“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Ireo Sehatra Tsy Andairan'ny Copyright Any Shily

Fanamarihana: Ny lahatsoratra [es] tena izy nosoratan'ny Derechos Digitalesdia navoaka tamin'ny teny Espaniola, ary nadikan'i Silvia Viñas.

Tanatinà lahatsoratra teo aloha tanatin'ny andian'ny #NoTemasaInternet [es] (Aza Matahotra ny Aterineto), nanazava ny antony maha-ilaina sy mampitsiriritra ireo sehatra tsy iharan'ny copyright izahay, indrindra anatin'ny tontolon'ny dijitaly, tahaka ny asehon'ity lahatsary ity:

Taorian'ireo fihetsiketsehan'ny fiaraha-monina sivily [es] sy ireo adihevitra notanterahina manodidina ny Lalàna vaovao mikasika ny haren-tsaina ao Shily, afaka nampivelatra ireo fepetran'ireo sehatra tsy handairan'ny copyright ireo Shiliana mpisolovava. Ohatra, ankehitriny dia afaka mandika lahatsoratra iray ho azy manokana tsy mila fangatahana alalana amin'ny tompon'io lahatsoratra io ireo mpianatra. Taona vitsy lasa izay, tsy nanome alalana ho anà fampiasàna ara-drariny anatinà tranga tahaka izao ny lalàna, ny famelàna ireo mpianatra sy ireo hafa te-hampiasa ireo lahatsoratra ho amin'ny resaka sehatry ny fianarana ambony na amin'ny fianarana ho tandindonin-doza amin'ny fandikan-dalàna.

Fandresena ho an'ny vahoaka sy ho an'ireo mpamorona tsanganasa kanto, akademika, ary siantifika ihany koa ny fivelaran'ireo sehatra tsy handairan'ny copyright. Na dia afaka manana sehatra bebe kokoa sy tsara kokoa tsy iharan'izany aza isika, ary na dia mbola misy aza ireo rahona mitatao eo amin'ireo sehatra ireo [es], mbola mampahery kokoa ny toe-javatra misy ankehitriny noho izay nananantsika taona maro lasa izay, ary nampisy ohatra tsara mihitsy aza ho an'ireo firenena maro ao Amerika Latina.

Miaraka amin'ity infografika vaovao [es] avy amin'ny #NoTemasaInternet (Aza Matahotra Ny Aterineto) ity, tianay ianao hianatra ireo karazana sehatra tsy iharan'ny copyright any Shily. Te-handirisika anao ihany koa izahay hampiasa azy ireny tsy am-pihambahambana izahay. Zonao izany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.