Mety hiatrika ny fanesorana azy ny filohan'i Georgia, saingy tsy mikasa ny hiala izy

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Mety hiatrika fanesorana (fitsipaham-pitokisana) i Salome Zurabishvili, Filohan'i Zeorzia noho ny fanapahan-keviny hanohy ny fitsidihany any Eoropa ho fanohanana ny tolo-kevitr'i Georgia ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Manao fanentanana ny antoko Nofinofy Zeorziana ao amin'ny fitondrana mba hanesorana ny filoha ary miezaka mafy ny hanakorontana ny tolo-kevitra hiditra Vondrona Eoropeana. Tamin'ny lahateny ho an'ny firenena tamin'ny 7 Septambra, nilaza i Zurabishvili fa tsy nieritreritra ny hametra-pialana izy.

Ankoatra izany, nampanantena hitory ny Filoha ao amin'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana ny antokon'ny fitondrana Georgian Dream. Milaza ny Nofinofy Zeorziana fa nandika ny Lalàmpanorenana Zeorziana Andininy faha-52 ny filoha Zurabishvili, izay milaza fa afaka mampiasa ny fahefana fisoloantena amin'ny fifandraisana ivelany ny filoha rehefa mahazo alalana avy amin'ny governemanta irery ihany.

Nandràra ny filoha tsy hanao fitsidihana iraisampirenena ny Georgian Dream, saingy nanapa-kevitra ny hanao fitetezantany ny filoha na teo aza ny fandraràna ary nandao an'i Georgia hihazo any Eoropa ny 30 Aogositra. Rehefa niparitaka anjotra ny sary misy ny fihaonany tamin'ny Filohan'i Alemaina, Frank-Walter Steinmeier, nilaza ny antokon'ny fitondrana fa “manitsakitsaka tanteraka ny lalàmpanorenana” ny filoha ary tsy nahazo alalana hihaona amin'ireo mpitarika eoropeana.

Tsy maintsy mametraka ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana fa nisy tokoa ny fanitsakitsahana ny andininy faha-52, raha tsy izany dia ho rava ny dingana, araka ny fanazavan'i  Levan Alapishvili, mpisolovava sady manam-pahaizana manokana momba ny lalàmpanorenana, tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Jam News. Raha hitan'ny fitsarana fa manan-kery ilay voalaza fa fandikan-dalàna, dia handatsa-bato fanapahan-kevitra no dingana manaraka ataon'ny parlemanta. Mila vato parlemantera 100 amin'ireo 170 ny fanesorana ny filoha. Manana toerana 84 ny Georgian Dream amin'izao fotoana izao.

Nanameloka haingana ny fanapahan-kevitry ny fitondrana Georgian Dream hanala ny Filoha ny antoko mpanohitra Zeorziana sy ny mpikambana maro ao amin'ny Parlemanta Eoropeana. Tao anatin'ny fanambaràna iraisana, nilaza ireo fikambanana Zeorziana, anisan'izany ny Open Society Georgia Foundation sy ny Transparency International fa, “Ny fanapahan-kevitry ny Georgian Dream hanomboka ny dingana fanesorana ny Filohan'i Zeorzia dia famelezana ny hetahetan'ny firenena hiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana.”

Fivakisana miitatra

Tsy dia manana fahefana ny biraon'ny filohan'i Georgia fa voafetra indrindra amin'ny asa fisoloantena izany, miankina amin'ny parlemanta sy ny Praiminisitra ny ankamaroan'ny fahefana. Raha tsy tamin'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina ny filoha Zurabishvili vao naneho hevitra mitsikera kokoa ny antoko eo amin'ny fitondrana. Nitsikera hatrany ny fomba fitenin'ny antoko eo amin'ny fitondrana momba ny ady mitohy sy ny fikasan'i Rosia izy.

Rehefa nidina an-dalambe ny Zeorziana an'arivony mba hanohitra ny lalànan'ny mpiasan'ny hery vahiny (mpitsikilo vahiny) napetraky ny governemanta, dia niara-dalana tamin'ny vahoaka sy ny mpanohitra ny filoha Zurabishvili. Mafy ny fanakianany ny fitondrana Georgian Dream taorian'ny hetsi-panoherana. Rehefa nanapa-kevitra ny hamerina ny sidina miaraka amin'i Rosia ny governemanta, namoaka fanambaràna nanameloka izany fanapahan-kevitra izany ny filoha. Fanapahan-kevitra iray hafa nampifanohitra ny filoha tamin'ny governemantan'ny fitondrana ny fanapahan-keviny hamela heloka ilay mpanao gazety mpanohitra malaza iray, Nikoloz Gvaramia, tamin'ny volana Jona 2023, izay voaheloka higadra telo taona sy tapany tamin'ny volana May 2022.

