Filipina: ‘Esory eo amin'ny baoritra Balikbayan anay ny tananareo!’ ry governemanta…

Activists hold a rally near the presidential palace denouncing the stricter rules in inspecting balikbayan boxes. Photo from the Facebook page of Lennon Ying-Dah Wong

Mpikatroka manao fivoriana eo akaikin'ny lapan'ny filoha miampanga ny didin'ny governemanta hisava sy hampandoa haba ny baoritra balikbayan. Saripika avy amin'ny pejy Facebook-n'i Lennon Ying-Dah Wong

Niteraka fahatezerana tamin'ireo vondrom-piarahamonin'ny Filipiana mpiasa mitady ravinahitra manerana ny glaoby sy ny fianakavian'izy ireo hodiana ao Philippines ny didy vaovao avy amin'ny Biraon'ny Fadintseranana mampakatra ny haban'ny baoritra balikbayan sy mametraka ireo baoritra ireoho azo savaina mivantana. Ny baoritra Balikbayan dia fehezana ahitana entana sy zavatra hafa novidiana sy alefan'ireo Filipiana mpiasa ampitan-dranomasina (OFWs) amin'ny havany any an-tanindrazana.

Maro tamin'ny OFWs no naneho ny rikorikony tamin'ny alalan'ny media sosialy. Nampiasana nandritra ny herinandro ny diezy Twitter #HandsOffOurBalikbayanBoxes hanerena ny governemanta hiverina amin'ny fanapahan-keviny momba ny didy nataony. Nahomby ny fanentanana rehefa nanome toromarika tamin'ny birao ny Filoha Benigno Aquino III tamin'ny 24 aogositra hijery izay ao anatin'ny baoritra amin'ny alalan'ny taratra-X.

Ny baoritra balikbayan dia marika manandanjan'ny fahamaroan'ny Filipiana mitady ravinahitra. Amin'ny alalan'ny baoritra ireo mpiasa mitady ravinahitra any ivelany no afa-manome hoan'ny fianakaviany ny tsiron'ny fiainana ampitan-dranomasina. Tombanana ho 10 ka hatramin'ny 12 tapitrisa ny Filipinos miasa na miaina any amin'ny firenena hafa.

Nilaza ny Biraon'ny Fadintseranana fa ny tanjon'ny didy dia ny hampiakatra ny hetra ho voaangona sy hampihenana ny fanondranan'entana tsy ara-dalàna. Mitaraina ho matiantoka 600 tapitrisa pesos (12,8 tapitrisa dolara amerikana) isan-taona noho ny tsy filazana ireo entana ao anatiny izay lazaina fa aiditra antsokosoko amin'ny alalan'ny baoritra balikbayan ry zareo. Ankoatra izany, manao tatitra ny sampandraharaha fa nampiasa ny baoritra balikbayan hanondranana entana antsokosoko ao amin'ny firenena ireo andian-jiolahy tsimifaditrovana.

OFW boxes, milked for profit OFW cases, neglected! -Migrante

“Boritry ny mpiasa mitady ravinahitra, nonoina hahazoana tombontsoa
Ny mahazo ny mpiasa mitady ravinahitra,tsy raharahiana!
Migrante”
Ny olona eo amin'ny sary dia ny Filoha Aquino

Saingy niteraka ny fihorakoraham-pahatezeran'ny mpiasa mitady ravin'ahitra any ivelany sy ny vahoaka noho ny antony roalehibe ny fanambarana fa mety hosokafan'ny mpiasan'ny Fadintseranana hosavaina ny baoritra balikbayan: voalohany, jeren'ny olona ho sampan-draharaha mpanao kolikoly ny biraon'ny Fadin-tseranana; ary faharoa, maro ireo kivy fa heverin'ny governemanta ho mpanao trafikan-javatra tsy ara-dalàna sy mpandositra hetra ireo mpiasa mitady ravinahitra ivelan'ny fireneny (OFWs). Antsoin'ny vahoaka ho maherifo maoderin'ny firenena ireo OFWs na mpiasa mitady ravinahitra ivelan'ny fireneny ireo noho ny fitazonany ny toekarena tsy hilentika.

Ny Blaogera sady mpanao matoandahatsoratra an-gazety Tonyo Cruz manazava ny fahatezeran'ny mpiasa mitady ravinahitra:

It beggars the mind that Customs and Malacañang are implying that OFWs are out to cheat government of customs duties and taxes through their balikbayan boxes. Not only is it crazy, but it betrays the government’s total lack of knowledge and empathy on the plight of OFWs everywhere, how much they usually earn, why they flee the country in the first place and the challenges they face abroad.

Ask a domestic helper in Hong Kong, a nurse in the United Kingdom, a construction worker in the Middle East, or a teacher in the U.S. They had to leave the country to find work for themselves and for families back home — while at the same time face rising anti-migrant measures and dwindling job prospects wherever they work. Tax evasion is not in their minds. The implied accusation that they are out to cheat government is an insult they can never forgive and forget.

Mihantsy ny saina ny fiampangana ankolaka ataon'ny Fadin-tseranana sy ny Malacañang fa misoloky amin'ny governemanta amin'ny sara tokony naloa sy ireo hetra sy fadin-tseranana mifandraika amin'izay ao anatin'ny baoritra balikbayan ireo mpiasa mitady ravin'ahitra. Tsy vitan'ny hoe fahadalana izany fa manatratra ny tsy fananan'ny governemanta fahalalana sy fiaraha-mizaka izay manjò ireo mpiasa mitdy ravin'ahitra any amin'izay rehetra misy azy avy any, ohatrinona marina no vola azony, maninona ry zareo no miala ny firenena aloha sy ireo zavamanahirana atrehiny rehefa any ivelan'ny firenena.

