Ny 8 Oktobra 2016, farafahakeliny Namono olona niisa 140 ary nandratra olona maherin'ny 525 isa tao Sanaa, renivohitr4I Yemen ireo fanafihana an-habakabaky ny vondron-kery tarihan'i Arabia Saodita, araka ny Firenena mikambana.
Ireo fanafihana an-habakabaka dia nikendry fandevenana nataon'i Jalal al-Ruweishan (جلال الرويشان), minisitry ny raharaha anatiny, izay miara-dia amin'ny Houthis, ilay vondrona mpihoko izay naka ny fifehezana an'i Sanaa ny taona 2015 ary tsy mivadi-belorano amin'ny Filoha teo aloha, Ali Abdullah Saleh (علي عبدالله صالح). Ny Houthis dia niady tamin'ny governemantan'i Abd Rabbuh Mansur Hadi (عبدربه منصور هادي), notohanan'ny vondron-kery tarihan'i Arabia Saodita mafy, izay hatrizay, fantatra ankehitriny amin'ny hoe Ady An-trano Yemenita.
Efa nandà ny fananany andraikitra tamin'ilay fanafihana ny vondron-kery tarihan'i Arabia Saodita. Al Arabiya nitanisa ilay vondron-kery tahaka izao :
التحالف العربي: لم تنفذ اي عمليات جوية مكان التفجير بصنعاء #العربية_عاجل
— العربية عاجل (@AlArabiya_Brk) 8 October 2016
Tsy nanao hetsika an-habakabaka na kely aza tany amin'ny toerana nipoahan'ny baomba tany Sana'a izahay
Nodohifin'ny Trano fotsy, teo noho eo ilay fanambaràn'ny vondron-kery, Trano Fotsy izay mpanohana voalohany an'i Arabia Saodita eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, izay namoaka izao fanambaràna manaraka izao:
Tsy famoaham-bola malalaka tsy misy fanaraha-maso akory ny fifanarahan'i Etazonia sy Arabia Saodita amin'ny resaka fandrindràna ny filaminana. Nampanao famakafakana avy hatrany izahay momba ny fanampianay ny vondron-kery tarihan'i Arabia Saodita, izay efa nahena rahateo, ary manomana ny hampirindra ny fanampianay mba hifanaraka ireo fotokevitra, soatoavina ary tombontsoa Amerikana, tafiditra amin'izany ny fahatratrarana ny fitsaharana avyhatrany sy maharitry ny fifandirana mahonena ao Yemen.
Avy eo, nanambara i Arabia Saodita fa hanao fanadihadiana mikasika ilay fandarohana, niantso io ho “mampalahelo sy mahonena,” ora maro taorinan'ny nandàvany ny fandraisany anjara tamin'ilay tranga:
Last night #Saudi coalition insisted no role in strike – embarrassing turn around now as its forced to launch probe https://t.co/0XpOJRk8iR pic.twitter.com/c37Ewuck0B
— Sophie McNeill (@Sophiemcneill) 9 October 2016
Ny alina lasa teo, nanantitrantitra ny mpiaradia amin'ny #Saudi fa tsy nanana anjara amin'ny fanafihana – fivoaran-draharaha mahasadaikatra ankehitriny amin'ny manodidina satria tsy nanery ny tsy maintsy hanaovana fanadihadiana izy
Maro ireo mpaneho hevitra, toa an'i Iyad El-Baghdadi, no nanamarika fa vita tany Etazonia ireo baomba nampiasain'ny vondron-kery tarihan'i Arabia Saodita:
The bombs used in yesterday's massacre in Yemen by the Saudi-led coalition were made in the United States https://t.co/5gX9dJO7DT
— Iyad el-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) 9 October 2016
Vita tany Amerika ireo baomba nampiasain'ny vondron-kery tarihan'i Arabia Saodita tamin'ilay vono-olona omaly tany Yemen
Vinavinaina ho mbola hitombo ny isan'ireo maty satria mbola mitohy mandray maratra hafa hatrany ireo hopitaly. Nanameloka ilay fanafihana ny sampana Yemenitan'ny Biraon'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fandrindrana ireo Raharaha Fanampiana noho ny Maha Olona (OCHA), milaza izao:
Shock and outrage. Humanitarian Coordinator #Yemen condemns horrific attack on funeral #Sanaa. 140 killed and 525+ injured so far. pic.twitter.com/42Rx1TqlR0
— OCHA Yemen (@OCHAYemen) 8 October 2016
Tohina sy tezitra. Miampanga ny fanafihana mahatsiravina tamin'ny fandevenana tao #Sanaa ny Mpandrindra ny fanampiana noho ny maha olona ao #Yemen. 140 no maty ary maherin'ny 525 ireo naratra hatreto.
