[Raha tsy misy filazàna mifanohitra dia mitondra ho aminà pejy amin'ny teny anglisy ny rohy rehetra.]
Iray amin'ireo teboka lehibe amin'ireo fankalazàna ny Fetibe isantaona fanao ao Trinité-sy-Tobago ny fifaninanana mozika Panorama, ifanandrinan'ireo orkesitra tsara indrindra mpively steel pan [zavamaneno fively foronina avy amin'ny barika vy] ao amin'ny firenena. Milalao ireo gadona calypso malaza ireo orkesitra ireo, na gadona ‘soca’, manaraka fandrindràna zavamaneno natao manokana mihitsy ho an'ilay vondrona ary isehoan'izay fiovaovàna mampiavaka azy.
Hatramin'ny nanokafana azy tamin'ny 1963 no ikarakarana ilay fifaninànana isantaona, afa-tsy tamin'ny 1979 izay nanaovana ankivy azy ho endrika fihetsika firaisana hina tamin'ilay mpisava làlan'ny steelband, i Rudolph Charles, tamin'ny tolony hahazo ny haja sy ny fankatoavana mendrika an'ireo mpilalao steelpan.
En savoir plus : Novain'ity tarika steelband ao Trinité-sy-Tobago ity ny tiona, niteraka adihevitra momba ny politikan'ny steel pan (fr)
Sokajy telo no ifaninanan'ireo tarika mpanao mozika (madinika, salantsalany, goavana) arakaraky ny haben'ilay orkesitra. Misy ihany koa sokajin'ny pan solo sy fifaninanana Panorama ho an'ireo sekoly ambaratonga fototra sy faharoa.
Tato anatin'ny taona vitsivitsy, raha tokony hoe nikarakara ireo dingana tsirairay amin'ilay fifaninanana ho eo aminà toerana lehibe sy tokana toy ny Queen's Park Savannah ao amin'ny Seranan'i Espaina, dia tany amin'ireo pan yards – toerana any anatin'ny vondro-piarahamonina ny izay foiben-toeran'ireo orkesitra – no nalehan'ireo mpitsara mba hanomezana isa nandritra ny dingan'ny savaranonando tamin'ilay fifaninanana. Mahasarika vahoaka marobe hatrany ireny fifaninanana ireny, sy ireo mpankafy ny mozika pan mitsidika ireo pan yards marobe mandritra io vanim-potoana io, mba hanohanana ireo tarika ankafizin-dry zareo sy handrefy ny lentan'ireo mpifaninana.
Na izany aza, ny hetsika steel pan tena ihazakazahana be ny hanaraka azy dia ny manasa-dàlana amin'ny Panorama, izay ahafahan'ireo mpankafy manatrika karazana seho an-tsehatra maro karazana any anatin'ireo faritra voatokana ho an'ny mpijery, ary mifangaroharo amin'ireo tarika, amin'ilay endriny antsoina hoe “The Drag” — ilay faritra mitondra anao mankeny amin'ny sehatra fototra ilaharan'ireo tarika, arakaraky ny nandaharana azy hiseho an-tsehatra sy hanao famerenana ary hilalao ny anjarany. Ampian'ireo mpankafy ihany koa izy ireo hanosika sy hitaona ny fitaovana ho eny ambony sehatra, izay apetaka amina fitambaran-tsehatra maro afaka afindrafindra sy misy tafo. Mifaninana hahazo toerana any amin'ny famaranana ireo tarika ireo, samy manantena ny hahazo ilay loka manandaza indrindra amin'ny mozika steel pan.
Toy ny isantaona, nanatrika manasa-dàlana nasiônaly tamin'ilay fifaninanana Panorama natao tao Queen's Park Savannah tamin'ny 9 Febroary ilay mpakasary Maria Nunes, manasa-dàlana izay nivondronan'ireo orkesitra steel pan salantsalany sy goavana. Ity ny topimaso tamin'ny volom-pety nanjaka tao. Miaraka amin'ny fanomezany alàlana tam-pitiavana no namerenana namoaka etoana ireo sary mampitolagaga an'i Maria Nunes :
Ny 22 Febroary 2020 no nanaovana ny famaranana ny fifaninanana Panorama.