Horonantsary « Andro mandoro» taratry ny toedraharaha pôlitika amin'izao fotoana izao ao Tiorkia

Pikantsary notsongaina avy amin'ny lahatsary fanoloroana ilay sarimihetsika nozaraina tao amin'ny  YouTube.

« Kurak Günler » (Andro mandoro) dia sarimihetsika tiorka sambany natolotra voalohany tamin'ny Mai 2022 tao anatin'ny ‘“Un certain regard” nandritra ny fetiben'ny sarimihetsika tao  Cannes andiany faha-75. Hatreto ilay sarimihetsika dia nahazo fankasitrahana tany amina fetibe isankarazany momba ny sarimihetsika no sady nahazo fankasitrahana aman-dera teo amin'ny sehatra iraisampirenena, saingy niharan'ny fanakianana nivaivay kosa izy tao amin'ny fireneny. Tena vao haingana, ny Desambra 2022, notakian'ny ministeran'ny kolontsaina ny hamerenan'ireo mpamokatra azy io ny vola fanohanana nomena azy ireo hamokarana ilay sarimihetsika, taona roa lasa izay.

Entin'ilay sarimihetsika ireo mpijery mba hiara-hitsangantsangana amin'ilay tanora mpampanoa lalàna, Emre (Selahattin Paşalı), izay vao avy nafindra toerana ho amina tanàna iray mitoka-monina ao Yanıklar ao Anatolie. Vetivety foana dia takatry ny mpijery fa manafotra iay tanàna ny kolikoly, ny kiantranoantrano ary ireo fehitsiketsehana samihafa mampiahiahy ataon'ny mpitondra nialoha ireo fifidianana teo an-toerana hifidianana ny ben'ny tanàna. Io tanàna kely any amin'ny farintany io dia mizaka tsy fahampian-drano henjana be (izay indrindra no niavian'ny lohatenin'ilay sarimihetsika) sy ireo lavaka be fiangonan-drano nateraky ny fampiasàna tafahoatra ny rano any ambanin'ny tany ho an'ny sehatry ny fambolena, izay lavin'ireo tomponandraikitra ao an-toerana, indrindra fa ny ben'ny tanàna, ny hiresaka momba azy. Loaran'ilay sarimihetsika ireo lohahevitra miteraka fahangolena ara-tsôsialy, ny fandàvana, ny olan'ny toetrandro ary ireo olana maro naterak'ireo tetikasa fametrahana fotodrafitrasa tanaty fotoana fohy ezaka nefa tsy nitondra akory vahaolana maharitra ho an'ny tontolo iainana.

Arakaraky ny andehanan'ilay sarimihetsika, ilay tanora mpampanoa lalàna koa dia latsaka anivona raharaham-panolànana, saingy noho izy nandray zavamahadomelina ny alina nitrangan'ilay raharaha, dia manjavozavo ny tsiarony. Na eo aza izany rehetra izany, sy ny mety maha-voarohirohy azy amin'ilay tranga, tsy nosakantsakanan'ilay mpampanoa lalàna ny fizotry ny fanadihadiana momba ilay fanolànana.

Ireo lavaka be, ho fanoharana

Pikantsary notsongaina avy amin'ny lahatsary fanolorana ilay sarimihetsika nozaraina tao amin'ny YouTube.

Araka ny nolazain’ilay mpanoratra sady mpandrindra an-tsehatra, Zehra Çelenk, lasa somary nalaza teny anatin'ny sehatry ny sarimihetsika tiorka ireo lavaka be tato anatin'ny taona vitsy farany, nampiasaina ho fanoharana ny firenena. “Tsy fifanandrifian-javatra raha toa isika matetika mahita lavaka be. Tena ilaina tokoa izy ireny hatao fanoharana ny firenena. Satria efa nihoarantsika ny lavaka kely sy ny antonony, vanimpotoan'ny lavaka be migodana izao no iainantsika”, hoy ny nosoratan'i Çelenk ao anatin'ny fitsongolohany ny Kurak Günler.

Lavaka be iray no fiantombohana sy fiafaràn'ilay sarimihetsika.

Tao anaty antsafa iray niarahany tamina media iray, Emin Alper, mpanatontosa ilay sarimihetsika, dia nanambara fa mety tsara ho an'ilay tantara ezahany ampitaina ny fampiasàna ireo lavaka be ao anatin'ilayy sarimihetsika. « Toy ny tao anatin'ilay “Ennemi du peuple” – Fahavalom-bahoaka – notontosain'i [Henrik] Ibsen, dia nitady tranga iray aho afaka mamaly ny tombontsoan'ny vahoaka ao anatin'ny fotoana fohy, saingy manimba ny natiora sy ny olona kosa rehefa mandeha ny fotoana. Tena mifandraika tsara amin'izany ireo lavaka be, » hoy ny nohazavain'i Alper.