Ny Sekretera Jeneraly Lefitry ny Firenena Mikambana misahana ireo Raharaha Fanampiana amin'ny maha-Olona sy Mpamonjy Voina Maika, Stephen O'Brien, no nilaza azy io hoe “mahatsiravina ary feno fankahalàna”:
READ my statement on #Yemen: https://t.co/Ajk4S2Rd5J Horrendous &heinous attack displayed utter disregard for human life. Enough is enough
— Stephen O'Brien (@UNReliefChief) 9 October 2016
VAKIO ny fanambaràko momba ny #Yemen: https://t.co/Ajk4S2Rd5J , fanafihana mahatsiravina sy feno fankahalàna, mampiseho tsy firaharahiana tanteraka ny ain'olombelona. Tena ampy izay.
Tanaty minitra vitsy nisian'ilay fanafihana, nihetsiketsika be tao amin'ny media sosialy ireo Yemenita mpikatroka mafana fo sy mpamakafaka, niampanga ilay fandatsahan-drà. Anwar Dahak, Yemenita mpikatroka mafana fo, nilaza tamin'ny Global Voices fa tonga dia hita mazava be fa niniana nokendrena manokana mihitsy ilay fandevenana:
Nihataka kely tamin'ny toerana nisy ilay fandevenana no nisy anay raha naheno fiaramanidina mpiady nihaodihaody nanodidina ny toerana izahay. Raha vao naheno ireo fanafihana an-habakabaka izahay, tonga dia fantatray fa nidaroka baomba ilay fandevenana izy ireo. Mbola tsy mety mino ny zava-nitranga ihany aho. Na hoe tena mahery setra be tsy miraharaha ny maha olona toy izany i Israely.
Ito lahatsary nalefan'i Hamed Ghaled ito, Yemenita mpikatroka mafana fo sady mpikambana amin'ny Antoko Kongresin'ny Vahoaka Manontolo, izay naorin'ny Filoha teo aloha, Ali Abdullah Saleh, nolazaina fa mampiseho fiaramanidina mpiady roa teo amin'ilay toeram-pandevenana:
Video of the doubletap airstrike that targeted rescuers .#TheGreatHallGenocide #Saudi killed injured 700+,war crimes supportedby #US #UK pic.twitter.com/X1F24Y6he2
— Hamed #Yemen (@HamedGhaleb) 8 October 2016
Lahatsarin'ny fiaramanidina roa izay nikendry ireo mpamonjy voina. #TheGreatHallGenocide #Saudi, nahafaty sy namono maherin'ny 700, heloka bevava amin'ny ady tohanan'ny #US #UK
Farafahakeliny, tomponandraiki-panjakana ambony iray no maty, ny ben'ny tanànan'i Sanaa. Taterin'ny Shfinews fa “maty tamin'ny daroka baomba an-habakabaka i Abdul Qader Hilal”—fanambaràna nohamarinin'i Hakim al-Masmari, ny tonian-dahatsoratry ny Yemen Post tamin'i Al Jazeera, tao anatin'ireo hafa maro.
استشهاد عبدالقادر هلال جراء القصف على عزاء ال رويشان انا لله وانا اليه راجعون #شافي_جرووحه
— shfinews (@shfinews) 8 October 2016
Maty tamin'ilay fandevenana tao al-Ruweishan i Abdul Qader Hilal. An'i Allah isika ary Hiverina Aminy.
Nidina an-dalambe ireo Yemenita an'aliny mba hanohitra ilay fandripahana :
Tens of thousands in Sanaa take to the streets to protest the #Saudi massacre on a funeral hall in #Yemen. #sanaamassacer pic.twitter.com/VcvR4LdYvC
— Nasser Atta (@nasseratta5) 9 October 2016
Olona an'aliny no nidina an-dalambe mba hanohitra ny fandripahan'ny #Saudi tao amin'ny toeram-pandevenana iray.
