Mpianatra ho mpitsabo Kashmirita mandoko amin'ny ravina handresena ny rarintsaina ateraky ny COVID-19

Tabish Aijaz Khan. Screenshot from Youtube Video.

Tabish Aijaz Khan. Pika avy amin'ny horonantsary Youtube.

Ny ôrizinalin'ity lahatsoratra ity dia hita ao amin'n Video Volunteers, fikambanam-piarahamonina media iraisampirenena iray miorina ao India efa nahazo loka. Navoaka eto ambany ny endrika nasiam-panovana izay ao anatin'ny fifanekena hifampizara votoaty.

Mampiasa izay fahaizany tsotra amin'ny fandokoana i Tabish Aijaz Khan, tanora iray mpianatra fitsaboana avy ao amin'ny distrikan'i Anantnag ao Kashmir, handreseny ny rarintsaina ateraky ny fanadinana sy ny valan'aretina COVID-19.

Tamin'ny 9 marsa 2020, ny fanjakana Indiana Jammu sy Kashmir no nahitana tranga voalohany tamin'ny COVID-19. Ny tarehimarika farany indrindra amin'ny tranga COVID-19 raha ny tamin'ny 11 oktobra ho an'i Jammu sy Kashmir dia  83.064 ka ny maty tamin'izany dia 1313.

Hatramin'ny taona 2012 i Kashmir no nahitana fanakanana aterineto miisa 413, ka ny lava indrindra tamin'izany dia ny nanomboka tamin'ny 4 aogositra 2019 ka hatramin'ny 4 marsa 2020 araka ny hita ao amin'ny Internetshutdowns.in. Voafetra ho 2G ny servisy aterineto amin'izao fotoana izao. Araka ny fikarohana nataon'i Sheikh Shoib sy S. M. Yasir Arafat nivoaka tao amin'ny The Lancet tamin'ny septambra 2020, mety niteraka fanirery sy fitomboan'ny tebiteby ara-tsaina ny fitambaran'ny fanapahana fifandraisana sy ny fihibohana tao Kashmir.

Nanomboka nandoko tao Fourth Standard i Tabish Aijaz ary nanomboka teo dia io no lasa fanalany andro ankafizina. Mianatra ho dokotera izy amin'izao fotoana izao. Koa satria moa midadasika be ny fianarany fitsaboana ary ahitana fianarana sy fanadinana maro dia maro, dia niditra tamin'ny fandokoana i Tabish hampihenany ny rarintsainy ateraky ny valanaretina sy ny fianarana.

Niantsafa azy hamantarana ny ezaka nataony i Rayees Ahmad, mpiasa ara-tsosialy sady mpampita vaovao avy amin'ny fiarahamonina mifandray amin'i KashmirUnheard:

Tsy tahaka ny hafa mandany fotoana amin'ny fijerena efijery, andanian'i Tabish fotoana kokoa ny mandoko ambony ravina chinar (Platanus orientalis) ary mamoaka izany ao amin'ny fantsona media sosialy. Mety mandany manomboka amin'ny ora efatra ka hatramin'ny fito andro ny fanaovana hosodoko iray.

Lanitra lokoina manga, voaravaka hazo kesika ? miaraka amin'ny rantsany, bozaka tena izy, ahitana vato sy vita amin'ny taratasy mafy ny hotels ary farany lemaka mahafinaritra ao anatiny
Tiako ny manangana zavatra mahafinaritra avy amin'ny fakofako❤️

“Raha misy lanitra eto an-tany,dia eo, dia eo, dia eo.”

Vao haingana izao i Tabish no nahazo fankasitrahana am-bava maro noho ny ezaka fanairana nataony momba ny kolontsaina Kashmirita sy ny fielezan'ny COVID-19.

Kabbah shareef ❤️ amin'ny fotoanan'ny COVID-19 .. Fivahiniana masina mihazona ny fiatahana ara-piarahamonina am-panatontosana ny Hajj2020. Itoeran'ny fandriampahalemana na dia ao anatin'izao valan'aretina izao aza. Manantena hanjavona any ny valan'aretina .. Amen

Mampiasa vato sy zavatra samatsamahana ihany koa i Tabish hananganana zavakanto, ary efa nanao fampirantiana ny zavakantony any amin'ny toerana fampirantiana zavakanto ao an-toerana. Amin'ny maha-dokotera azy atsy ho atsy, ampiasainy ny zavakantony hanasongadinana ny servisy ataon'ny dokotera, mpanampy mpitsabo sy ireo mpiasan'ny fahasalamana hafa ho an'ny firenena hamongorana ny valanaretina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.