Tanzania: Jery Todika Ny Fiomanana Tamin'ny Fitsidihan'i Obama
Niverina tamin'ny andavanandro i Dar es Salaam, renivohitra ara-barotr'i Tanzania, roa andro taorian'ny nandraisany ilay lehilahy tsy iadian-kevitra fa mahery eto amin'izao tontolo izao : ny Filohan'i Etazonia Barack Obama. Nanerana ireo làlana tao an-tanàna ny sarin'io lehilahy io.

Sarin'ny Filoha Barack Obama eo amin'ny tabilao fametahana doka any Dar Es Salaam. Sary avy amin'i Sandy Temu.
Naka ny iray tamin'ireo sary eny amin'ny tabilao fametrahana doka sady tahaka ny finaritra tamin'ny famangian'i Obama ity instagrammer ity :
Nilahatra teny an-dàlambe ny vahoaka mba handray ilay Filoha Afrikana-Amerikana voalohany ao amin'ny taniny, araka ny porofoin’ ity sary bitsihana manaraka ity :
@shurufu: Manamorona ny Sokoine Drive ireo Tanzaniana miandry ny fihavian'i @BarackObama any #Tanzania. #ObamainTanzania #ObamainAfrica pic.twitter.com/yXMtpDE9KO
Ampahany amin'ilay herinandro iray lava be namangian'i Obama ireo firenena Afrikana telo ny nitsidihany an'i Tanzania, famangiana ankapobeny voalohany ny tanibe nipoirany hatramin'ny naha-voafidy azy ho Filoha voalohany tamin'ny 2008. Ao ambadiky ny fahatongavany tao Tanzania, Obama dia nanonona drafitr'asa mitentina 7 lavitrisa dolara mba ho famatsiana ny fampidiran-jiro any Avaratr'i Sahara any Afrika. Io, izay no voalaza, dia ao anatin'ny fifanarahana nezahan'ny Filohan'i Etazonia nokolokoloiina, iray amin'ireo miorina amin'ny fampiasàm-bola sy ny fiaraha-miasa :
@whitehouse: “farany, ny tanjona eto ho an'i Afrika amin'izao dia ny hananganana Afrika ho an'ny Afrikana” —Obama tany Tanzania: http://at.wh.gov/mz2hT , pic.twitter.com/pnBCU7bSCQ
Noraisina tamin'ny fomba manetriketrika i Obama tamin'ny fidinany ny fiaramanidina, tahaka ity sary voapikan'i Issa Michuzi, mpaka sary -mpitoraka bilaogy ity ny endriky ny zava-niseho teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Julius Nyerere :

Ny Filoha Obama teo am-pahatongavana tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena. Sary nomen'i Issa Michuzi.
Ny sary toy izao no nahatonga mpibitsika iray hiteny tahaka izao :
@bkyeyune: Finaritra kokoa noho ny tany Afrika Atsimo i Obama tany Tanzania, raha jerena amin'ny sary amin'ny aterineto.
Tsy teny an-dàlamben'i Dar es Salaam ihany ny fahalinana ny amin'ny fitsidihan'i Obama. Nobitsihin'i Gaure Mdee (@Profesy) ity sary avy ao amin'ny tanànan'i Stone, Zanzibar ity izay mampiseho ny vahoaka mijery ny famangiany amin'ny fahitalavitra ao an-toerana :