Mpamakafaka ara-politika mipetraka ao Yemen, Hisham Al-Omeisy, nilaza fa tsy isalasalàna ny mombamomba ireo nanatanteraka ilay fanafihana:
#PT FYI, Saudi coalition has full control of Sana'a airspace where only own fighter jets in sky. “It wasn't us” BS not gonna cut it. #Yemen
— Hisham Al-Omeisy (@omeisy) 8 October 2016
#PT Tsara ho fantatrareo, manana ny fahefana tanteraka ny faritra an-habakabaky Sana'a ny mpiaradia amin'i Arabia Saodita, izay ny fiaramanidina mpiadiny ihany no manidina eny an-hakakabaka. “Tsy izahay iny” Tsy hanapaka an'io ny BS. #Yemen
Mpamakafaka mipetraka ao Yemen, Haykal Bafana, nampitandrina ny mety hisian'ny valifaty:
Riyadh's war on Yemen has become a political assassination program. Saudi princes cannot complain if Yemenis retaliate the same way on them. https://t.co/2sOb5GULuB
— Haykal Bafana (@BaFana3) 8 October 2016
Lasa fandaharan'asa famonoana ara-politika ny adin'i Riyadh amin'i Yemen. Tsy afaka hitaraina ireo printsy Saodiana raha toa ireo Yemenita mamaly faty toy ny nataony amin'izy ireo.
Nanampy i Bafana sy Al-Omeisy fa mbola heno tao Sana'a taty aorian'ny fanafihana ireo fiaramanidina mpiady haingam-pandeha an'i Saodiana:
After killing & injuring 450 funeral mourners in Sanaa, #Saudi jets now scream low again threateningly over the #Yemen capital.
— Haykal Bafana (@BaFana3) 8 October 2016
Taorian'ny namonoany sy nandratràny olona 450 nisaona fandevenana tao Sanaa, mbola maneno kely mandrahona eny ambonin'ny renivohitr'i #Yemen ihany ireo fiaramanidina mpiady haingam-pandeha an'i #Saudi
Bloodthirsty Saudi fighterjets back in Sana'a sky. We haven't even pulled everyone from under rubble of earlier airstrikes yet! #Yemen
— Hisham Al-Omeisy (@omeisy) 8 October 2016
Miverina ao an-habakabak'i Sana'a ireo fiaramanidina mpiady haingam-pandeha lian-drà. Tsy mbola afakay daholo akory ireo olona voatsindry ao ambanin'ny fahapotehana vokatry ny fanafihana vao haingana teo! #Yemen
Nilaza tamin'i Al Jazeera i Bafana fa fanafihana efatra no fitambarany natao:
Nijery ilay fanafihana an-habakabaka izay zara raha 1,5km miala amin'ny tranoko, aho. Nampiasa bala afomanga tsotra namaky ny tafo aloha izy ireo tamin'ny voalohany. Bala afomanga mpandoro ny faharoa, nandoro ny rehetra tao anatin'ny efitra. Ny fahatelo bala afomanga ho an”ireo namaly voalohany.
Nanamarina izany tao amin'ireo fanehoankevitra ho an'ny Global Voices i Dahak :
Namely ny toerana fndraisna taminà bala afomanga roa izy ireo tamin'ny voalohany, olona maro be no tonga dia maty teo noho eo. Raha nihazakazaka ho eo amin'ilay toerana ny olona, nodarohan'izy ireo baomba tamin'ny bala afomanga roa indray.
Fairah Al-Sulimani, Yemenita mpandraharaha, nibitsika sarin'ilay trano niandrasam-paty nialoha sy taorian'ny fanafihana:
Before and after the airstrike around 2000 were in the funeral most of them still under rubble till now #Yemen pic.twitter.com/cjAAd1HtSB
— Faizah Al-sulimani (@faizahsulimani) 8 October 2016
Taloha sy taorian'ny fanafihana an-habakabaka, teo amin'ny olona 2.000 teo no nanatrika ny fandevenana ary mbola ao ambany fahapotehana ao hatramin'izao ny ankamaroan'izy ireo.
