Niova ny fijerin'izao tontolo izao an'i Okraina’ hoy ny mpihira avy amin'ilay tarika malaza Okean Elzy

Pikantsary iray avy ao amin'ny fantsona YouTube an'i Binodva mampiseho an'i Vakarchuk manao fampisehoana manoloana ny garan'i Lviv ao Okraina.

Nitafatafa tamin'i Svyatoslav Vakarchuk, ilay mpihira lehibe an'ny vondrona mozika Okraniana Okean Elzy, ny Global Voices, mba hanontany azy mikasika ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia, ny maha-zava-dehibe ny mozika amin'ny maha-hery ara-panahy azy sy ny karazana fanohanana ilain'ny fireneny amin'izao fotoana izao.

Tsy hoe mpihira anisany tena malaza ao Okraina fotsiny i Vakarchuk, fa endrika tsy zoviana ihany koa eo amin'ny sehatra ara-politika, efa solombavambahoaka in-droa nisesy sady miaramila hatramin'ny niantombohan'ny ady tamin'ny 24 Febroary. Natao tamin'ny teny anglisy ny tafatafa, tamin'ny alalan'ny Zoom, iny izy mbola mandalo toerana maro fisavàn'ny ara-miaramila iny mandritra ny famakivakiana an'i Okraina.

Nanontanian'ny Global Voices azy ny mikasika ny fihetsik'ireo mpahay mozika Rosiana malaza, izay marobe no mahalala ny tarika Okean Elzy, satria izy efa zatra niseho sehatra tamin'ireo fetibe na ireo fampisehoana tao Rosia. Vitsy ny maningana toa an'i Boris Grebenshchikov, Oxxxymiron, ary Zemfira, fa manao tsinontsinona ny ady fotsiny ny ankamaroany. Mieritreritra i Vakarchuk fa:

oHanazava io fahanginana io ireo sosiolojista sy mpahay tantara rehefa tapitra ny ady, mitovy amin'ny fomba nanazavan'izy ireo ny fitondrantenan'ireo Alemà nandritra ny Reich Nazi ihany. [Ilay filôzôfa Jiosy-Alemà] Hannah Arendt niezaka nanazava an'io fihetsika faobe io avy ao anatin'ny firenena Alemàna mandroso. Saingy tsy fotoana izao hiresahana ny antony sy ny fomba nitrangan'ity ady ity, ankehitriny tsy maintsy miady ho an'i Okraina isika. Indray andro any mety ho fantantsika ny valiny, fa ankehitriny tsy miraharaha aho.

Mikasika an'ireo olo-malaza Rosiana, ankasitrahanay ireo olona izay nanazava ny heviny sy nilaza fa ratsy ny ady. Saingy tsy manova na inona na inona ny hevitr'izy ireo izao. Amin'ny ankapobeny, tsy milaza am-pahatsorana izy ireo, ny ankamaroany dia nitazona izany ho manjavozavo. Tsy ampy ho anay ny fandefasana ireo teny faneva “tsy mila ady” ao amin'ny tambajotra sôsialy : tena tara loatra izany. Afaka nanao izany izy ireo tamin'ny taona 2000 rehefa nanjera baomba tao Tchétchénie i Poutine, afaka nanao hetsika teny andalambe izy ireo tamin'ny taona 2008 rehefa nanafika an'i Zeorzia i Rosia, sy rehefa nibodo an'i Krime i Rosia tamin'ny taona 2014. Izany fahanginana rehetra izany no nitarika ny toe-javatra izay misy antsika ankehitriny. Fa izaho tsy manameloka ny sampampitsikilovana Rosiana, na ireo izay tsy manohana an'i Poutine, ho tomponandraikitra amin'ny fandripahana ao Okraina.

