Antontanisa ho an'ny vondrom-piarahamonina (Ireo Lahatsoratra Malaza): Marsa 2024

Ao anaty ezaka hankatoavana ireo mpanoratra sy mpandika lahatsoratra sy mba hisian'ny mangarahara kokoa momba ny mpamaky anay isam-bolana, dia manohy ny andiany Stats4Community izahay, izay izaranay isam-bolana ny torohay vaovao momba ireo tantara malaza indrindra aty aminay. Hasongadinay ihany koa ireo lahatsoratra Lingua be mpamaky indrindra ho an'ny fiteny samihafa mba hanehoana ny fahasamihafan'ny fiteny manerana ny vondrom-piarahamonina GV. Ny tantara amin'ity volana ity dia avy amin'ny tranokalanay teny anglisy, japoney, espaniola ary paotiogey.

Nahazo mpamaky maherin'ny 308.863 ny tranokalanay teny anglisy tamin'ny volana marsa lasa teo. Ny antontanisa rehetra eto dia nalaina avy amin'ny Google Analytics ary tsy voatery maneho ny totalin'ny jeripejy noho ny adblockers sy ny toe-javatra na kirakira manokana hafa.

Anglisy

Diving tragedy plunges Trinidad & Tobago into mourning and prompts calls for accountability

Hatairana ny ao Trinidad sy Tobago tamin'ny faramparan'ny volana febroary rehefa nisy mpisitrika efatra niasa tao amin'ny Paria Trading Company Limited, orinasam-panjakana misahana ny solika sy fampitaovana, notrohin'ny fantsona solika mirefy 91 santimetatra niasàny. Namoy ny ainy avokoa ireo mpisitrika efatra ireo, ka niteraka fanadihadiana lalina momba ny (fahadisoam-p)fihetsika fiarovana, ny gaboraraky ny governemanta amin'ny fanaraha-maso, ary ny fahadisoan'ny governemanta ara-pifandraisana amin'ny fianakaviana momba ny voina. (jery+11.070)

Nalaza haingana tao Indonezia ny rakitra ‘Dirty Vote’ milaza halabatom-pifidianana [mg]

Talohan'ny fifidianana tamin'ny Febroary 2024 tao Indonezia, nisy fanadihadiana iray, “Vato Maloto”, nampibaribary ny fanao amin'ny fividianana vato amin'ny fifidianana Indoneziana ka miteraka fisalasalana amin'ny fifidianana hoavy. Nanaovan'ny fanadihadiana (fitahiry) fa nandray anjara tamin'ny tetika fividianana vato tamin'ny fifidianana azy manokana tamin'ny taona 2012 sy 2019 ny filoha am-perinasa Joko Widodo (Jokowi) sy ireo mpiara-miasa aminy, ary niray tsikombakomba i Jokowi sy ny filoha voafidy Prabowo, izay voatendry handray ny asany amin'ny Oktobra 2024, hitondra an'i Prabowo ho eo amin'ny fitondrana, niaraka tamin'ny lahimatoan'i Jokowi, izay ho filoha lefitra. (jery+9.326)

Fandaharana iray hafa anaty fahitalavitra ao Tiorkia tafiditra anaty raharaha mivaivay [mg]

Nasehon'ny tantara foronina am-pahitalavitra iray ny fakana an-tendrony ara-pivavahana sy fombam-pivavahana ao Torkia miatrika fanoherana sy sivana nataon'ireo vondrom-piarahamonina mpandala ny nentin-drazana mitombo ao amin'ny firenena. Nahazo laza tamin'ny tambajotran'ny fahitalavitra Tiorka ilay fandaharana, manomboka amin'ireo mpijery mpanara-pivavahana ka hatramin'ireo tsy mpivavaka, na dia tsy ela taorian'izany aza, dia niezaka nandrara ilay fandaharana tamin'ny fahitalavitra ireo vondrona mpandala ny nentin-drazana noho ny antony lazaina ho fanafintohinana ny mpihaino mpanara-pivavahana. (jery +2.822)

Ankizivavy etiôpiàna manova ny fombandrazana amin'ny alàlan'ny filalaovana skateboard [mg]

