Tantara mikasika ny Boligara
Milisy Sivily Nofanin'i Rosia “Vonona Hiady Amin'ireo Mpitsoaponenana” Any Amin'ny Sisintany Iraisany Amin'i Bolgaria
Fanehoana lehibe ny fitomboan'ny tsy fitiavana vahiny any Bolgaria ny fisian'ireo milisy sivily mpihaza mpitsoaponenana manamorona ny sisintanin'ny firenena . Hatreto, mangina tanteraka mikasika ilay olana ireo manampahefana.
Sarimihetsika Milaza Fa Tokony Hiaraka Hiasa Ireo Mpianatra Avy Ao Afovoany Sy Atsinanan'i Eoropa Hiadiana Amin'ny Kolikoly
Asehon'ny fanadihadiana iray vao navoaka tsy ela akory izay, ny fomba ahafahan'ireo fikambanana tanora samihafa avy amin'ny firenena isan-karazany miaraka miasa hiezahana mampiato ireo aloka iainana izay mazàna no mitranga eny anatin'ny toerana fampianarana.
Mety Ho An'ireo Fiteny Rehetra Any Azia Atsimo Ny Rindrambaiko OCR (Optical Character Recognition) An'ny Google
Mety aminà fiteny maherin'ny 248 eran'izao tontolo izao ny OCR an'ny Google, ka isan'ireo ny fiteny Aziatika Tatsimo be mpampiasa, ary mitondra ihany koa fanantenana hahafahana mandrakitra ho dizitaly, araka izay tratra, ireo lahatsoratra tranainy.
Mirodana Ny Fahalalahan'ny Media Ao Bolgaria
Mbola miharatsy ny fahalalahan'ny fampitam-baovao ao Bolgaria tao anatin'ny taona vitsivitsy izay ary mbola nihintsana laharana 13 izy tamin'ny fampilaharana nataon'ny Reporters Sans Frontieres tamin'ny 2014.
Dibo-Drano Ny Tanànan'i Mizia Ao Bolgaria Taorian'ny Tondradrano Lehibe
Olona an-jatony no very trano fonenana tao amin'ny tanànan'i Mizia, tondraka ny reniranon'i Skat nohon'ny firotsahan'ny orana tsy nisy fitsaharany. Nanao ny ezaka rehetra ny vahoaka Bolgara teo amin'ny fanangonana ireo fanampiana hatolotra ireo traboina.
Koblyakov, Rosiana-Frantsay, Mpikatroka Mafàna Fo Sady Mpanohitra, Nosamborina tao Bolgaria
Ny 29 Jolay 2014 teo, voasambotra tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena tao Sofia, Bolgaria i Nikolay Koblyakov, mpanangana ny "Free Russia" (Rosia Afaka), izay efa an-taona maro no nikarakara hetsi-panoherana manohitra ny fitondran'i Poutine
Mpitsidika Mitantara Ny Fahatsapany Ho Nasian'ny Polisy Bolgara
Nampiasa ny tambajotra sosialy i Vangelis, mpahay siansa politika no sady bilaogera, mba hilazalazàny ny niainany ny otra nataon'ireo polisy Bolgara fony izy teny an-dàlana avy ao Makedonia ho any Polonina.
GV Face: Mibodo ny Hoavin'i Bolgaria Ny Mpianatra
Amin'ny GV Face amin'ity Zoma ity, hiresaka momba ny hoavin'ny fihetsiketsehan'ny mpianatra miaraka amin'ireo mpanoratra avy ao Bolgarie Rayna St (@MaliciaRogue), Nevena Borisova sy Ruslan Trad (@ruslantrad), ary i Danica Radisic (@NikiBGD) isika.
Mitrandraka Avy Any Ifotony Hisian'ny Fifidianana Madio any Bolgaria
Dimy andro latsaka, ny 12 May, ireo mponina Bolgara dia nifidy parlementa vaovao. Misy fisalasalana anefa raha ny ho fanekena ny fifidianana ho avy. Mba hanampiana ny fanaraha-maso ireo fanitsakitsahana ny dingam-pifidianana, namorona fiasana maro ao anatin'ny aterineto ireo Bolgara mpikatroka mafàna fo. Tatitr'i Ruslan Trad.
Tsy Manana Governemanta Intsony i Bolgaria, Mitohy ny Fitokonana
Mitohy ny fitokonana ao Bolgaria: tamin'ny Alahady, tao Sofia sy ireo tanàna hafa; olona an'aliny no nanao diabe nanohitra ny kolikoly, ny halafon'ny fanaovana raharaha ara-panjakana ary ny fahantrana. Nitatitra izany ny Ruslan Trad ao an-drenivohitra Bolgara.