Tantara mikasika ny Fanarahamaso tamin'ny Jolay, 2013
MERCOSUR Sy Ny Hoavin'ny Aterineto Any Amerika Latina
Ny Zoma lasa teo, namoaka fanambarana hentitra manohitra ny fanaraha-maso goavana ataon'ny governemantan'i Etazonia ny olom-pirenena ao aminy ireo mpitondra ambony ao amin'ny governemantan'i Amerika Latina nandritra ny fihaonana maika nataon'ny MERCOSUR, firaisana ara-toekarena sy ara-diplomatikan'ireo mpitarika any Amerika Atsimo. Manakaiky io fihaonana io, nisy vondron'olona mafana fo, mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony ary Fikambanana tsy miankina avy ao Amerika Latina nanoratra taratasy misokatra [es] ho an'ny MERCOSUR, manasa ireo mpitondra haka ny hevitry ny fiarahamonina sivily mba hananganana politika miaro ny zon'olombelona ao amin'ny faritra
Rosia : Mampisara-kevitra Ny Mpiaro Ny Zon'Olombelona i Snowden
Misara-kevitra manoloana an'i Edward Snowden sy ny fikarakaran'i Kremlin ilay mpiasan'ny NSA taloha, mbola eo ambany fahefan'ny Seranam-piaramanidin'i Moskoa ao Sheremetyevo ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona rosiana.