Fitsongolohana mpomba ny fanjakàna

Nolazain'i Alper fa ny soratra nataon'i Kurak Günler dia tena miloko pôlitika hatrany am-piandohana, mifanohitra amin'ireo sarimihetsika novokariny tany aloha, ary ireo korontana politika vao haingana tao Tiorkia no nanosika azy. « Ny loharanon'io hery manosika io, dia misy ny fahatsapan-tena ho manirery noho ny rivotra pôlitika niainantsika tato anatin'ny taona vitsy farany, ny atmôsfera mavesatra entin'ny rafitra nitelina antsika, ireo fahadisoam-panantenana nozakaintsika nifandimby ary ireo fahavoazana navelan'izy ireny, » hoy ny fanazavàn'i Alper.

Hatramin'ny nandefasana voalohany ny Kurak Günler tao amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Cannes,  nosedrain'ilay sarimihetsika ny  fampielezankevitra fanakianana mahery vaika avy amin'ireo sampandraharaha mpomba ny fitondrana. Iray tamin'ireo anton'izany ny firesahana an-kolaka momba ny fifandraisana ara-nofon'ny lahy samy lahy misy eo amin'ilay mpampanoa lalàna Emre, tena faran'izay akaiky, sy ilay lehilahy mpanao gazety, Murat (Ekin Koç). Na tsy misy sarina firaisana ara-nofo mibaribary nifanaovan'ireo olona roa aza, dia hita amin'ilay sarimihetsika ny fisiana fifanenjanana rômantika sy ara-nofo eo amin'izy ireo. Ny fanapahankevitr'i Alper hampiditra io fivoaran-draharaha io ao anatin'ilay safotofotom-pitiavana dia natosiky ny  fisongan'ny fankahalàna olona pelaka ao Tiorkia sy ny fomba namadihana ilay lohahevitra ho lasa resaka pôlitika tato anatin'ny taona vitsy farany.

Pikantsary notsongaina avy amin'ny lahatsary fanolorana ilay sarimihetsika nozaraina tao amin'ny YouTube.

Naseho ho ohatra io fankahalàna pelaka io rehefa injay ireo mpilalao roa ireo niatrika ny fandrahonana avy amin'ireo mponina teo an-tanàna. Nohitrikitrihan'izy ireo ny handaniana fanindroany indray ny ben'ny tanàna eo an-toerana, na dia nanararaotra ny olan'ny tsy fahampian-drano aza izy mba hifikirana amin'ny fahefana, fa ireo mponina teo an-toerana kosa lasa nivadika nanohitra an'ilay mpampanoa lalàna sy ilay mpanao gazety. Tao anatin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny mpanatontosa ilay sarimihetsika, nambaran'i Alper ny fomba fidonan'ny hatezerana sy ny tsiaro diso fiantefa ao anatin'ilay Tiorkia amin'izao fotoana izao, amin'ny fanondroana ireo raharaham-pitsaràna sasantsasany tena nalaza, ka hatramin'ny fiharatsian'ny toedraharaha pôlitika ao anatin'ny firenena. « Indrindra fa nanomboka tamin'ny 2016, taorian'ny fanonganam-panjakàna tsy tanteraka, dia tafiditra tao anatin'ny vanimpotoana iray nahalasa ho fenitra ny fanjakan'i Baroa an'i Tiorkia. Ho ahy, io dia fitarafana fotsiny ihany an'io zavamisy io , sy ny hoe adinon'ny olona ireo rehetra tsy rariny nataona vondrona na andrim-panjakana iray talohan'ny fifidianana,» hoy ny nohazavain'i Alper.

Fihetsiky ny ministera

Tsy nahagaga ireo ekipa nanao ilay sarimihetsika ny amin'io fandrakofana amin'ny fomba miiba io. Tato anatin'ny taona vitsy, efa lasa anjakan'ny pôlitika hatrany hatrany ny indostria artistika ao Tiorka, ary Alper sy ny tariny dia nahafantatra araka izany ny mety ho fihetsika hisy. Araka izany, tamin'ny fotoana rehetra, ny ekipa mpanatontosa dia nampita hatrany ho an'ny ministeran'ny kolontsaina ireo fiovàna natao tamin'ny lalao an-tsehatra, indrindra fa efa fantatra hoe mety hisintona ny famatsiambolany amin'ny fotoana rehetra ilay ministera. « Narahanay ara-bakiteny daholo ireo dingana ôfisialy rehetra, » hoy ny nohazavain'i Alper nandritra ny antsafa iray. Tamin'ny 2018  no nanomboka ny asa momba ny filalaovana ilay sarimihetsika, ary nifarana tamin'ny 2021. Nahazo fanavaozam-baovao tamin'ny antsipirihany momba ireo fiovàna ny ministera, anisan'ireny ireo fanazavana isan-teboka momba ireo antony nanaovana fanovàna sy ny nilàna nanao azy ireny.

