Mitady Mpitantana Fandikan-teny hitarika ny ekipa Lingua Frantsay ny Global Voices

Ny fiarahamonina Lingua Global Voices nandritra ny fihaonambe tany Kolombo, Sri Lanka.

Mitady Mpitantana Fandikan-teny tapakandro ny Global Voices (GV) hitantana ny fandikana votoaty GV amin'ny teny Frantsay.

Mitarika ireo ekipa mpandika teny Lingua ny Mpitantana Fandikan-teny, mandika ny votoatin'ny GV indrindra indrindra avy amin'ny teny Anglisy ho amin'ny fiteny hafa, izay ipetrahan'ny fiteny tsirairay ao amin'ny tranonkala voatokana ao amin'ny tambajotra GV.

Ny Mpitantana ny Fandikan-teny Frantsay dia tompon'andraikitra amin'ny:

  • Miasa amin'ny maha mpitantana ny vondrom-piarahamonina sy ny fizotran'ny asa ho an'ny ekipan'ny Lingua frantsay.
  • Mitady, mandrindra sy manofana mpandika teny.
  • Miara-miasa amin'ny mpandika teny amin'ny fisafidianana tantara ho adika.
  • Mitantana ny fampiroboroboana sy ny firotsahan'ny tantara Lingua Frantsay ao amin'ny media sosialy.
  • Manara-maso sy mitatitra ny antontanisa amin'ny tranonkala sy ny antontanisa amin'ny media sosialy ary mizara isam-bolana amin'ny mpitantana ny Lingua sy ny ekipan'ny Lingua.
  • Miara-miasa amin'ny mpitantana ny Lingua momba ny fomba fampitomboana ny mpitsidika sy ny fifantohana amin'ny votoaty.
  • Mikarakara fivorian'ny ekipa ara-potoana.
  • Mamolavola fiaraha-miasa amin'ny fanapariahana ny votoaty Frankofonina miaraka amin'ny efitrano famoaham-baovao.
  • Miara-miasa akaiky amin'ny efitrano famoaham-baovao amin'ny fampiroboroboana ny tantara Frankofonina amin'ny teny frantsay.
  • Manavao ny tranonkala Lingua Frantsay.

Tokony manana ireto fahaizana sy fepetra manaraka ireto ny kandidà mahomby

  • Miteny Frantsay teratany
  • Mahafehy tsara ny teny Anglisy
  • Mahay tsara manombana sy manitsy ny fandikan-teny Frantsay avy amin'ny teny Anglisy (tsara raha mahay teny fanampiny)
  • Fahaiza-manao sy fahazaran-draharaha amin'ny fitantanana vondrom-piarahamonina, fitarihana ekipa ary fiasan'ny ekipa.
  • Fahafahana miasa amim-pirindrana miaraka amin'ny hafa ao anatin'ny tontolon'ny asa virtoaly tsy misy rafitra.
  • Mahafehy tsara ny fikirakirana solosaina
  • Manana fidirana aterineto matanjaka
  • Afaka miasa ho an'ny GV mandritra ny 20 ora eo ho eo isaky ny herinandro.
  • Mahavita mampiseho fanolorantena matanjaka amin'ny asa sy ny soatoavin'ny Global Voices.

Ny Global Voices dia fikambanana iray manerantany, virtoaly tohanan'ny ezak'ireo mpiasa sy mpirotsaka an-tsitrapo ahitana ireo olona any amin'ny kaontinanta rehetra. Ahitana ekipa tonian-dahatsoratra miasa ampaham-potoana ny milina mamelona ny efitra fanaovan-gazetin'ny Global Voices, ary miara-miasa amin'ireo mpanoratra an-tsitrapo manerana izao tontolo izao ary manasongadina tantara sy fomba fijery izay tsy dia hita any amin'ny media mahazatra iraisampirenena.

Tsy misy fepetra ara-jeografika mifandraika amin'ity toerana ity; Tsy manana birao na foibe hita vatana ny Global Voices. Na izany aza, tsy maintsy mahay mandamina ny fandaharam-potoanany sy mahay miasa tsara amin'ny tontolo virtoaly ny kandidà. Hanao tatitra any amin'ny Mpitantana ny Lingua Global Voices ny olona voafantina.

Mandrisika indrindra ireo kandidà avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana izahay ary mandrisika ny olona mandray anjara ankehitriny amin'ny tetikasa Global Voices mba hifaninana.

Ampaham-potoana ny fiasana ary raisina ho toy ny fifanarahana mahaleotena.

Amporisihana indrindra ireo mpandray anjara ao amin'ny GV Lingua Frantsay

Raha hifaninana:

Alefaso ao amin'ny gohary@globalvoices.org hatramin'ny 11:59 hariva UTC, 30 Novambra 2021 ny CV sy taratasy manasongadina ny asanao sy manazava ny antony fa ianao no sahaza ny asa. Ampidiro azafady ny anaranao sy ny hoe “French Translation Manager” ao amin'ny lohahevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.