Netizen Report: Sary Mpanao Hatsikana Misy Soratra Mamazivazy ny Praiminisitra Mameno an'i Malayzia

(Malaysian Prime Minister Najib Razak depicted as a clown.) Image: @kuasasiswa / Twitter

(Praiminisitra Malayziana Najib Razak naseho ho toy ny mpanao hatsikana.) Sary: @kuasasiswa / Twitter

Manome topi-maso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena sy vaovao malaza momba ny zo an’ aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.

Miparitaka ny sary misy soratra amin'ny endrika mpanao hatsikana mamazivazy ny Praiminisitra Malayziana Najib Razak taorian'ny fandrahonana ilay mpanakanto an-tsary Fahmi Reza avy amin'ny polisy Malayziana noho ny famoahana ny sarin'i Razak ho toy ny mpanao hatsikana. Natao hitsikerana ny Lalànan'ny Fikomiana ao amin’ ny firenena ny lahatsoratra sy ny sary. Ho setrin'ny sary sy ny lahatsoratra nataon’ i Reza, dia nisioka taminy ny Foibem-Panadihadiana  Misahana ny Famotorana an'ny Polisy an-tSerasera ary nilaza hoe: “Arahin'ny polisy maso akaiky ianao izao. Ampiasao ny maha-tompon'andraikitra anao amin'ny kaontinao sy araka ny lalàna. Niaro an'i Reza ny Grafik Rebel Untuk Protes & Aktivisme, ary nandrisika ireo mpanohana mba hisioka sary mpanao hatsikana miaraka amin'ny diezy #kitasemuapenghasut, na”mpampisara-bazana daholo izahay rehetra”. Ho setrin'ny fandrahonana, dia nanambara ny fanebahana ho toy ny endriky ny fanehoana kanto izay tsy maintsy “arovana amin'ny fomba rehetra” i Reza.

Milaza i Oganda fa tsy misy tambajotra sosialy lehibe mandeha mandritra ny andron'ny fifidianana filoham-pirenena

Nakaton'i Oganda ny Facebook, Twitter, WhatsApp, sy ny tolotra momba ny vola amin'ny finday tamin'ny 18 Febroary, androm-pifidianana filoham-pirenena, fifidianana izay nantsoin'ny BBC fa fifaninanana nifanety indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Nilaza ny Filoha am-perinasa Yoweri Musuveni, izay nitantana ny firenena nandritra ny 30 taona fa natao hanakanana ny olona tsy “hilaza lainga” ny fanakatonana ary nampiany fa “raha te hanan-jò ianao, ampiasao araka ny tokony ho izy izany.” Maro tamin’ ny Ogandey no nitodika tany amin'ny tambajotra virtoaly manokana mba hiodinana amin'ny fanakatonana, ka nahatonga ny diezy #UgandaDecides halaza tao amin'ny Twitter. Andrasana hivoaka amin'ny Asabotsy ny valim-pifidianana.

Voahidy noho ny faniratsirana ny Sultan ao Oman
Nomen'ny governemantan'i Oman sazy telo taona an-tranomaizinan ilay mpikatroka antserasera Hassan Al Basham noho ny fiampangana azy ho “maniratsira ny Sultan” sy mampiasa aterineto amin'ny fomba hita fa mety “hanohintohina ny soatoavina ara-pivavahana.” Tamin'ny lahatsoratra navoakany, niaro ireo gadran'ny fanehoan-kevitra sy nanatontosa hetsika ara-tsosialy sy maha-olona i Al-Basham, araka ny tatitry ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Helodrano.

Lahatsoratra Facebook  momba ny fifanarahana ratsy nataon'ny fitondram-panjakana nitarika fiampangana fanalam-baraka tao Ghana
Notorian'ny lefitry ny mpampanoa lalàna noho ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny Facebook i Evron Hughes, mpaneho hevitra mavitrika momba ny resaka ara-tsosialy sy ara-politika. Mikasika ny fifanarahana mampiadihevitra teo amin'i Ghana sy ny orinasa Vondrona AMERI ao Dubai ny lahatsoratra, izay voalaza fa nampitombo tafahoatra ny vidin'ny motera iray mandeha etona 10 ny governemanta Ghaneana.

Mangataka amin'ny Apple hamaha ny sora-miafina amin'ny iPhone ny FBI . Milaza ny Apple fa tsy misy hevitra izany ry Jose!

Nahazo tehaka miely patrana tamin'ny aterineto ny Apple tamin'ity herinandro ity noho izy tsy nanaiky nandray ny fepetra nangatahan'ny FBI izay nolazain'ny orinasa fa mety manimba ny fiarovana ny rafitra fikirakirana iOS izany. Nanantena ho afaka miditra amin'ny iPhone ampiasain'i Rizwan Syed Farook, iray amin'ireo nahavita ny fitifirana tao San Bernardino tamin'ny Desambra lasa ny FBI, saingy tsy nanaiky ny Apple hatramin'izao, mitanisa fa hampididoza amin'ny lafiny fiarovana izany sy olana eo amin'ny lafiny ara-pitsarana. Tamin'ny 16 Febroary, namoaka fanambarana ho an'ireo mpanjifan'ny Apple ny Filoha Tale Jeneraliny, Tim Cook, izay manasongadinana ny fijerin'ity orinasan'ny teknolojia ity, fa ny fananganana rafitra fikirakirana tsy voaaro hamoahana ho azo vakiana ny soramiafina amin'ny iPhone tokana dia mety voalohany indrindra hanimba ny fiarovana an'ireo fitaovana rafitra fikirakirana iOS hafa an-tapitrisany ary faharoa, mety hametraka “maodely mampidi-doza” ara-pitsarana amin'ny alalan'ny fanitarana tafahoatra ny fahefan'ny governemantan'i Etazonia. Miombon-kevitra amin'izany ny ACLU, EFF sy ny maro ao amin'ny Reddit. Nandefa fanaraha-maso amin'ny alalan'ny FAQ (Fanontaniana sy Valiny) avy eo ny Apple, namaly ireo fanontaniana maro amin'ny fepetra noraisiny, namaly bontana tamin'ny alalan'ny taratasy misokatra am-pahibemaso ny talen'ny FBI. Ao anatin'ny adihevitra mafana momba ny fanafenan-tsoratra, ny fiainana manokana, sy ny fiarovam-pirenena, efa niteraka adihevitra fanampiny sahady ny fanambaran'ny Apple.

Ô ry haino aman-jery vahiny: manana fitsipika vaovao ho anao ny governemanta Shinoa

Namoaka fitsipika vaovao mandràra ny haino aman-jery vahiny tsy hamoaka votoaty antserasera ao Shina, izay manankery manomboka ny volana Martsa ny Minisiteran'ny ny Indostria sy ny Teknolojiam-baovao ao Shina. Hotakiana ihany koa ireo mpamoaka votoaty antserasera mba hitahiry ny lohamilina sy ny fitaovan'izy ireo ara-teknika ao Shina. Hamely mafy ireo fampahalalam-baovao tandrefana tahaka ny New York Times, Bloomberg ary Dow Jones ny fitsipika, satria nanao fampiasam-bola goavana tamin'ny famokaram-baovao ho an'ny mpijery sy mpihaino ao Shina izy ireo. Antenaina, na izany aza, fa ho sarotra ny hampihatra ilay lalàna.

Nanampy tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Weiping Li, Hae-in Lim, ary i Sarah Myers West.

Misoratana anarana

Netizen Report

amin'ny imailaka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.