Kanefa, izany tsy nahasakana ny tale jeneralin'ny ministera misahana ny sarimihetsika tsy hitaky ny famerenana ireo vola narotsaka, miaraka amin'ny zanabola. Araka ny lazain'i Alper, tsy nomarihan'ny ministera izay antony itakiany ny famerenam-bola, fa nionona fotsiny tamin'ny filazana hoe tsy araka ny tokony ho  izy ireo fanovàna natao tamin'izay voasoratra holalaovina. 20 volana taty aorian'ny nametrahana ilay soratra mba hodinihana vao nampahafantarina io fanapahankevitra io Atoa. Alper , nefa ilay sarimihetsika efa nanomboka sahady nahazo fankasitrahana teo amin'ny sehatra iraisampirenena.

Inoan'i Alper fa ny anton'io fiovàna fanapahankevitra tampoka io dia misy ifandraisany amin'ilay fanelezan-kevitra fanalàna baràka izay nanomboka fotoana fohy taorian'ny nandefasana voalohany an'ilay sarimihetsika tao Cannes, noho ireo lohahevitra « fiarahana pelaka » resahany. Fa nolazain'ny mpanatontosa ilay sarimihetsika ihany koa fa ilay fivadihana tampoka dia mety ho nateraky ny kabary iray nataony nandritra ny nandraisany ny loka iray  tamin'ny fetiben'ny sarimihetsika tao Tiorkia. Nanditra ny kabariny, nambaran'ilay mpanatontosa ny fanohanany an'i Çiğdem Mater, ilay mpiara-nanatontosa ilay sarimihetsika, ary koa ireo hafa mpifonja avy amin'ny hetsipanoherana tao Gezi, isan'ireny ilay mpanao asa soa Osman Kavala, sy niresahany ny firaisany hina amin'ireo mpianatra sy ireo eny amin'ny  anjerimanontolon'i Bogazici, izay mitaky ny fanafoanana ny fanendrena ilay rektora notendren'ny fanjakana hatramin'ny 2021.

Tsy ny Kurak Günler no lahatsary voalohany niharan'ny sivana ataon'ny fanjakana.  Jennifer Hatham, mpanao gazety, dia nanoratra momba ny tantaran'ny sarimihetsika tiorka “voasivana na voaràran” ireo andrim-panjakana.

Tamin'ny 2017, tao anaty antsafa iray nifanaovana tamin'i Al-Monitor, mpiara-nanatontosa ilay horonantsary fohy « The Last Schnitzel », noresahan'i Ismet Kurtulus ny dingana manjavozavon'ny fandraisana fanapahankevitra eo anivon'ireo andrim-panjakana, fony nosakanana tsy ho alefa voalohany tao amin'ny !f Istanbul Independent Films Festival ilay horonantsary fohy novokariny, rehefa tsy neken'ny fitaleavana miandraikitra ny zon'ny mpamorona sy ny sarimihetsika ao anivon'ny minisiteran'ny kolontsaina ao Istambul ny hanome fahazoandàlana (lisansa) ho an'ireo mpanatontosa sarimihetsika. Andro vitsy nialoha ilay fetibe sy ny fandefasana efa voalahatra, notakian'ilay masoivoho ny hanesorana ampahany sasantsasany, zavatra izay tsy neken'ireo mpanatontosa. Satria ny sarimihetsika rehetra dia tsy maintsy mahazo lisansa daholo vao azo alefa hojerena ao Tiorkia, dia tsy voatazona ny ho isan'ny ho alefa ny “The Last Schnitzel”.

Mifanohitra amin'ny « The Last Schnitzel », ny « Kurak Günler » dia nalefa nanerana ny firenena, niteraka ny fanohanana avy amin'ny indostrian'ny sarimihetsika sy ireo mpankafy. Mifanindran-dàlana tamin'izany, ny fihetsiky ny fanjakana nanoloana ilay sarimihetsika dia lasa ohatra iray vaovao mivandravandraa amin'ny tsy fisian'ny fandeferana asehon'ny governemanta amperin'asa manoloana ireo feo hafa, ny zavakanto sy ny kolontsaina, tato anatin'ny taona vitsy farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.