterineto sy ny Zon'olombelona) avy ao amin'ny iversity.org
Aterineto dia, tena dia: Kianjan'ny olona tsy misy lalàna ve ny aterineto? Hodinihan'ity fampianarana ity ny fifanarahana misy eo amin'ireo fenitra iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona, ireo lamina sy fandehan'ireo rafitra politika sy lalàna ary ny rafitra fiarovana ny ao anaty aterineto an-dàlam-pitomboana. Ireo adihevitra momba ny fahaverezan'ny fiandrianan'ny fanjakana manoloana ny fiarovana anaty aterineto, mikambana amin'ny hevitry ny fahalalahan'ny aterineto sy ireo andraikitry ny mpampiasa ary ny olom-pirenena dia mampametraka ny fanontaniana, raha azo ampifanantonina na tsia ny andraikitry ny tsirairay sy ny an'ny fanjakana mifototra amin'ny fitoviana sy ny zon'olombelona.
The DO School Start-Up Lab (Ny Labôratoara Fanombohana ny Fianarana DO/TANTERAHO) avy amin'ny iversity.org
Tsy mora mihitsy ny maka ireo hevitrao tsara sy ny mamadika azy ireo ho zava-misy. Hanampy anao hitsahatra hanonofy sy hanomboka hanaTANTERAKA io Laboratôara Star-Up io, hampahafantatra anao ireo dingana ilaina amin'ny firosoana. Natao ho an'ireo olona manana hevitra marimpototra hiaingana ity fampianarana ity satria manohana ny fametrahana ireo dingana voalohany mifanaraka amin'izany io fampianarana io. Hanampy anao hifantoka amin'ny hevitrao hanana toetra miavaka maro misy lanjany ho an'ny fiarahamonina izany. Manome loharano sy fahalalana io fampianarana io avy amin'ny fakàna tàhaka ireo mpitarika anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny start-up ary manome topimaso momba ireo traikefam-pianaran'ireo mpitantana ara-tsosialy hafa manomboka misongadina.
Mahazoa fahafinaretana!
Nalaina tao amin'ny ny Wikimedia Commons teo ambany famelàny ny Sary famantarana ny MOOC.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...