Tantara mikasika ny Fanarahamaso
Netizen Report: Sary Mpanao Hatsikana Misy Soratra Mamazivazy ny Praiminisitra Mameno an'i Malayzia
Miparitaka ny sary misy soratra amin'ny endrika mpanao hatsikana mamazivazy ny Praiminisitra Malayziana Najib Razak taorian'ny fandrahonana ilay mpanakanto an-tsary Fahmi Reza avy amin'ny polisy Malayziana noho ny famoahana ny sarin'i Razak ho toy ny mpanao hatsikana.
Apetrak'i Shina ny “Komisariàn'ny polisin'ny fiarovana an'aterineto” any anaty orinasan-tranonkala mba…
Hatramin'izao, ireo mpamatsy votoaty amin'ny aterineto no misahana ny fitantanana ny resaka amin'ny aterineto.
Hiafina Tsy Ho Fantatr'Olona Na tsia: Ahoana No Tokony Ho Fanapahankevitr'Ireo Mpitoraka Bilaogy ?
Niaraha-nanoratra tamin'i Nani Jansen, izay talen'ny sampana lalàna an'ny Media Legal Defence Initiative (Fandraisana Andrakitra Miaro Ny Media Amin'ny Raharaham-pitsaràna) ity lahatsoratra ity. Tokony tsy ho fantatry ny olona ve ianao amin'ny Aterineto? Raha tokony hanome hevitra ho anà mpitoraka bilaogy, mpanao gazety tsy miankina, na mpikatroka mafana fo amin'ny...
Digital Citizen 2.8 (Olom-Pirenena Nomerika)
Ny Digital Citizen dia jeritodika fanao in-droa isan-kerinandro amin'ireo vaovao, politika ary fikarohana momba ny resaka zon'olombelona any amin'ny tontolo Arabo. Ity boky ity dia mijery ireo famoretana atao ao Kaoety, ny fanafihana DDoS tao Libanona, ary zavatra maro hafa.
Ny Filaminam-Pirenena No Tanisain'i Tiorkia Hampidirana Ny Fifehezana Ny Aterineto
Fiarovana vonjimaika ihany no nomen'ny fitsaràna ho an'ny olompirenena manoloana ny ady am-pitaka ataon'i Ankara amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiainana manokana, ka dia miketrika lalàna hihoarana azy ireny ny governemanta.
La Nation: Manomboka Ny Fanenjehana Ireo Tsy Mitovy Hevitra
Niteraka resaka be teto Madagasikara ny mikasika ilay artikla faha 20 mikasika ny heloka atao ety anaty habaky ny serasera (cybercriminalité). Betsaka ny ranomainty no efa niraraka, maro ny feo no efa nisandratra sy niakatrakatra nanakiana azy iny, saingy dia lany teny amin'ny Antenimiera ihany moa ilay izy. Mitranga ankehitriny...
Snowden, 365 Andro Aty Aoriana: Amin'ny 5 Jiona Hoavy Izao, Lazao Hoe Tsia Amin'ny Fanarahamaso
Efa herintaona sahady izay no nisian'ny ampamoaka nataon'i Snowden. Koa amin'ny 5 Jona hoavy izao, hanatanteraka hetsika, fanerena ny mpanao lalàna ireo mpikatroka ary hikarakara hetsika mivantana hanoherana ny fanarahamaso faobe.
Ny Adin'ny Fanonganam-panjakana Sy Ny Fanapariaham-Baovao Ao Thailand
Miteny ny miaramila fa tsy maintsy hanara-maso ny TV, ny fampielezampeo ary ny aterineto ho toy ny làlana iray hiantohana fa “marina” sy “mahitsy” ny vaovao aparitaka ho an'ny vahoaka.
Mpikambana Enina Aminà Bilaogy Itambaram-be Nosamborina Tao Etiopia
Nitatitra ireo mpiara-dia fa tanora enina mpanoratra, samy mpikambana ao amin'ny bilaogy itambaram-be "Zone Nine" avokoa, no tazonina ao amin'ny Maekelawi , toby famonjàna ao Addis Abeba.
Fifaninanana Web We Want: Mamaly Fanafihana Ny Mpanao Sariitatra!
Iray volana izay, nanasa ireo mpanakanto rehetra ny fifaninana Web We Want mba hamokatra sarimiana momba ny lohahevitra fanarahamason'ny NSA ho fanohanana ny Andro Iraisam-pirenena #TheDayWeFightBack. -- ireto avy ary ireo mpandresy tamin'izany!