Mirodana Ny Fahalalahan'ny Media Ao Bolgaria

Word Press Freedom map 2014, by Reporters Without Borders.

Sarintanin'ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety 2014, avy amin'ny Reporters Sans Frontieres.

Ratsy ny toerana nisy ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety tao Bolgaria tamin'ny 2013, raha nojerena ny Filaharan'ny Fahalalahan'ny Fanaovan-Gazety Manerantany navoakan'ny Mpitati-baovao Tsy Voasakan-Tsisintany. Saingy mbola niampy trotraka izany tamin'ny 2014. Tao anatin'ny herintaona monja, dia nidina laharana 13 ilay firenena. Ao amin'ny laharana faha-100 amin'ireo 180 noraisina, ary mitana ny rambony ao amin'ny Vondrona Eoropeana, latsaka kokoa noho ireo mpifanolo-bodi-rindrina tahaka an'i Hongria (64) sy Serbia (54).

Taorian'ny vanim-potoana mamaivay voamariky ny hetsi-bahoaka sy ny fifandroritana politika manodidina ny fifidianana parlemantera, dia mbola nitsoraka nakany amin'ny ambany indrindra amin'ny lisitra izany ka niteraka ahiahy temin'ny tao anatiny sy teo ivelan'ny firenena.

Notondroin'ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety Manerantany fa miatrika fandrahonana tena mampanahy tokoa avy amin'ny governemanta sy ireo mpandray anjara tsy avy amin'ny fitondrana ireo mpanao gazety mahaleotena maro, ka maro amin'izy ireo ny mpanangom-baovao fanadihadiana lalina. 

Gerard Choppe, filohan'ny sampana Mpanangom-Baovao Tsy Voasakan-Tsisintany ao Soisa, nahita ny fivangongoam-pizaka-manana sy ny tsy fisian'ny mangarahara ao amin'ny indostrian'ny fampitam-baovao ho sakana lehibe indrindra amin'ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety ao Bolgaria. Nataony fehinteny nandritra ny valan-dresaka hoan'ny mpanao gazety namoahany izao voka-panadihadiana manaraka izany izany “vaovao ratsy” izany :

“България е лош пример по отношение на свободата на медиите.В разговор с български журналисти, те съобщават, че има много цинизъм, много автоцензура и силна липса на надежда. Симптомите не са никак добри. Журналистиката е огледало на обществото, следователно има още много какво да се направи. Дали трябва да се губи надежда и да се примирим – убеден съм, че не бива, нещата могат и ще се подобрят. В това отношение много може да помогне журналистическата солидарност”, каза Чоп. Самият той е бил дългогодишен главен редактор на швейцарското обществено радио, а сега е медиен консултант и се занимава с оценка на качеството на швейцарските медии”.

Ohatra ratsy eo amin'ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety i Bolgaria. Rehefa miresaka amin'ny Bolgara mpanao gazety, dia milaza ry zareo fa be dia be ny resaka alika, ny fanivanan-tena ary ny tsy fisian'ny fanantenana. Ny milaza zavatra tsara mihitsy ny soritr'aretina. Fitaratry ny fiaraha-monina ny fanaovan-gazety, noho izany be dia be ny zavatra tokony hatao. Tokony ho very fanantenana sy hiaritra izany ve isika? Azoko antoka fa tsy tokony hiaritra maina isika, arymety ho tsara kokoa ny toe-draharaha. Amin'io lafiny io, dia afaka manampy be dia be ny firaisan-kinan'ny fanaovan-gazety .

Nandritra io valan-dresaka io ihany, Asen Yordanov, mpikambana iray ao amin'ny tranonkalan'ny sampana fampahalalaham-baovao mahaleotena Bivol ao Bulgaria, niresaka momba ny ampihimamba sy ny fividianana ny media taorian'ny nahatafiditra an'i Bolgaria tao amin'ny Vondrona Eoropeana. Nisy mpanao gazety iray tia mamotopototra lalina izay nifantoka amin'ny ankapobeny amin'ny kolikoly ao amin'ny rafitra ara-pitsarana, Yordanov,  nanondro ny Corporate Commercial Bank (KTB), mpampisambo-bola iray tsy miankina izay nitana anjara lehibe tamin'ny fanaovana ampihimamba ary nilaza avy eo fa bankirompitra tamin'ny 2014. Araka an'i Yordanov sy ny mpanao gazetin'ny Radio Darik antsoina hoe Prolet Velkova, dia nanana anjara toerana manokana teo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao tanelanelan'ny taona  2011 sy 2014 ity Banky ity.

Media mpanao kolikoly sy Vondron'Orinasa Bankirompitra

Nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny The Guardian, ny Bolgariana mpanao gazety Lada Trifonova no namelabelatra toe-javatra iray lazainy fa “manarona” kokoa ny kolikoly sy ny tsy fisian'ny mangarahara eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao ao Bolgaria :

Reporters from the Franco-German television network ARTE were prevented from filming a property owned by one of Bulgaria's richest and most contentious politicians, the oligarch and media owner, Delyan Peevski.

His security guards and police subjected the journalists to unnecessary identity checks. Meanwhile, the Bulgarian video operator – who was hired by ARTE from a local TV channel – was phoned by his boss and ordered to delete the footage.

Nampitantremana tsy haka sary toerana iray an'ny iray amin'ny politisiana manakarena indrindra sy mampiady hevitra ihany koa, ilay mpanambola be saty tompon'orinasa mpampita vaovao antsoina hoe Delyan Peevski.