Ho hita eo raha hahomby amin'ny fanenjehana ny filoha ny Georgian Dream eo amin'ny fitondrana. Araka ny voalazan'i Levan Alapishvili, manampahaizana momba ny lalàmpanorenana, “miatrika asa sarotra ny Dream Georgian hanaporofoana fa nandika ny lalàmpanorenana ny filoha.” Tamin'ny 11 Septambra 2023, nilaza ny antoko mpanohitra iray avy ao Zeorzia, Lelo, fa nanomboka ny fifampidinihana amin'ny fanesorana ny Praiminisitra Irakli Gharibashvili avy amin'ny antokon'ny fitondrana Georgian Dream izy. Nilatsaka taorian'ny nandefasan'ny fahitalavitra ao an-toerana TV Pirveli ny fanadihadiana momba ny dia manokana nataon'ny Praiminisitra tamin'ny volana Aogositra nankany Etazonia nandalo tao Munich, Alemaina ny fanambaràna, tamin'ny filazana fa nampiasa fitaovam-panjakana tamin'ny diany i Gharibashvili.

Ny hetahetan'i Georgia hiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana

Fotoana fohy taorian'ny nanafihan'i Rosia an'i Okraina tamin'ny volanaFebroary 2022, nanambara ny fikasany hiditra mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana i Georgia. Nanomboka teo, tezitra mafy ny antokon'ny fitondrana Georgian Dream noho ireo fanapahan-kevitra, fanambaràna ary fanakianana marobe atao amin'ny Tandrefana . Niverin-dalana ihany koa ny governemantan'ny fitondrana momba ny fahalalahana sy ny zon'olombelona. Vao tamin'ny volana Mey 2023, nanatrika ny fivoriamben'ny Fiaraha-mientan'ny Hetsika Ara-politika Mpandala ny nentin-drazana (CPAC) tao Budapest ny Praiminisitra Zeorziana Irakli Gharibashvili, izay nanankianan'ity mpanao politika ity ny LGBTQ+, tamin'ny filazana fa manaparitaka propagandy mifanohitra amin'ny “soatoavina ara-pianakaviana nentim-paharazana” ao amin'ny firenena izy ireo. Saingy tsy ny fijerin'ny governemantan'ny fitondrana manohitra ny LGBTQ+ fotsiny na ny fanimbàna ataony amin'ny fahalalahana sy ny demôkrasia ihany izay misarika ny sain'ny iraisampirenena izany. Nanao fiovana lehibe teo amin'ny fifandraisany tamin'i Rosia hatramin'ny nanafihan'ity farany an'i Okraina ihany koa ny Georgian Dream, anisan'izany ny fanohizana ny sidina mankany sy avy any Rosia tamin'ny volana Mey 2023 sy ny fanomezan-dalana ireo manampahefana voasazy  sy ny fianakaviany hiampita any Georgia.

Tamin'ny volana Mey ihany koa, raha nanatrika ny fihaonambe momba ny fiarovana tao Bratislava, niampanga an-karihary an'i Okraina ho antony voalohany nanombohan'ny ady ny Praiminisitra Zeorziana Gharibashvili . “Tsy tiako ny mitanisa ny fanambaran'ny governemanta Rosiana, fa ny iray amin'ireo antony dia ny finiavana sy ny fahavononan'i Okraina ho lasa mpikambana ao amin'ny OTAN. Noho izany mahita ny voka-dratsiny isika izao, ”hoy i Gharibashvili. Nandritra io fihaonambe io ihany, nanakiana ny Vondrona Eoropeana ihany koa izy, nitsikera ny andrim-panjakana ho nanome sata maha-kandidà Okraina sy Moldavia ary nandà ny sata mitovy amin'izany amin'i Georgia. Nilaza ny praiminisitra fa voalohany aorian'ny firenena roa hafa amin'ny resaka “fanavaozana, zava-bita, sy izao sy izao” i Georgia.