Yemenita mpanao gazety sady manam-pahaizana amin'ny media i Mohammed Al-Asaadi, izay mipetraka ao Sanaa, nizara ny sarinà fiara mpamonjy aina namoaka ireo tràboina avy tao amin'ilay trano be:
Ambulances evacuate casualties from the grand hall after a reportedly devastating airstrike in #Sanaa. #Yemen #Peace pic.twitter.com/VvgL5WAngl
— Mohammed Al-Asaadi (@alasaadim) 8 October 2016
Fiara mpamonjy aina namoaka ireo tràboina avy tao amin'ny efitra lehibe taorian'ny nilazàna fisianà fanafihana an-habakabaka nandravarava tao #Sanaa. #Yemen #Peace
Tao anatin'ireo fikambanana nanohana ireo toeram-pitsaboana ny Kaomity Iraisam-pirenenan'ny Vokovoko Mena (ICRC) ao Yemen:
We're mobilizing to support health facilities deal with the influx of dead and wounded. 300 body bags & medical supplies on the way #Sana‘a
— ICRC Yemen (@ICRC_ye) 8 October 2016
Mihetsika izahay mba hanohana ireo toeram-pitsaboana eo anatrehan'ny fahabetsahan'ireo maty sy naratra. Kitapo 300 fasiana vatana mangatsiaka sy fanafody no efa eny an-dàlana mankany #Sana'a
I Al-Omeisy, namerina ny tenin'ny mpirotsaka an-tsitrapo iray nilaza hoe “nanala tànana tao amin'ilay potipotin-javatra izy ireo—tànana naratra mafy tapaka. Vatana maro loatra no nanakaiky teo ka tsy hay hoe an'iza.”
Nandritra izany, nibitsika fanavaozana mikasika ireo fanafihana an-habakabaka sy ny vokany, ny sampana Yemenita an'ny Mpitsabo Tsy Voafetran-tSisintany (MSF) :
1. Six @MSF-supported hospitals in #Sanaa, #Yemen treated more than 400 wounded after an airstrike hit a funeral hall south of the capital
— أطباء بلا حدود-اليمن (@msf_yemen) 8 October 2016
2. @MSF supports the 6 hospitals in #Sanaa, #Yemen with emergency kits, in patient department kits, operation theatre kits, & 4 ambulances
— أطباء بلا حدود-اليمن (@msf_yemen) 8 October 2016
2. Manohana hopitaly 6 ao #Sanaa, #Yemen ny @MSF, miaraka amin'ireo fitaovana famonjena vonjy taitra, amin'ireo fitaovana fikarakarana ireo marary, fitaovana fandidiana, sy fiara 4 mpamonjy voina
Nilaza i Farea Al-Muslimi, Yemenita mpaneho hevitra fanta-bahoaka tsara sady mpiara-nanorina ny Ivontoerana Sanaa, fa mila manao hetsika haingana mba hametrahana fanatsaharana avy hatrany ny fifampitifirana, famerenana indray ny fifampiresahana fikatsahana fandriampahalemana, ary fanadihadiana iraisam-pirenena:
#US / #UK Made, Sold, and Fueled jets with #Saudi pilots killed & injured more than 400 civilians in #Yemen today targeting a funeral hall.
— Farea Al-muslimi (@almuslimi) 8 October 2016
#US / #UK Nanamboatra, Nivarotra, ary Nanisy Solika ireo fiaramanidina haingam-pandeha miaraka amin'ireo Saodiana mpanamory azy, namono sy nandratra sivily maherin'ny 400 tany #Yemen androany, nikendry efitra fiandrasam-paty.
Immediate full ceasefire , resumption of timed peace process, & international inquiry is the only way to deal with today's massacre n #Yemen
— Farea Al-muslimi (@almuslimi) 8 October 2016
Fampitsaharana avy hatrany ny fifampitifirana, famerenana amin'ny fotoana fohy ny fifampiresahana fikatsahana fandriampahalemana ary fanadihadiana iraisam-pirenena no hany làlana hiatrehana io famonoan'olona androany tany #Yemen io
don't condomn, don't say hw concerned & sorry you are.It doesn't really matter or means anything anymore. Stop th crap & stop ths war #Yemen
— Farea Al-muslimi (@almuslimi) 8 October 2016
aza manameloka, aza miteny hoe tena miasa saina sy miala tsiny ianao. Tsy misy dikany loatra intsony izany. Atsaharo ny fifampitifirana ary atsaharo ity ady ity #Yemen
Farafahakeliny olona 10.000 no maty hatramin'ny Martsa 2015 niantombohan'ny fanafihana an-habakabaka tarihan'i Arabia Saodita, araka ireo tatitra avy amin'ireo Firenena Mikambana. Sivily ny eo ho eo amin'ny 40 isan-jaton'ireo tràboina ireo, ary inoana ho tompon'antoka tamin'ny 60 isan-jaton'ireo maty ny vondron-kery tarihan'ny Saodiana.