Nosamborina ilay bilaogera Egyptiana Abd al-Monem Mahmoud 

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosamborin'ny polisy Egyptiana ilay mpanao gazety Egyptiana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana sady bilaogera 27 taona, Abd al-Monem Mahmoud, izay mitantana ny bilaogy “I am Ikhwan“.

“Mino aho fa ny fisamborana azy dia fikasana indrindra hampanginana ny fanentanana anoherana ny fandefasana ny mpitarika ikhwan ho any amin'ny tribonaly miaramila. Nandrindra ny fanentanana tamin'ny fampiasana bilaogy maromaro ho fitaovana fototra i Monem”, hoy i Alaa Abd El Fattah tao amin'ny mailaka fanairana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.