Nametram-panontaniana momba ny fanapahan-kevitra ireo mpandinika sasany, manontany tena raha manana ny fijeriny manokana momba ny fanalàna ireo fepetra takian'ny visa ho an'ny Zeorziana sy ny fanohizana ny sidina i Rosia. “Ny antony miharihary indrindra amin'ity tranga ity, dia ny hametraka toerana eo anelanelan'i Zeorzia — izay maniry ny hanatevin-daharana ny OTAN sy ny Vondrona Eoropeana — sy ny Tandrefana,” hoy ny nosoratan'ilay mpanao gazety Vladimir Solovyov tamin'ny famintinany ny Carnegie Endowment for International Peace. Nanome soso-kevitra ihany koa i Solovyov fa mety hanararaotra ny fifandirana misy eo amin'i Zeorzia sy ireo Tandrefana mpiara-dia aminy i Rosia, ka hisy fiantraikany amin'ny fifandraisan'i Zeorzia amin'i Okraina, ary hiasa mba hitazonana ny fitondrana Georgian Dream eo amin'ny fitondrana mandritra ny fotoana maharitra.

Mitoetra ho mampiahiahy ao amin'ny Vondrona Eoropeana ireo rehetra ireo. Taorian'ny fihaonana tamin'i Zourabichvili tany Bruxelles, namerina ny fanamarihan'ny Vondrona Eoropeana teo aloha ny filohan'ny Filankevitra Eoropeana, Charles Michel fa raha mbola manohy ny fanavaozana eo amin’ “ny rariny, ny fanesorana ny fanjakazakan'olom-bitsy (deoligarchisation),  ny ady amin'ny kolikoly ary ny fahamaroan'ny haino aman-jery” ny governemanta, dia vonona hanohana an'i Georgia amin'ny firosoana amin'ny satam-pilatsahan-kofidiana ny Vondrona Eoropeana

Nankasitraka ny fanoloran-tenan'ny Filoha @Zourabichvili hiroso amin'ny lalana 🇪🇺 : Manana ny fanohanan'ny 🇪🇺 feno ianao.

Fotoana manan-tantara ny fanapahan-kevitry ny EUCO hanome ny fomba fijerin'ny EU 🇬🇪.

Ilaina ny fanavaozana fanampiny – ny rariny, ny fitsinjaram-pahefana (depolarization), ny fanesorana ny fanjakazakan'olom-bitsy (deoligarchisation). Ary manangana kolontsaina ara-politika itambarana.

Na izany aza, mety hanohintohina ny fikasan'ny Georgian Dream hijanona eo amin'ny fitondrana ny loza ateraky ny fanamafisany fifandraisana amin'i Rosia. Araka ny voalazan'i Alexander Atasuntsev, mpanao gazety mahaleo tena manam-pahaizana manokana momba ny raharaha post-Sovietika, “Raha ny zava-drehetra, somary manjavozavo ny tombontsoa azon'ny Georgian Dream amin'ny fifandraisana amin'i Moskoa, raha tena misy tokoa ny ambana.” Nilaza i Atasuntsev fa hita taratra amin'ireo andianà “fanapahan-kevitra tsy mitombina sy tsy misy fitohizan-kevitra” nataon'ny Georgian Dream tato ho ato ny loza mety hitranga. Iray amin'izany ny fikasana handany ny lalàna mifehy ny “mpiasan'ny hery vahiny” ao Zeorzia tamin'ny fiandohan'ny volana marsa 2023. Taorian'ny fihetsiketsehana faobe nandritra ny andro maromaro, nanambara ny governemantan'ny fitondrana Georgian Dream fa hanafoana ilay volavolan-dalàna izy ireo, niteraka fandresena lehibe ho an'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpiasa ary ny mpanao fihetsiketsehana. Fanapahan-kevitra iray hafa mampametra-panontaniana noraisin'ny Georgian Dream ny hiala amin'ny Antoko Sosialista Eoropeana taorian'ny fanakianan'ity  farany ity ny fanapahan-kevitry ny antokon'ny fitondrana handray anjara amin'ny fihaonamben'ny Fiaraha-mientan'ny Hetsika Ara-politika Mpandala ny nentin-drazana (CPAC) tany Hongria tamin'ny fiandohan'ny volana Mey.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.