Ampidirin'ity lahatsoratra ity ny fitomboan'ny vondrom-piarahamonin'ny tovovavy sy vehivavy miezaka manosi-bohontanana ny fenitra fanjakazakan-dehilahy amin'ny alalan'ny skateboard. Isaky ny faran'ny herinandro ry tovovavy mianatra manatsara ny teknika tsy hianjeràna ka hatramin'ny fanatsaràna ny fitontonana, ka manao izany anoherana ireo hevi-draikitra, ny fandemena ary ny fanavakavahana ny vehivavy ao Etiôpia. (jery+ 2.042)

Bangladeshita

যুক্তরাষ্ট্রের নতুন বিকল্প প্রস্তাবে চীনের বন্ধনী ও সড়ক উদ্যোগ কৌশল পুনর্বিবেচনা বাংলাদেশের (Maka saina tsara amin'ny santatr'andraikitr'i Shina lalana sy milina indray i Bangladesh amin'ny tolotr'i Etazonia vaovao mahasolo)

Resahan'ity piesy nivoaka tamin'ny taona 2023 ity ny fiovan'i Bangladesh tetipanorona manoloana tetikasan'i Shina Belt and Road Initiative (BRI na Santatr'andraikitra lalana sy milina) — tetikasan'i Shina amin'ny fotodrafitrasa goavana ifandraisan'ny faritra samihafa. Nanafoana fifanarahana maro i Bangladesh mifandraika amin'ny tetikasam-pampandrosoana BRI noho ny fanahiana fa voafandriky ny trosa ny firenena maro hafa tamin'ny fanatanterahana ilay tetikasa. Firenena maro no (nampiato) tetikasa fotodrafitrasa izay noderaina teo aloha satria nivalana ireo fampiasam-bola tsy tambo isaina na ho an'ny firenena mpampiantrano na ho an'i Shina, satria tsy afaka nandoa vola ilay firenena mpiara-miombon'antoka, ary voatery namela trosa miavosa tsy tafaverina i Shina. (jery +10.552)

Paortiogey

Um ritual de proteção para “fechar o corpo” liga tradições religiosas diferentes no Brasil (Fombafombam-piarovana ‘Hanakatonana ny vatana’ mampifandray fombam-pivavahana isankarazany ao Brezila)

Ao amin'ity piesy nivoaka tamin'ny taona 2016 ity no iresahan'i Adam Lee ny fomba ampifandraisan'ny fombafomba Afrô-Karibeana ny olona samy manana ny fivavahany sy ny sarangany (fiaviana) ao Brezila. Ny fombam-pivavahana “fanakatonana ny vatana” dia heverina ho mandroaka ny ratsy ary ampiharin'ny fivavahana Afro-Breziliana antsoina hoe Candomblé sy Umbanda, sy ireo antokom-pivavahana katolika sasantsasany (jery+2.654)

Angola: O Alambamento e os Rituais do Casamento (Angola: “Alambamento” Sy Ireo Fombafomba Fampakarambady [mg])

Misy fombandrazana iray somary henjana manodidina ny fangataham-bady ao Angola, antsoina hoe “alambamento“. Heverina mihitsy ho manan-danja be noho ny fanambadiana sivily na ara-pivavahana (kristianina no resahina), ny alambamento dia ahitana andiana fombafomba, sahala amin'ny fanomezana taratasy iray misy fangatahana fanambadiana, matetika ahitana vola ao anatiny. Nivoaka voalohany tamin'ny taona 2010 ity resaka fombafombam-pampakarambady ity ary mahazo jery an'arivony matetika, manondro ny fahatezan'ny fahalianana amin'ny fombafombam-panambadiana Angoley. (jery +1.222)

Japoney

キルギス議会 国旗変更を承認 (Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena [mg])

Nolanian'ny parlemantan'i Kyrgyzstan, nandritra ny fandinihana faharoa sy fahatelo tamin'ny 20 Desambra, ny volavolan-dalàm-panovana ny sainam-pirenena. Taorian'ny latsa-bato, niarahaba ireo solombavambahoaka tamin'ny “fanitsiana ny sainam-pirenena” i Nurlanbek Shakiyev, iray amin'ireo roa niandohan'ity volavola ity sady filohan'ny parlemanta ary nilaza ry zareo fa “hiditra ho tantara ho parlemanta nanitsy ny sainam-pirenena” ary mety hahazo ny sata “fanta-poko fanta-pirenena” (jery +1020)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.