Nanao fisavana sy fanamarinana fanondroan'olona efa tsy ilaina intsony ireo mpanao gazety ny mpiambina sy ny polisy. Mandritra izany fotoana izany ilay Bolgara mpikirakira lahatsary nokaramain'ny ARTE avy amin'ny fantsona fahitalavitra iray dia nantsoin'ny lehibeny ary nobaikoana hamafa ny lahatsary efa noraiketina

Tamin'ny 14 jona 2013, nisy latsabato parlemantera natao izay nanendry an'i Peevski ho filohan'ny Sampan-draharahan Nasionaly misahana ny Fiarovana niteraka fihetsiketseha-panoherana ny fitondrana nataon'olona an'arivony.

Trifonova, mpanao gazety teo aloha ary efa nahazo ny mari-pahaizana dokotorà amin'izao fotoana izao, niantso ny Vondrona Eoropeana mbola hitazona ny vola lazaina fa hamatsiana ny “teti-panorona ara-pifandraisana”. Hoy izy:

Four years ago, the then biggest foreign media owner in Bulgaria, the German conglomerate Westdeutsche Allgemeine Zeitung (WAZ), sold off all its titles. Its director explained that it was retreating due to “widespread abuse of power” and “the close intertwining of oligarchs and political power, which is poisoning the market”.

In subsequent years, the country's largest media organisation, the New Bulgarian Media Group (NBMG), was supposedly owned by Irena Krasteva, mother of Delyan Peevski.

Efa-taona lasa izay, ny vahiny tompon'ny fampitam-baovao lehibe indrindra tao Bolgaria tamin'izany fotoana izany, dia ny vondron'orinasa mpampita vaovao alemana Westdeutsche Allgemeine Zeitung (WAZ) no nivarotra ny taratasim-pananany rehetra. Nanazava ny taleny fa nihemotra izy noho ny “fanamparam-pahefana miely patrana” sy “fiaraha-miosona akaiky loatra eo amin'ny olombitsy sy hery ara-politika, izay manapoizina ny tsena”.

Nandritra ireo taona manaraka, ny vondron'orinasam-pampitam-baovao lehibe indrindra tao amin'ny firenena, ny Vondrona Media Boligara Vaovao (NBMG), dia noheverina fa fananan'i Irena Krasteva, renin'i Delyan Peevski.

Ny Deutsche Welle Bulgaria koa dia namoaka lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe  “Ny Fitsorahana Lehibe”  izay izay ahitana tsongan-teny maro nalaina avy amin'ny mpahay lalàna Alexander Kashamov sy ny mpahay ara-politika Parvan Simeonov, ka nilazan'i Kashamov fa ilay fanendrena mampiady hevitra an'i Delyan Peevski no iray amin'ireo antony manan-danja nahatonga ny Mpitati-Baovao Tsy Voasakan-Tsisintany nanome naoty ambany dia ambany ny fahalalahan'ny haino aman-jery Bolgara tamin'ny 2014. Nampiany ihany koa fa ny hetsi-panoherana no nampiakatra ny fitokisam-bahoaka tamin'ny tambajotra sosialy ho “fifandraisana mahasolo toerana” ny haino aman-jery nentim-paharazana.

Caricature of the Bulgarian far-right politician Volen Siderov and media by Christo Komarnitzki, used with permission

Sariitatr'ilay politisiana bolgara farany ankavanana Volen Siderov sy ny media nataon'i Christo Komarnitzki, nahazoana alalana

Ny Vondron'ny Media Mahaleo Tena

Iray amin'ireo mpampita vaovao an-tserasera mpitsikera ny fironana mankany amin'ny fiankinan-doha sy ny tsindrin'ny governemanta amin'ny asam-panaovan-gazety ny tranonkalam-pandrasarasàna E-vestnik. Ao amin'ny iray amin'ireo fandrasarasana nataony momba ny fampitam-baovao Bolgara, dia nanaovan'ilay fampitam-baovao an-tserasera kipetapetaka ny lohateny lehiben'ilay gazety malaza izay mamoaka ny sarin'ny praiminisitra Boyko Borisov nandritra ny andro maromaro ahitana takelaka maro momba an'i Borisov sy ny governemantany.

Noho ny fijoroana mahitsy sy tsy ara-barotra, dia vola kely no azon'ny fampitam-baovao tsy miankina maro avy amin'ny dokambarotra, fa mbola manana mpanaraka vitsy sy tsy miovaova, izay ny ankamaroany dia ireo olona mitady loharanom-baovao hafa.

Araka an'i Simeonov, dia voazarazara ho “ankolafy” miezaka ny handresy lahatra sy hanome lanja ny politika sy ny rafitra Boligara nampanembona fahiny ny tontolon'ny media. Nanao fehin-teny izy avy eo:

В България липсва доверие към публичността. Налице е презумпцията, че всичко е платено или може да се купи. Дефицитът на морал е повсеместен. Това твърдение се отнася и за политиците, и за медиите, и за хората, които коментират политика, за всички, които имат допир с тях. “Свободата” на изразяване в българските медии достига абсурдни измерения.

Ao Bolgaria misy ny fahabangan'ny fitokisana dokambarotra. Lasa eritreretina avy hatrany fa voavidim-bola daholo ny zava-drehetra na azo vidim-bola. Manjaka any amin'ny daholobe [ankehitriny] ny tsy fitokisana. Mihatra amin'ny sehatry ny politika, amin'ny media sy ny olona maneho hevitra ara-politika, ary amin'ny rehetra mifanerasera amin'ireo fampitam-baovao ireo izany resaka izany. Tonga any amin'ny dingana tsy mitombina intsony ny “fahalalahana” miteny ao amin'ny haino aman-jery Bolgara.

Na dia eo aza ny zavamisy ankehitriny, dia misy ihany ny sisam-pahazavana any amin'ny faran'ny tonelina amin'ny 2015 — raha tsy manam-pahataperana ny fitsontsorika, dia azo atao ihany koa ny fanatsarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.