Nahafaty olona 12 hatramin'izao ny baomba nipoaka tao anatin'ny fiantsonana ktyabrskaya, métro any Minsk ny 11 aprily 2011 teo, ary an-jatony ireo naratra.
Vetivety kely taorian'ny loza niseho, nandray ny fampaherezana nalefa tamin'ny tweet ireo fianakaviana sy naman'ireo niharam-boina tamin'ny alalan'ny tenifototra #minsk sy #minskblast (fipoahan'ny minsk).
Nitanisa vavolombelona maromaro tao an-toerana ny BBC izay nanambara fa nanomboka teo amin'ny “5ora58 hariva” ny alatsinainy 11 aprily, nisy “feo mafy be” ary ny toeram-piantsonan'ny metro ao Oktyabrskaya afovoan'i Minsk izay ahitana lalana roa mifanipika ao an-tanàna no voarakotry ny setroka.
Raha mbola tsy fantatra tany am-boalohany izay toerana mety misy ny baomba na tao anatin'ny fiaran-dalambin'ny metro na teo ivelany amin'ny sisin'ny fiantsonana, nitatitra ny Sampan'asa Rosiana BBC [amin'ny teny rosia] fa fiaran-dalamby roa no nijanona teo amin'ny fiantsonana tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza , ary nampiseho ny iray tamin'ireo horonan-tsary voalohany taorian'ny loza. Nolazain'ny governemanta belarosiana fa toy ny “asa fampihorohoroana” ny fanapoahana baomba niseho.
Nitatitra ny mpanao gazety ao Minsk amin'ny Gazeta.ru [amin'ny teny rosia] fa tsy navelan'ireo mpanao politika nanatona ny faritra mifanakaiky amin'ny metro ireo mpanao gazety :
На месте ЧП милиция отбирает фотокамеры и сотовые телефоны у людей, которые пытаются снимать происходящее. «Милиция действует очень жестко.»
Maro ireo horonantsary mbola niseho tamin'ny aterineto. Ity horonantsary natao tamin'ny YouTube abryko ity ny 11 aprily dia mampiseho ny tohin'ny fampihorohoroana eo noho eo (FAMPITANDREMANA : horonan-tsary mampatahotra) :
Horonantsary nalefan'ny iar107 tamin'ny aterineto ny andro nisehoan'ny loza, mampiseho ny fomba namonjena ireo olona taorian'ny fipoahana:
Nitatitra i Ria Novosti [amin'ny teny rosia] fa ny marainan'ny 12 aprily, olona 157 no naiditra hopitaly ka 26 tamin'izany no naratra mafy.
Nanambara ny Filoha Belarosia Alexander Loukachenko fa ahiany ho misy fifandraisana tamin'ny loza niseho nandritra ny fampisehoana an-kalamanjana tamin'ny taona 2008 ny fampihorohorona nitranga.
Bilaogera sasantsasany no niray hevitra tamin'izany. Yuri Shevtso nanoratra :
Я понимаю, и все мы тут понимаем, что мы атакованы серьезной террористической сетью. И что это не внутренний терроризм. Это – внешняя атака.
Если это терракт, если это не нелепая случайность с перевозкой взрывчатки, то это, имхо, – исламисты.
Наши “родные кавказские” исламисты. Не вижу других вариантов.
Niady hevitra ny hafa fa mety noketrehan'ny mpanohana an'i Loukachenko ny loza mba hamotehana ireo antoko mpanohitra.
Nilaza ny heviny ilay bilaogera Shusharin :
КГБ взрывает Беларусь
Никаких других вариантов не видно. В белорусской оппозиции отродясь не было экстремистов.
Это выгодно только одному человеку – Лукашенко. Для того, чтобы начать террор против белорусского народа – уже не против оппозиции.
Tsy misy safidy hafa intsony. Mbola tsy nisy mihitsy ny fihetsika mahery tamin'ireo antoko mpanohitra Belarosiana. Olona iray ihany no mahazo tombony amin'izany: dia i Loukachenko. Mba hampitahorana ny vahoaka Belarosiana – fa tsy ny mpanohitra.
Raha mbola nameno ny Twitter ireo hafatra sy tweet mahakasika ny fampiononana, lahatsoratra iray no nilaza fa tamin'ny 12 aprily, olona maro no nivorivory mba handrehitra labozia ho an'ireo namoy ny ainy :
всем не безразличным! завтра в 19.00 возле театра Я.Купалы.цветы и свечи, в знак памяти. Передайте другим. Спасибо.