Manontania mpanampy an-trano any Hong Kong, mpikarakara na mpitaiza any amin'ny Fanjakana Mitambatra, mpiasan'ny fanorenana any Afovoany Atsinanana, na mpampianatra any Etazonia. Tsy maintsy niala ny firenena ry zareo hitady asa ho azy ireo hisy omena ny fianakaviana rehefa mody – nefa amin'izany fotoanaizany dia miatrika ny fihenjananan'ny fepetra iadiana amin'ny fifindra-monina sy ny fihenan'ny faravodilanitry ny tontolon'ny asa any amin'ny toerana rehetra iasan-dry zareo. Tsy ao an-tsain'izy ireo izany handositra tsy handoa hetra izany. Ny fiampangana ankolaka ilazana azy ireo ho misoloky ny governemanta no ompa tsy ho afa-tsiny mandrakizay sy tsy hohadinoina na oviana na oviana

Mpahay Fiarahamonina Arnold Alamon manazava bebe kokoa ny tosi-bohontanana ataon'ny vahoaka :

You see, dear government, these boxes mean more than the uncollected revenue that should go into public coffers which you will also steal anyway. These are the private symbols of the hardships and sacrifices of dignified Filipinos who would rather work abroad than wait for things to turn around here under one bungling administration after another. The backlash is searing and fiercely emotional and it places into serious question the already little trust people have for government.

Hitanareo ry governemanta hajaina fa mihoatra noho ny vola tsy voangona tokony hakany amin'ny kitapom-bolampanjakana izay ho angalarinareo ireo baoritra ireo. Ireny no marika manokan'ny asa mafy sy ny sorona ataon'ireo Filipiana omem-boninahitra izay misafidy ny hiasa ivelan'ny fireneny fa tsy hiraviravy tanana fotsiny eto hiaritra fitondrana kitoatoa mifandimbidimby toerana. Maha-Ana dia ana ny tosi-bohontanana ary mafy fihetseham-po ka vao maika mametraka ahiahy amin'ny fitokisana efa kely omen'ny vahoaka ny governemanta.

Misy fanangona-tsonia an-tserasera iray manohitra ny didy natao tamin'ny fadin-tseranana nahangona sonia mihoatra ny 87000 tsy ampy herinandro. Nanomana fihetsiketseham-panoherana ny birao mpikatroky ny mpiasa mitady ravin'ahitra. Niantso ny hanaovana “Andro Tsy misy fandefasam-bola” tontosaina ny 28 Aogositra ihany koa ry zareo. Mandritra izany fotoana izany ny mpanao lalàna progresista nameno taratasim-panampahan-kevitra iray hanadihady ny Biraon'ny Fadintseranana momba ny raharaha baoritra balikbayan.

Eto ambany ny sioka sy ny sary namboarina sasantsasany izay manampy amin'ny fanentanana manohitra ny politikam-pandaminana BOC.

11052469_1167004069981688_4138258985065795538_o

Adirima amin'ny teny anglisy ny hoe “Tsy manao trafika an-tsokosoko izahay fa mitolona. -Mpiasa mitady ravin'ahitra”

Ry ao amin'ny biraon'ny fadin-tseranana malala ô! misedra ratra, hatsembohana, harerahana, aretina ireo mpiasa mila ravin'ahitra ireo vao mahavita #balikbayanbox iray. aza midikiditra amin'ny tsy anareo!

Hahazo vola ianareo na dia tsy amin'ny alalan'ny baoritry ny mpiasa mila ravinahitra aza? Matevin-koditra! @CustomsPH #BureauOfCustoms

Hampandoa hetra ny pasalubongs avy any ivelany — tahaka ny ranontsavony fanasana loha sy sôkôlà — ireo Filipiana ny fadin-tseranana nefa mampiditra ireo fako misy poizina eto.

Amin'ny sioka eto ambony dia midika hoe fanomezana ny pasalubong. Ny sioka dia milaza manondro ireo fako Kanadiana izay betsaka dia betsaka navela hiditra amin'ny seranantsambon'i Philippines.

Atoa BOC, mbola tsy manantsiny ny #BalikbayanBox mandra-pahavoaporofo fa meloka!

Koa satria tonga eo amin'ny sehatra mampangotraka azy ny fahatezeram-bahoaka, ny Filoha Aquino, izay efa nandrisika teo aloha ny olona mba hamela ny fadin-tseranana hanao ny asany, dia niverin-dalana tamin'ny politikam-pisavana kisendrasendra. Nanombe baiko ny birao ihany koa izy hiantohana ny fanatrehan'ny solontenan'ireo ao anatin'ny raharaha rehetra raha misy ny baoritra balikbayan iray tsy maintsy savain'ny manampahefanan'ny fadin-tseranana.

Mahita ity toe-javatra ity ho fanombohan'ny fandresana ny mpikatroka. Saingy mbola mitohy ny tolon'ny mpiasa mitady ravinahitra.

Nandray anjara tamin'ity tantara ity ihany koa i Julius Rocas.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.