Hong Kong: Miampanga Ny Youtube Noho Ny Famafàna Asa Nahazoan-dàlana Ny Vondrona Mpiahy Ny Asa Nadika

Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Toy izao no namalian'ny Google ity lahatsoratra ity :

Fafànay ireo lahatsary rehefa maharay fitarainana avy amin'ny tompon'ny votoaty izahay fa hoe manitsakitsaka ny zon'ny mpamorona izay azy ireo ny lahatsary. Raha toa mampiasa ny foto-drafitrasanay mibaiko tena amin'ny fitiliana ny votoaty ilay tompony, rehefa mifanaraka amin'izay votoaty avy amin'ny tompony ilay nakarina, dia mampihatra fotsiny ny fepetra amin'ilay lahatsary ny Youtube arakaraky ny fepetra napetraky ny tompon'ilay azy tenany ihany koa — na izay famadihana ho vola, na fanaraha-maso, na fibahànana

Namoaka fanambaràna iray ny Vondrona Mpiahy ny Asa Nadika any Hong Kong vao haingana izay, miampanga ny Youtube noho ny famafàny hira iray nadika nahazoana alàlana ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny filentehan'ny sambo farany teo.

[Fanavaozana: misy valinteny voalohany avy amin'ny Google manazava ny fizotran'ny fanesorana: vantany vao manivana ilay hira izy ireo, mety hanontany ny tompon'ny copyrights, amin'izany tranga izany dia fantatry ny UMG ny tokony hiatrehana azy. Manana safidy telo ny tompon'ny copyrights: 1. mamela ny lahatsary amin'izao; 2. mametraka dokam-barotra ao anatiny sy mamorona làlana ho an'ny UMG; 3. manaisotra ilay nandika lalàna. Raha mikasika ny adihevitra amin'ny fampiasàna ara-drariny kosa, ny tompon'ny zon'ny mpamorona sy ny mpamorona ilay asa nadika no mifamaly. Tsy afaka hanao mpitsara ny Youtube amin'ny fanapahan-kevitra mikasika ny votoatin'ilay zavatra navoaka, noho ny fepetra tsy fitanilàn'ilay vohikala. Na izany aza anefa dia mbola namoaka fanambarana ampahibemaso [zh] ihany ny UMG milaza fa tsy nilaza tamin'izy ireo mikasika ilay famafàna ny Youtube.]

Ilay hira, Hong Kong feno Fitiavana,《大愛香港》, dia asa nadika avy amin'ilay tononkira tena izy nosoratana sy ilay feon-kira niangalian'i Adrian Chow. Miaraka amin'ny fahazoan-dàlana avy amin'i Chow, namorona ilay hira vaovao ny mpanoratra hira nadika malaza, San Kala (山卡啦)izay nohirain'i G Major (G大調).Na izany aza anefa dia voafafa io hira io taoriana kelin'ny nampakàrana azy tao amin'ny Youtube.

Nampiakarin'i G Major io hira io. Araka ny voalazan'i G Major dia nosoratana tamin'ny trindrim-peo feno fandrahonana io taratasy fampitandreman'ny Youtube io. Milaza izany fa: Raha nahazo fanamarihana fandikan-dalàna iray hafa izahay, hofafanay ny kaontinao sy ireo lahatsary rehetra nakarinao…. Miangavy anao hamafa ireo lahatasary rehetra tsy anananao copyright ary miangavy anao tsy hampakatra lahatsary hafa mandika ny zon'ny mpamoronan'olon-kafa”.

Ilay taratasy fampitandremana mikasika ny fandikan-dàlana tao amin'ny Youtube ho an'i @Gmajmusic

Manamarika ny fanambaràna ahiahy avy amin”ilay vondrona ny 8 Oktobra fa nanaisotra ny fahalalahana mitenin'i G Major, San Kala ary ireo mpamorona asa nadika hafa izany karazana fanambaràna izany.

Nanamarina izany tany amin'ny Vondrona Mozikaly Eran-tany (UMG), orinasa mpitantana ny copyright mikasika io raharaha io, ilay vondrona mpiahy. Nilaza ilay orinasa fa tsy namoaka fitarainana na iray aza tany amin'ny Youtube ary nanazava fa ny fitiliana mibaiko tenan'i Youtube no namafa izany.

Anatin'ilay taratasy fampitandremana, nilaza ny Youtube fa izany famafàna izany no natao mifanaraka amin'ny lalàna momba ny zon'ny mpamorona any Etazonia. Raha marina izany, hoy ilay vondrona mpiahy, tokony ho eo ambanin'ny fiarovan'ny fampiasàna ara-drariny sy ny fanavaozan-dalàna voalohan'ny Lalàm-panorenana ao Etazonia ny asa nadika.

Ilay vondrona mpiahy dia mangataka ny Youtube:

1. Hamerina ilay lahatsary “Hong Kong, with Love”
2. Hanitsy ny fanambaràn'ny Youtube teo aloha izay nilaza fa nanitsakitsaka ny zon'ilay tompon'ny zon'ny mpamorona i San Kala sy G Major.
3. Hifona amin'i San Kala sy G Major
4. Tokony hanajanona ny fanendrikendrehana ny asa nadika ho meloka ny Youtube, fa tsy hampiasa fitiliana mibaiko tena sy hamàfa ireo asa tsy nanontaniany akory raha nahazo alàlana, na fampiasàna amin'ny fomba ara-drariny fotsiny ihany ilay asa.
5. Manazava amin'ny daholobe ny fomba nahatongavana tamin'ny fanapahan-kevitra hamafa ny Hong Kong with Love.

Ny fanambaràn'ilay Vondrona Mpiahy amin'ny teny Sinoa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.