Tetikasa fandraketana an-tsarintany amin'ny zanabolana manara-maso ny fahasimbana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Okrainiana

Satellite Images Map of Ukraine

Ny ‘Tetikasa Sarintany Zanabolana an'i Okraina‘ mampiseho ireo sarin'ny fahasimbana vokatry ny ady ao Okraina, ho toy ny porofon'ny afo hita amin'ny varavarankelin'ny tranobe rava. Sary nomen'i Hidenori Watanave, nahazoana alalana.

Mandrakitra  ny fahasimbana sy ny faharavana nateraky ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia an'i Okraina amin'izao fotoana ny tetikasa vaovao fanaovan-tsarintany iombonana nataon'i Hidenori Watanave ilay mpikaroka Japoney momba ny sarintany.

Ny tetikasan'i Watanave, antsoina hoe Satellite Images Map of Ukraine, dia ahitana sary avy amin'ny zanabolana, sary amin'ny drôna, ary sary 3D mba hanaramaso, handaminana ary hanamarinana ny fahasimban'i Okraina, sy ny fiantraikany amin'ny mponina sivily. Tanàna sy faritra isan-karazany any Okraina no voasokajy anaty sarintany hatreto, anisan'izany i Mariupol, Irpin, Chernihiv, ary Bucha.

Nokarakarainay teto ny vokatr'ireo fanamarinana andiam-potoana momba ny lavaka fandevenana hita tao amin'ny fiangonana St. Andrew ao Bucha, anisan'izany ny sary avy amin'ny zanabolana teo aloha sy ny GoogleStreetView. Azo alaina ho rakitra KMZ notsorina famangitana ara-jeografika.

[Fanamarihana: mpiara-miasa amin'ny tetikasa i Taichi Furuhashi ao amin'ny Oniversite Aoyama Gakuin.]

Azo jerena ho toy ny taridia an-tongotra ao amin'ny tranonkalan'ny tetikasa, sy hita ao amin'ny SketchFab, vondrom-piarahamonina anjotra natokana hizarana sary 3D, VR (zava-misy virtoaly) ary AR (zava-misy nampitomboina) ny maodely tany am-boalohany .

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Oniversiten'i Tokyo, hoy i Watanave hoe:

画像は、ネット記事やTwitterなどを通じて世界中に拡散していますが、詳しい位置情報は示されていないため、ウクライナのどの地点のものなのかは実は正確にはわかりません。わかるのはマリウポリ(Mariupol)などの地名くらいです。私たちが行なっているのは、配信された衛星画像の詳細な地点をGoogle Earth上で探し出し、特定することです。特定できたら、画像の縦横比や方位、歪みを調整して実際の場所にぴったり重なるように調整し、デジタル地球儀プラットフォームの「Cesium」にマッピングして公開しています。

Sarin'ny [ady ao Okraina] miparitaka manerana izao tontolo izao ao amin'ny lahatsoratra amin'ny aterineto sy amin'ny Twitter. Na izany aza, satria tsy misy ny fampahalalana antsipirihany momba ny toerana, mety ho sarotra ny milaza mazava hoe aiza ao Okraina no misy ireo sary. Ny hany takatrao dia ny anarana ankapoben'ny toerana, tahaka an'i ‘Mariupol.’ Ny ataon'ny ekipanay dia ny mijery sy mamantatra ireo toerana amin'ny antsipirihany araka ny sary zanabolana ao amin'ny Google Earth. Raha vao fantatray ny toerana tena izy, dia manadio ny lafiny ratio, ny fitodihana sy ny favilan'ny sary izahay mba hifanaraka tsara amin'ny endrik'ilay toerana tena izy, ary avy eo manao sarintany ny zava-drehetra ao amin'ny Cesium [sehatra fanaovana sarintany mifototra amin'ny fitety].

Tamin'ny resadresaka tamin'ny mailaka niaraka tamin'ny Global Voices, nilaza i Watanave hoe:

膨大な画像が公開されているが被害の全体像は実感しにくい。地図で示すことで全体像がとらえやすくなる。被害の実情をより深く考えて欲しい。膨大な画像を整理して提示することで、各国が発表する情報の検証にもつながる。その意思を助け,世界中に届けるための補助をしたい。

Na dia betsaka aza ny sary [momba ny ady ao Okraina] navoaka, sarotra ny mahatakatra ny halehiben'ny fahasimbana. Amin'ny fanehoana ny fiantraikan'ny ady amin'ny sarintany, dia lasa mora kokoa ny mahazo ny sary ankapobeny momba ny zava-mitranga — ny fanantenako dia ny ahafahan'ny hafa mahatakatra tsara kokoa ny zava-misy amin'ny halehiben'ny fahasimbana. Ankoatra izany, amin'ny fikarakarana sy fanolorana sary marobe dia hitarika amin'ny fanamarinana ny vaovao navoakan'ny firenena tsirairay ihany koa. Tiako ny hampiasain'ny hafa [ny fitaovana fanaovana sarintaninay] ho votoatim-baovao amin'y asa fanaovan-gazety, ary hanamarinana ny zava-mitranga ao Okraina.

