Ao Amin'ny Twitter Ihany Koa Ny Global Voices !

(Marihina fa tamin'ny 3 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

gv on twitter

 

 

Azonao jerena  amin'ny alàlan'ny Twitter ny vaovao farany  Global Voices!

Tsy azonay antoka fa fantatrareo avokoa ny momba ny sakafo antoandronay, na ny antony mampidona-tsetroka ny port USB-n'ny solosainanay (izany no antom-pisian'ireo olona sasany ao amin'ny Twitter), kanefa manome fanavaozam-baovao ho anareo izahay momba izay lazain'ireo bilogera manerana izao tontolo izao. Azo jerena ihany koa amin'ny dikanteny Shinoa sy Espaniola ao amin'ny Global Voices ny fanavaozam-baovao ao amin'ny Twitter. [Mariho fa amin'izao fotoana izao dia misy ihany koa ny kaonty Twitter Global Voices amin'ny teny malagasy]

Ampidiro ao amin'ny lisitry ny namanao ao amin'ny Twitter ary noho izany ny Global Voices, GV amin'ny teny Shinoa na GV amin'ny teny Espaniola!

Azonao atao ihany koa ny mandray ny fanavaozam-baovao avy amin'ny Global Voices amin'ny alàlan'ny fahana RSS sy JSS, imailaka sy amin'ny alàlan'ny fisoratana anarana ao amin'ny Daily Digest.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.