Fanamarihana: nivoaka tamin'ny teny Espaniola ny lahatsoratra tena izy [es] nosoratan'ny Derechos Digitales, ary nadikan'i Silvia Viñas.
Tsy fanitaran-javatra ny filazana fa nanova ny fomba famoronantsika sy fahazoantsika fahalalàna ny Wikipedia, amin'ny fampisehoany lasitr'asa ara-tsaina maharitra sy misy fiaraha-miasa ary ny fahatakarana ny zava-niseho tahaka ny fizakà-manana ara-tsaina. Vitan'ity sehatra ity ny mampifandray antsika rehetraamin'ny fomba samy hafa amin'ny fahalalàna, ary namotsy ireo lasitra voafetra amin'ny fanovozana fahalalana ihany koa izy.
Anatin'ity fanadihadiana vao haingana avy ao amin'ity fanentanana #NotemasaInternet ity (Aza matahotra ny Aterineto) mikasika ny fizakà-manana ao anaty aterineto ity, niresaka tamin'i Osmar Valdebenito izahay, filohan'ny Wikimedia ao Arzantina (sady filohan'ny sampana Shiliana teo aloha), fikambanana izay mandrindra sy manao izay hisian'ny fotodrafitrasan'ny Wikipedia eran-tany. Niresaka taminy mikasika ny fomba fiasan'ny Wikimedia izahay, nefa niresaka ihany koa ny mahatonga ny fahalalahana miteny ho fototra iaingan'ny fivoarany, sy ny mahatonga ireo hetsika mikatsaka ny hamepetra ny fizakà-manana ao anaty aterineto (SOPA, PIPA, sns.) tsy hampisy ny Wikipedia araka izay efa fantatsika.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...