Arahabaina ny namana vaovao mpamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny espaniôla ato amintsika

Ry namana malala isany,

Tiako ny manararaotra ity fotoana ity mba hanolorana fiarahabana feno fitiavana ho an'i Melissa Vida, namana vaovao toniandahatsoratry amin'ny fiteny espaniôla ao Amerika Latina, tonga manatevina antsika nanomboka tamin'ny fiandohan'ity taona ity. 

Vetivety mihitsy i Melissa dia lasa sangany tato anatin'ny efitranom-baovaon'ny GV, nanainga fanahy ny vondrompiarahamonin'ireo mpanoratra iray tarika aminy, tamin'ny famoahana tantara marobe, ary tena vao haingana kely mihitsy, nisantatra ny fandefasana ny pejy fandrakofana manokana ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na vavy ao Amerika Latina sy Karaiba, fiarahana miasa amin'i Fernanda Canofre.

Melissa, mpanao gazety niasa an-tsitrapo niaraka tamin'ny GV amin'ny teny espaniôla hatramin'ny Jolay 2017, dia mamaritra ny tenany ho Salvadoriàna/Belza manana fiaviana amerikàna. Niasa betsaka teo amin'ny sehatry ny zon'olombelona, ny olan'ireo mpitsoaponenana, ny media sy ny fikatrohana nomerika. 

Meteza ho namanay amin'ny fiarahabàna an'i Melissa tonga soa ato anatin'ny vondrompiarahamonina GV! 

Filip Noubel, Talen'ny famoahana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.