Nanatevin-daharana ny birao filankevi-pitantanan'ny Global Voices i Lokman Tsui

Mpanoratra sady manam-pahaizana manao fikarohana sy misolovava momba ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo nomerika ary momba an'i Hong Kong i Lokman Tsui.

Faly izahay manambara fa nanatevin-daharana ny filankevi-pitantanana tamin'ny volana Jona i Lokman Tsui.

Mpanoratra sy manam-pahaizana manao fikarohana sy misolovava momba ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo nomerika ary momba an’i Hong Kong i Lokman, mpikambana efa hatry ny ela tato amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices.  Nahazo ny Loka Gene Burd Urban Journalism Research Prize for Best Dissertation in Journalism Studies tamin’ny taona 2011 ny karokasa PhD nataony, fandalinana momba ny Global Voices sy ireo “efitranom-baovao manara-bolontany” hafa mitondra ny lohateny hoe “A Journalism of Hospitality, (Asa fanaovan-gazety mpampiantrano vahiny)“.

Mpiara-miasa mpanao fikarohana ao amin'ny Citizen Lab ao amin'ny Oniversiten'i Toronto, Sekolin’i Munk momba ny Raharaha Manerantany sy ny Politikam-panjakana i Lokman. Mpampianatra mpanampy tao amin'ny Sekolin'ny asa fanaovan-gazety sy ny fifandraisana tao amin'ny Oniversite Shinoa any Hong Kong tamin'ny 2014-2021 izy. Talohan'izay, izy no lehiben'ny Google amin'ny fanehoan-kevitra malalaka ho an'i Azia sy Pasifika (2011-2014), ary mpampianatra mpanampy amin'ny Media sy Serasera tao amin'ny City University any Hong Kong (2010-2011).

Nahazo ny PhD tao amin'ny Sekolin'i Annenberg ho an'ny Serasera tao amin'ny Oniversiten'i Pennsylvania izy. Mpiara-miasa tao amin'ny Departemanta (2015-17) ihany koa izy ary mpiara-miasa (2008-9) tao amin'ny Foibe Berkman Klein tao Harvard ho an'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina.

Toniandahatsoratra mpanampy i Lokman, miaraka amin'i Joseph Turow, ao amin'ny The Hyperlinked Society: Questioning Connections in the Digital Age (2008) ary tonian-dahatsoratry nasaina tao amin’ny China Information ho an'ny lohahevitra iray momba ny fiantraikany aterineto amin’ny fiarahamonina sy ny politika ao Shina. Amin'izao fotoana izao izy dia miasa amin'ny boky iray izay lazainy ho tantara miresaka manokana momba ny fitondrana tsirefesimandidy.

Tamin'ny volana Jona, nanao veloma an'i Nani Jansen Reventlow ihany koa ny birao, izay niala tamin’ny andraikitra. Nanatevin-daharana ny biraon'ny Global Voices i Nani tamin'ny taona 2021.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.