Sary Avy Ao Arzantina: Vaingan-dranomandry Perito Moreno

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)perito moreno glacier

“Vaingan-dranomandry Perito Moreno miaraka amin'ny Tendrombohitra, Arzantina” avy amin'i Tyuzo.

Tao anatin'ny vaovao iraisam-pirenena vao haingana ny Perito Moreno Glacier ao Arzantina satria voaresaka tamin'ny fiakaran'ny maripàna manerantany. Mahavariana fa iray amin'ireo vaingan-dranomandry  Patagonianina telo izay tsy miala mihitsy manoloana ny fiakaran'ny maripàna ny Perito Moreno. Raha ny marina, dia miteraka fivakisan'ny rindrina goavana ranomandry isan'andro ny fandrosoany. Na, araka ny filazan'i Maciej Ceglowski tamin'ny tononkalo hoe:

In a world of sissy nature that requires protection, handholding, wilderness reserves, careful study and constant medical attention, the Perito Moreno glacier is a refreshing throwback. This glacier wants you dead. It wants to come out and crush you under billions of tons of ice, carve its name into your face, and maraud out into the plains of Patagonia until it reaches the sea. You don't have to go into the mountains looking for the Perito Moreno – it's coming out of the mountains to look for you. It wants to come over there and mess you up good.

Ao anatin'ny tontolo voajanahary marefo izay mila fiarovana, fikarakarana, tahiry voajanahary, fikarohana malina sy fitsaboana tsy an-kiato, fiverenana mamelombelona ny vaingan-dranomandry Perito Moreno. Te hampangatsiatsiakay anao ity vaingan-dranomandry ity. Te hivoaka sy hanorotoro anao eo ambany ny ranomandry milanja miliara taonina, hametraka ny anarany eo amin'ny endrikao sy hiditra ao amin'ny lemak'i Patagonie mandra-pahatongany eny an-dranomasina. Tsy mila mankany an-tendrombohitra ianao hijery ny Perito Moreno – mivoaka ny tendrombohitra izy mba hijery anao. Te ho avy eto izy ary hanelingelina tsara anao.

Mamaritra ny fivakisan'ny ranomandry, manohy miaraka amin'ny lahatsoratra tsotra ahitana sary mahavariana i Ceglowski:

The glacier had a marvelous grasp of human psychology. It knew exactly how to manipulate the crowd through intermittent reward. Many minutes would pass without anything happening; then, without warning, a piece ranging in size from a Volkswagen to an apartment building would slough off and fall into the water. The enormous size of the fragments made them appear to be falling in slow motion. A few seconds after one hit, there would be an enormous BOOM like that of a nearby thunderstorm, and tall waves would spread through the rapidly flowing meltwater, sloshing the Old Smuggler against the sides of your glass. Sometimes a chain reaction might take down an entire sector of the glacier's face, sending a cloud of cold mist towards us and causing complete chaos in the water and the viewing stands. “Vamo, vamo!” the crowd would yell, as everyone pressed forward and the wooden viewing platforms creaked ominously. At other times, the glacier would sit quietly for an hour or more, in a test of wills, taunting us.

Mahatakatra tsara momba ny psikôlôjia maha-olombelona ny vaingan-dranomandry. Fantany ny fomba hanodinana ny sain'ny vahoaka amin'ny alàlan'ny valisoa tsy an-kiato. Minitra maro no lasa tsy misy zava-mitranga; noho izany, raha tsy misy fampandrenesana, hirodana sy hilatsaka anaty rano ny efitra amin'ny habeny isan-karazany manomboka ao amin'ny Volkswagen hatrao amin'ny tranobe. Nahatonga azy ireo hiseho miadana ny hagoavan'ireo vakivakiny. Segondra vitsy taorian'ny dona, nisy BOOM goavana tahaka ny oram-baratra eo akaiky, ary miparitaka manerana ny rano mikoriana haingana ny onja avobe, manaisotra ireo jiolahin-tsambo eo amin'ny sisin'ny fitaratrao. Indraindray mety hanimba ny sehatra manontolo ny endriky ny ranomandry ny fihetsika faobe, mandefa setroka matevina mangatsiaka any amintsika ary miteraka korontana tanteraka ao anaty rano sy ny toeram-pitazanana. “Vamo, vamo!” hoy ny vahoaka nihorakoraka, satria nikoropaka ny rehetra ary vaky ny toeram-pitazanana vita amin'ny hazo. Indraindray, mipetraka mangina mandritra ny adiny iray na mihoatra ny ranomandry, amin'ny fitsapana an-tsitrapo, maneso antsika.

Javier manoratra ao amin'ny Blogsfera avy ao Gualeguaychú, Arzantina manome ny heviny mikasika ny zava-mahagaga (ranomandry):

Uno de los acontecimientos naturales más imponentes que se pueda ver y oír. Hace unos años conocí el parque nacional y a orillas del “Lago Argentino” escuche como cruje el hielo al ir quebrándose, es estremecedor, por lo que puedo imaginar que los desprendimientos que están ocurriendo en estos días deben ser ensordecedores.

Según se informó hace un par de días comenzó la filtración en el dique de hielo que separa el Brazo Rico del Lago Argentino del Canal de los Témpanos, lo que va formando un túnel que poco a poco va socavando el dique hasta que se desploma.

Si lo queres lo podes seguir en vivo por la señal de TN. El video que colgué es solo un avance de lo que va a ir ocurriendo.

Iray amin'ireo tranga voajanahary mahavariana indrindra azo jerena sy renesina izany. Taona maro lasa izay, nahita voalohany ny valan-javaboarim-pirenena aho ary, teo amoron-dranon'ny “Lago Argentino,” nihaino ny fomba nipoahan'ny ranomandry rehefa vaky. Mampatahotra izany, izany no antony nieritreretako fa, amin'izao andro izao, mankarenina izany rehefa mirodana.

Araka ny tatitra, roa andro lasa izay; nanomboka nisy rano mitete tao amin'ny fefiloha izay manasaraka ny Brazo Rico an'i Lago Argentino amin'ny Tatatry los Témpanos (“Fantson'ny Vaingan-dranomandry”), izay manana endrika tonelina ka nanimba ny fefifloha tsikelikely mandra-pirodany.

Raha tianao, azonao atao ny manaraka ny fitantarana mivantana momba Channel Todo Noticias. Ny horonantsary etsy ambany dia fanehoana mialoha fotsiny ny zavatra mety mbola hitranga.

Raha hijery ny horonan-tsary nolazain'i Javier, jereo ny lahatsorany. Nanoratra tamin'ny teny Anglisy  sy Espaniola momba ny Perito Moreno Glacier i Go Travel Argentina ary manana angon-tsary ahitana fampahafantarana fohy momba ny faritra manodidina kosa i Robert Wright

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.