Na dia miara-milalao amin'ny tarika iray manontolo aza i Vakarchuk, amin'ny fotoana misy filaminana, vao haingana izy no nirotsaka tamina andiana fampisehoana iray tampotampoka nandehanany irery, tany amina toerana maro tsy dia mahazatra, izay ihiràny sy indraindray ilalaovany gitara na piano . Hoy izy hoe :

Tsy tena rindrankira ireo, fa fampisehoana tampoka natao ho an'ireo mpihaino samihafa. Indraindray, antsasakadiny monja aho no miteny ary tsy mihira na iray aza, na mihira hira iray hatramin'ny telo. Tsy toerana natokana ho an'ny rindrankira ireo gara metro ao Kharkiv, ery amin'ny lohalaharana. Saingy tena mifaly havanja ireo olona ary ny milalao tahaka izao dia mampitombo ny faniriako hanao bebe kokoa. Ahafahako manao zavatra telo izany: mampiseho fa iraisako amin-dry zareo ny andraikitr'izy ireo ary miady eo ankilan'izy ireo aho, tsy manan-tahotra ; manome fanohanana ara-pihetseham-po sy ara-panahy, ary farany mba manome vatsy.

Hazavainy ihany koa ny fifandraisany amin'izao fotoana izao amin'ny mozika :

Marobe ireo olona maniry ny hanoratako hira, ary hitako ireo mpahay mozika hafa manao an'izany. Saingy tsy manoratra velively ho ana tanjona iray aho, manoratra fotsiny aho rehefa manomboka miteny ny foko, ary amin'izao fotoana izao, ireo izay mila fanampiana no manahirana ny foko. Saingy azoko antoka tsara fa fanandratana avo ny adin-tsaina sy ny fihetsehampo ny zava-kanto, ary tena tsapako izany ankehitriny amin'izao izaho miandry hanoratra zavatra tsy ho ela izao.

Raha nanontaniana mikasika ny fanoherana mahery vaika manerana ny firenena Okraniana izy, manome ity fanazavàna ity i Vakarchuk :

Toy io no fihetsik'ireo Okrainiàna nandritra ny taonjato maro, ankehitriny mora kokoa ny mampahalala izany amin'ireo hafa satria manana ny aterineto isika, saingy mazava ho azy fa tsy mora izany any an-tanin'ady. Tsy niova i Okraina, ny fijerin'izao tontolo izao azy no niova.

Olona nanovo fahalalàna ihany koa i Vakarchuk. Manana maripahaizana PhD amin'ny fizika teorika izy ary mahalala tsara ny tantaran'i Eoropa, izay ihany koa no antony mahatonga azy maka ohatra amin'ny kolontsaina Tseky, izay heveriny ho toy ny fakàna aingam-panahy — na ny bokin'i Milan Kundera miresaka momba ny fananiham-bohitra nataon'ny Sovietika tany Tsekîslôvakia tamin'ny 1968, na ny fanahin'ny fanoherana an'i Václav Havel tahaka izay hita tao amin'ny Charter 77 nosoratany.

Rehefa nanontaniana izy mikasika ny fomba tsara indrindra  hanampiana an'i Okraina, manana fijery mazava tsara i Vakarchuk :

Misy zavatra telo ilaintsika avy amin'ny tontolo afaka: voalohany indrindra, omeo rafi-piarovana hanoherana ny balafomanga izahay, anisany amin'izany ny modely Sovietika S-300, izay ananan'ireo firenena rehetra tao anatin'ny  Fifanarahan'i Varsôvia fahiny. Toa izany koa ireo fiaramanidina karazana sovietika. Faharoa : omeo sazy bebe kokoa izahay. Fandraràna tanteraka ny solika sy ny entona avy any Rosia, ary koa ny fibahanana tanteraka ireo sambo rosiàna any amin'ireo seranantsambon'ny tontolo afaka. Ary fahatelo : bahanana i Rosia tsy hotafiditra anatin'ny rafitra SWIFT fampiasan'ny banky erantany. Tena hanafohy ity ady ity izany.

Tsy ho mora ho an'ny Tandrefana izany saingy tsy misy dikany io sorona io raha ampitahaina amin'izay miantraika amin'ireo Okraniana ankehitriny : famoizana olona, vehivavy, ankizy, tanàna. Miady ho an'ny tany manontolo izahay, noho izany, antenainay ianareo mba hanao sorona kely.

Raha te-hahalala bebe kokoa mikasika ny mozikan'i Okean Elzy, jereo ao amin'ny  Mozika amin'ny fotoanan'ny ady: Hira ho toy ny endri-panoherana Okrainiàna  ary jereo ny lisitra Spotify natsangan'ny Global Voice.


Raha mila fanazavàna fanampiny mikasika ity lohahevitra ity, jereo ny fandrakofanay manokana

Rosia manani-bohitra ao Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.