Taratasim-baovao RV: Misokatra ny fisoratana anarana amin'ny Fanafainganana Famelomana aina indray ny Fiteny 2023

 Sary avy amin'i Rochak Shukla tao amin'ny Freepik

Fanamarihan'ny Rising Voices: Atolotry ny taratasim-baovaonay mivoaka isam-bolana ny famintinana ireo ranty am-bilaogy miresaka ireo endrika fanasosohana ankihy rehetra ka ao anatin'izany ny fidirana sy ny fandraisana ireo fitaovana ankihy, sy ireo karazana fomba sy hirika ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mandray anjara feno an-jotra. Vakio ato ireo famoahana efa nivoaka amin'ity taratasim-baovao ity.

Tonga amin'ny volana matetika isaintsainantsika amin'izay navelantsika nandritra ny taona lasa isika ary manomana kely amin'izay tiana ho tratrarina amin'ny taona ho avy. Raha toa moa ianao iray amin'ireo mpikatroky ny fiteny manolo-tena amin'ny fiarovana sy/na fampiroboroboana ny fiteninao, dia manana zavatra mampientanentana ho anao izahay!

Eo am-pandraisana anarana isoratana amin'ny Fanafainganana ny Famelomana aina indray ny fiteny ny Fiteny 2023 amin'izao fotoana izao ny Wikitongues, kinendry ny hanohanana ireo tetikasa famelomana aina indray dieny ampanombohana. Amin'ny alalan'ity fanafainganana ity ianao no mety hahazo fanampiana, fiofanana, ary hirika manokatra fifandraisana amin'ireo mpikatroky ny fiteny sy mpahay manokana ny teny manerana izao tontolo izao. Misy fanazavana fanampiny azo jerena ato [en] [es], raha liana ianao.

Fara-fisoratana: 23 Janoary 2023 amin'ny 11:59 alina (GMT)

BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BLAOGY RISING VOICES

Ao anatin'izao firotsahana anaty sambon'ny fandratoana dia lavitry ny IDIL2022–2032 miaraka amin'ny mpikatroky ny fiteny manerana izao tontolo izao, entin'ny Rising Voices sy ny mpiara-miombon'antoka aminy ianao ho amin'ny fifandimbiasam-panentanana Twitter fanaonay. Te-hiherika kely any amin'ireo fitenin'ny indizeny, vitsy an'isa, tandindonim-paharinganana na tsy ampy votoaty-fanovozana sy ny anjara toeran'ny aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana ireny sy ny famelomana aina azy ireny indray? Andao zohio izahay ary henoy izay zavatra tian'ny vahininay hozaraina amintsika!

@ActLenguas (Amerika Latina)

  • Kaimen Pabe [es]  amin'ny fotoan-dehibe fandikan-dahatsoratra fikatrohana ankihy mankao amin'ny asam-piarahamonina mba hampiroboroboana ny fahaizan'ny tanora mamaky teny náhuatl.
  • Elwin Huaman [es] amin'ny fikolokoloana ny fahalalàna amin'ny fitenin-drazany, Quechua, amin'ny alalan'ny fitaovana sy fanovozana ankihy
  • Celfa K'ujul (Celfa Iraida Sántiz Sántiz) [es] amin'ny tetikasa iray mifantoka amin'ny tanora amin'ny fitarihana ny gazetiboky ankihy Tzeltal ho velona, mora idiran'ny Tzeltal sy ny rehetra.
  • CEPIADET A. C. [es] amin'ny fanabeazam-boho ny fahatsiarovan-tena sy ny fahitana ireo fitenin'indizeny amin'ny alalan'ny famoronana sy fampielazana fitaovana ara-maso

Amin'ity laharana ity, tianay ny hanasongadina ho anao antsafa mahalava fisaintsainana iray hafa avy amin'ny atrikasa “Roipea taperaɨ” mikasika ny fomba tsy hitondran'ireo tetikasa goavana dia goavana fandrosoana araka ny nampanantenaina hatrany, na araka ny nadraisana azy, ho an'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana → “Miresaka momba ny fandrosoana ny media, fa tsy mbola nahita izany aho,” hoy ilay vehivavy tanora Guaraní momba ireo tetikasa goavana ao amin'ny vondrom-piarahamonina