Zanzibaris (ilazàna ny teratany avy ao Zanzibar) mijery ny famangian'i Obama ao amin'ny fahitalavitra ao an-toerana . Sary avy amin'i@Profesy.
Na dia izany aza, tsy ny rehetra tao amin'ny firenena akory no narisika tamin'ny famangian'i Obama. Ilay lehilahy hita ato amin'ity lahatsary YouTube nalefan'i Omar A. Mohammed, Karabani, Ras Novatus ary John Mahundi eto ambany ity, izay miasa tsy lavitra ny làlana nizoran'ny fiara mitondra ny Filoha dia niteny fa fitiavan-tena no nankanesan'i Obama tany Tanzania ary tsy misy ifandraisany amin'ny fanampiana ny firenena na ny vahoakany ny fotoana laniny tany Tanzania.
Mitovy amin'ny fomba fijerin'i Elsie Eyakuze, bilaogera ao amin'ny Mikocheni Report, io fomba fijery io. Herinandro lasa izay no nampatsiahivany ny teny hoe ‘ fanjanahana amin'ny endriny vaovao’ amin'ny fitantaràna ny marina momba ny famangian'Atoa. Obama :
Misy delegasionanà mpandraharaha an-jatony mandinika izay rehetra azo atao any Tanzania manodidina an'i Obama amin'izao fotoana izao. Misy zavatra mampisalasala ny fiheveran-tena ho mahita rariny kely eo imason'i Amerika eto amin’ ity tontolo ity… ny solika, ny Africom, ny Fiaraha-miasa amin'ny Fampandrosoana ny Taonarivo, ny mpandraharaha – Inona no dikan'ireo amin'izao zavatra iainantsika izao ? Eny, ho aty Tanzania i Barack Obama. Raha toa ka mitondra fiaramanidina feno ny fanajana ny zon'ny mponina ary manindrona izany mivantana any amin'ny làlan-dràn'ny governemantako izy dia ho faly aho. Nefa fantatro fa manana olana kely amin'ny fanajana ny fahalalahan'ny Amerikana na dia izy POTUS aza -toy ny , atao hoe : fahalalahana tsy ho eo ambany fanaraha-mason'ny fanjakana ? *mampiaka-tsoroka.*
Nisy fitarainana momba ny fankalazana be atao amin'ny fahatongavan'ny Filohan'i Etazonia izay tsy mba atao amin'ireo Filoham-pirenena hafa tonga mitsidika tao amin'ny Vijana.FM :
Azoko tsara ny fiomanana lehibe ho fitandroana ny fandriampahalemana amin'ny fandraisana azy, saingy rehefa mandray vahiny ambony ihany ve isika vao tokony hanadio ? Azoko fa hamangy ny firenentsika izy ary angamba manan-javatra tsara maro entina ihany koa, fa ny fomba entintsika mandray azy no kidaladala. Inona no hafatra alefantsika ho an'ireo fanjakana afrikana namantsika , ary indrindra indrindra amin'izao tontolo izao ? Inona no hafatra ampitaintsika amin'ny taranatsika, ireo mpitarika amin'ny fanaovana izany ?
Ankoatra izay, namafisin'i January Makamba, minisitra lefitry ny Hairaha sy ny Haitao, ao amin'ny bilaogy Taifa Letu fa tsy Tanzania na Afrika no mila an'i Etazonia fa Etazonia no mila bebe kokoa an'i Afrika :
Mbola matanjaka ny fitarihan'i Etazonia izao tontolo izao – fara-faharatsiny amin'izao fotoana izao. Ny fanaovana asa soanoho ny maha-olona no fomba iray hitazonana sy hanamafisana izany manoloana ny tsy filaminana eto amin'izao tontolo izao, ny fitrandrahana ny ara-toe-karena, ny fifaninanana ara-kolontsaina. Ary izany no andrasan'ny Afrikana maro- tsy hoe manampy firenena iray noho ny resaka fiarovana na hanaovana paikady fotsiny Etazonia noho ny fampivoarana ny soatoavina- ny fahalalahana, ny fitoviana, ny fandeferana ary ny fampandrosoana ny maha-olona.
Ireo Tanzaniana sasany toa mody faly tamin'ny fitsidihan'i Obama ny fireneny, fomba fijery iray avoitran'ity lehilahy iray ao amin'ny lahatsary asehon-dry Omar A. Mohammed, Karabani, Ras Novatus ary John Mahundi ity, raha niteny rehefa nahita ny fandalovan'ny fiara mitondra ny Filohan'i Etazonia amin'ny làlany mankany amin'ny ‘Trano Fotsy’ :
Nalain'i Ahmed Salim (@asalim86) ny zavatra tsapan'ny firenena omaly hariva rehefa lasa i Obama :
@asalim86: …lasa ny POTUS [Filoham-pirenen'i Etazonia], ndao hiverina amin'ny fiainantsika andavanandro aty #Tanzania
Fa raha mbola adihevitra be ny dikan'ilay fitsidihany, dia tahaka ny efa nametraka sahady ny lova amin'ny maha-izy azy ao an-tanànan'i Dar es Salaam ingahy Obama:
@shurufu: #ObamainTanzania: Barack Obama no anaram-baovao nomena ny Barbara. Cc: @BarackObama pic.twitter.com/IuSXycqsL7
![The newly christened Barabara [Road] ya Barack Obama. Image courtesy of @shurufu.](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/07/Screen-shot-2013-07-03-at-4.30.42-PM-300x300.png)
Anaram-baovao nomena ny làlana Barbara ny hoe Barack Obama. Sary avy amin'i @shurufu.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...