Azo ampiasaina hanomezana rakitra ara-tantara momba ny fanafihana an'i Okraina ihany koa ny tetikasa, hoy i Watanave:

Miasa miaraka amin'ireo mpiara-mpiasa, mandrakitra an-tsarintany sy manaramaso ireo sary avy amin'ny loharano samihafa i Watanave, anisan'izany ny avy amin'ny sary zanabolana, ny avy amin'ny sary drôna. Mampiasa fandrefesan-tsary mba hamoronana sary 3D misy ireo tranobe tena izy sy ny faharavana nahazo azy ireo ny tetikasa fandraketana an-tsarintany.

Ahitana sary zanabolana amin'ny lafiny samihafa ihany koa ny tetikasan'i Watanave mba handrakitra an-tsarintany ny afo (poabasy na fitaovam-piadiana hafa) saika ara-potoana.

Fampitahana ny sary marolafy misy an'i Mariupol, #Ukraine tamin'ny 24 sy 29 Martsa. Mbola marobe ireo afo ao an-tanàna. Efa voavono ny afo ao amin'ny orinasa eny atsimo.

Manana mpiara-miasa maro i Watanave, mpampianatra sady mpikaroka ao amin'ny Graduate School of Interdisciplinary Information Studies (Sekoly ambony Fianaram-baovao maro taranja) ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tokyo, amin'ny fametrahana an-tsarintany ireo sary, ka anisan'izany i Maxar sy Blacksky, izay manampy amin'ny sary avy amin'ny zanabolana. Ahitana an'i Hibari Solutions, manam-pahaizana manokana momba ny sary 3D, sy i Simeon SchmaussYaroslav Veprev, Nickolay Omelchenko, Akihiro Takahashi, Taichi Furuhashi, Daiji Furuhashi, ary Maksym Khovalko (voalaza fa maty tany Okraina i Khovalko tamin'ny 24 Aprily 2o22) ireo mpiara-miasa hafa.

Nifandray tamin'ny tranonkala SketchFab sy tao amin'ny Twitter ireo mpiara-miasa isan-karazany tany am-boalohany, hoy i Watanave, ary nampiany fa manampy amin'ny herin'ny tetikasa ny teknikan'ny open source intelligence (OSINT), toy ny fikarohana ireo loharanon-tserasera misy ampahibemaso mba hamantarana sy hanamarinana ny toerana ara-jeografika marina).

Raha niresaka tamin'ny Oniversiten'i Tokyo i Watanave dia nilaza hoe:

軍や為政者が嘘をつきにくい時代になっているのかもしれません。たとえば、ロシアは軍事施設しか攻撃しないと主張していますが、衛星画像をみれば、軍事施設以外も攻撃しており、一般市民が被害を受けていることは一目瞭然です。こうして地図に画像を重ね合わせていくと、個別の衛星画像である点と点がつながって線になり、さらに面をなすので、全体として何が起きているのかをイメージしやすい。

[Mety hiditra] vanim-potoana isika izay sarotra ho an'ny miaramila sy ny mpanao politika ny mandainga. Ohatra, milaza i Rosia fa mikendry fotsiny ireo toerana miaramila, saingy mampiseho ny sary avy amin'ny zanabolana fa manafika trano tsy misy miaramila ny tafika Rosiana, ary voa mafy ny sivily. Rehefa apetraka amin'ny sarintany toy izany ny sary iray [sy] misy sary avy amin'ny zanabolana mifandray isan-teboka […], dia tonga ifantohana ny sary iray, ary mora ny mijery ny zava-mitranga amin'ny ankapobeny.

Nalamina tamin'ny sokajy maromaro ny tetikasa Sary Zanabolana Sarintanin'i Okraina(Satellite Images Map of Ukraine)  hatreto, anisan'izany ny :

Namoaka fampisehoana momba ny tetikasa fandraketan-tsarintanin'i Okraina tao amin'ny Youtube ihany koa i Watanave.

Taorian'ny fananiham-bohitra, nandray andraikitra nametraka sazy an'i Rosia haingana ny governemanta Japoney, saingy misy fetra, ary nitangorona manerana an'i Japana ny vahoaka ho fanohanana an'i Okraina.

Raha hijery vaovao bebe kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny fitantaranay manokana momba ny Rosia manafika an'i Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.