Tantara mikasika ny Swahili
Fifidianana Solombavam-bahoaka Tanzania 2015: Faharesena Ho An'ilay Antoko Naharitra Ela Indrindra Teo Amin'ny Fitondrana Aty Afrika ?
"Matahotra ny ho resy ny antoko eo amin'ny fitondrana dia manao fomba tsy demokratika mba hijanonana eo amin'ny fitondrana."
Mety Ho An'ireo Fiteny Rehetra Any Azia Atsimo Ny Rindrambaiko OCR (Optical Character Recognition) An'ny Google
Mety aminà fiteny maherin'ny 248 eran'izao tontolo izao ny OCR an'ny Google, ka isan'ireo ny fiteny Aziatika Tatsimo be mpampiasa, ary mitondra ihany koa fanantenana hahafahana mandrakitra ho dizitaly, araka izay tratra, ireo lahatsoratra tranainy.
LAHATSARY: Milaza Izao Tontolo Izao Hoe #FreeZone9Bloggers (Avotsory Ireo Bilaogera 9)
Manaramarika ny herintaona nisamborana ireo bilaogeran'ny Zone9 ny Global Voices amin'ny alalan'ity lahatsary nifarimbonana ho fanohanana azy ireo ity. Lazao miaraka aminay hoe: #FreeZone9Bloggers!
Volavolan-Dalàna Momba Ny Heloka Antserasera Ao Tanzania: Fahefana Bebe Kokoa ho an'ny Polisy, Kely Kokoa ho an'ny Vahoaka
Milaza ny mpitarika mpanohitra ny lalàna avy ao amin'ny fiarahamonim-pirenena fa hitory ny governemanta izy ireo raha manasonia ny volavola ho lasa lalàna ny filoha.
Hampianatra Amin'ny Fiteny Swahili I Tanzania
Tamin'ny Febroary lasa teo, nanavao ny rafitra fanabeazana ao aminy i Tanzania. Isan'ireo fiovàna goavana nataony ny fametrahana ny fiteny swahili ho teny entina mampianatra any an-tsekoly.
Antontan-taratasy Tafaporitsaka Mamafy Aloka Momba Ny Hoavin'ny Fitrandrahana Entona Fandrehitra Ao Tanzania
Tafaporitsaka ho hitan'ny besinimaro, fifanarahana iray fifampizaràna famokarana entona governemanta Tanzaniana sy ny "Statoil" orinasa maro rantsana avy any Norvezy, no manasongadina ny hoe lasa resaka manohintohina ny resaka fidiram-bola avy amin'ny toeram-pitrandrahana entona ao Tanzania—sy ny hoe iza no mahazo tombontsoa amin'izy ireny.
Tanzania: Jery Todika Ny Fiomanana Tamin'ny Fitsidihan'i Obama
Niverina tamin'ny andavanandro i Dar es Salaam, roa andro taorian'ny nandraisany ilay lehilahy tsy iadian-kevitra fa mahery eto amin'izao tontolo izao : ny Filohan'i Etazonia Barack Obama. Nanerana ireo làlana tao an-tanàna ny sarin'io lehilahy io.
Fanentanana #Nimeregister Hampiroboroboana Ny fisoratana Anarana Hifidy Ao Kenya
Mampiasa ny tenifahatra #nimeregister ny keniana ao amin'ny Twitter handrisihana ny hafa hifidy sy hizara ny fampahafantarana ny fisoratana anarana, zava-niainana ary ny sary. Nimeregister dia fitambaran'ny teny Swahili sy anglisy (Sheng) izay midika hoe "nisoratra anarana aho."
Tena Niala An'i Goma, RDC Tokoa Va Re Ny Mpihoko M23?
Tohanan'ny governemanta Roande, ny mpihoko M23 no mifehy ny tanànan'i Goma ao amin'ny faritr'i Kivu, akaikin'ny sisintany Roande. Na eo aza ireo tatitra hoe nanaiky ny hisintaka an'i Goma ireo mpihoko, dia toa mbola misy hatrany ny fisalasalàana goavana mikasika ny hoe rahoviana izy ireo no tena hanao izany tokoa.
Tanzania: Veloma Farany Ho An'ilay Kalazan'ny Sarimihetsika
Nanao veloma farany ho an'ilay mpilalao sarimihetsika malaza indrindra, Steven Kanumba, 28 taona, i Tanzania, nampihetsim-po tanteraka ny fandevenana azy tamin'ny 11 Aprily 2012. Namoy ny ainy izy ny Asabotsy maraimbe, rehefa avy nifamaly tamin’ ny sakaizany Elizabeth ‘Lulu’ Michael. Olona maherin'ny 30,000 no tonga nanome voninahitra azy farany tao an-drenivohitra, anisan'izany ny...