Mandritra izany fotoana izany, ravoravo izahay mampahafantatra anao tetikasa iray vaovao an'ny Rising Voices, antsoina hoe Digital Security + Language.  Amin'ny alalan'ireny ranty ireny, maniry izahay ny hizara aminareo fomba fijery avy amin'ny mpikatroky ny fiteny sy ny resak'ireo vondrom-piarahamonina momba ity lohahevitra manandanjan'ny fiarovana ankihy (dizitaly/nomerika) ity.  Ireto avy ny roa voalohany amin'ity andian-dranty ity:
→ “Manandanja ny fiarovana ankihy…amin'ny fiteninao: Fanafatrafarana avy amin'ny Yorùbá mpikatroka ankihy iray ao Nigeria[en] [yo]
→ “Fiarovana ao amin'ny Wayuunaiki: hantsan-torohay sy tetezana (fampifanohizana) mankany amin'ny teknikam-piarovana ankihy ho an'ny vahoaka Wayúu[en] [guc]

HIRIKA | VATSIM-PIANARANA & FANOHANANA ARA-BOLA

Ho an'ireo indizeny mpanatontosa sarimihetsika monina ao Canada sy ao Etazonia: Raha efa mba nanofinofy hitondra ny asanao ho hitan'ny mpijery manerantany ianao ary mahatsapa mila mandranitra ny talentam-pahaiza-mitantara sy fahakingana ara-teknika amin'ny fanaovana izany, dia natao ho anao indrindra ny 2023 Native Lab an'ny Sundance Institute.  Fara-fisoratana anarana: 19 Desambra 2022  Naoty: Tongasoa avokoa na ny manao ny filma ho asany na ireo miasa aminy tsindraindray

Eo ampandraisana izay misoratra anarana amin'izao fotoana izao ny ny CrossCulture Programme 2023 avy amin'ny Institut Für Auslandsbeziehungen.  Ny ifantohana amin'izany taona izany dia ny fiarahamonina sivily ankihy (dizitaly/nomerika) sy ny rariny ara-toetrandro.  Raha miasa/manolotena antsitrapo amin'ny fikambanan'ny fiarahamonina sivily ianao ary liana amin'ny fanabeazam-boho ny talentanao iraisan-kolontsaina (intercultural), rehefa manangam-pifandraisana vaovao, dia mety hahita azy ity ho ilaina andaniam-potoana kely ianao.  Fara-fisoratana anarana: 22 Desambra 2022

Ho an'ireo mpanatontosa sarimihetsika 18 ka hatramin'ny 25 taona: Misokatra amin'izao fotoana izao ny 2023 Sundance Ignite x Adobe Fellowship!  Raha henonao tahaka ny mba zavatrao ilay manatevin-daharana ireo andian-tsakaiza miisa 10 mahazo vatsim-pitarihan-dalana mihoatra ny herintaona amin'ny fanatontosana sarimihetsika, maninona moa raha mba maka fotoana kely hitazana izay mifantsika ao?  Fara-fisoratana anarana: 14 Febroary 2023 amin'ny 11am (PST)  Naoty: tongasoa avokoa ny karazana sy lohahevitra rehetra

LANONANA & KAOFERANSA HO AVY

Hotontosaina amin'ny volana ho avy ny Vovonam-pikatrohana ankihy amin'ireo Fiteny Mayana!  Mbola misy ihany ny fotoana hisoratana anarana amin'ny kaoferansa ho an'ny daholobe maharitra roa andro ao aminy, izay izarànan'y Mayana mpikatroka ankihy ny zavamisy ao anatiny amin'ny fampiroboroboana, fikolokoloana ary famelomana aina indray ny fiteniny sy ny kolontsainy ao amin'ny tontolo ankihy (nomerika/dizitaly).  Daty: 13–14 Janoary 2023 / Toerana: Mérida, Yucatán, Meksika  Naoty: Ilaina amin'io lanonana maimaimpoana io ny fisoratana anarana

FITAOVANA & FANOVOZANA

Efa mba nahatsapa ho tery teo anelanelan'ny famelana ny tanora sy ny zaza hisitraka ny tombontsoa avy amin'ny fikirakirana aterineto sy ny fiarovana azy ireo amin'izay mety hampidi-doza azy ireo ve ianao?  Nametraka taridia maro tena ilaina hanampy anao amin'izany ny Digital Unite hanohanana ny zanakao amin'ny fitetezana ny tontolo ankihy.

MARO HOVAKIANA, HOJERENA ary HOHENOINA

 

Mamandriha ny taratasim-baovao Rising Voices

 

 

Ankasitrahana i Eddie Avila sy i Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisan'izy ireo anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.